1Sedaj pa pravi tako GOSPOD, ki te je ustvaril, Jakob, in ki te je upodobil, Izrael: Ne boj se! kajti odkupil sem te, poklical sem te po imenu tvojem; ti si moj!
1Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
2Ko pojdeš skozi vode, bodem pri tebi, in preko rek, te ne poplavijo; ko pojdeš skozi ogenj, ne zgoriš in plamen te ne zapali.
2Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
3Zakaj jaz sem GOSPOD, tvoj Bog, Svetnik Izraelov, rešitelj tvoj; v odkup tvoj sem dal Egipt, Etiopijo in Sebo zate.
3Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
4Zato ker si drag v mojih očeh in čislan in ker te ljubim, hočem dati ljudi zate in narode za življenje tvoje.
4Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao.
5Ne boj se, ker jaz sem s teboj. Od vzhoda privedem nazaj seme tvoje in zberem te od zahoda.
5Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
6Severu zapovem: Daj nazaj! in poldnevu: Ne pridržuj, privedi sinove moje iz daljave in hčere moje od kraja zemlje,
6Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany,
7vsakega, ki se imenuje po imenu mojem, ki sem ga ustvaril v slavo svojo, ki sem ga upodobil in naredil!
7Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
8Izpelji ljudstvo slepo, ki ima oči, in glušce, ki imajo ušesa!
8Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina. [Na: Entiko mivoaka]
9Vsi narodi naj se zbero in ljudstva naj se snidejo! Kdo med njimi more napovedati to? ali prejšnje reči naj nam oznanijo! postavijo naj priče svoje, da se opravičijo, da se bo slišalo in reklo: Res je.
9Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany. [Na: Miangona][Na: mivory]
10Vi ste priče moje, govori GOSPOD, in hlapec moj, ki sem ga izvolil: da bi spoznali in verovali meni in umeli, da sem jaz večno isti. Pred menoj ni bil upodobljen Bog mogočni in ne bode ga za menoj.
10Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
11Jaz, jaz sem GOSPOD, in ni ga razen mene rešitelja.
11Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
12Jaz sem napovedoval in reševal in oznanjal, ne pa tuj bog med vami; in vi ste mi priče, govori GOSPOD, da sem jaz Bog mogočni.
12Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
13Tudi od tega dne bodem večno isti, in ni ga, ki bi rešil iz roke moje. Delam, in kdo more zabraniti?
13Eny, hatramin'izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin'ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? [Na: Hatrizay nisian'ny andro]
14Tako pravi GOSPOD, odrešenik vaš, Svetnik Izraelov: Zaradi vas sem poslal v Babilon, in hočem jih vse kakor ubežnike gnati doli, tudi Kaldejce na ladjah, katerih so se veselili.
14[Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, sy ny hampodiany azy avy amin'ny fahababoana, ary ny hampidinany ny Fanahiny] Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin'ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin'ny sambo izay efa nifaliany.[Na: dia]
15Jaz, GOSPOD, sem Svetnik vaš, stvarnik Izraelov, kralj vaš.
15Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
16Tako pravi GOSPOD, ki dela pot po morju in stezo po silnih vodah,
16Izao no lazain'i Jehovah, Izay manao lalana eny amin'ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin'ny rano manonja,
17ki izpeljava vozove in konje, krdela in moč – vkup bodo ležali, ne vstanejo več, izdahnejo, ugasnejo kakor predivo:
17Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
18Ne spominjajte se prejšnjih reči in ne pečajte se za stare!
18Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
19Glej, jaz storim novo stvar: zdajci že klije, ali bi je ne spoznali? Da, v puščavi naredim pot in reke v samoti.
19Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no hasiako ony;
20Častila me bo žival poljska, šakali in noji, ker dam v puščavo vode, reke v samoto, da bodo v pijačo mojemu ljudstvu, izvoljenemu mojemu.
20Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin'ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. [Na: jakala]
21To ljudstvo, ki sem si ga izobrazil, bo pripovedovalo hvalo mojo. –
21Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
22Kajti mene nisi klical, o Jakob, da bi se bil utrudil zame, o Izrael!
22Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely. [Na: Na nisasaranao akory]
23Nisi mi prinašal drobnice žgalnih darov svojih in z žrtvami svojimi me nisi častil. Nisem te tlačil, da mi služiš z jedilnim darom, in nisem ti prizadeval truda s kadilom;
23Tsy nitondranao ny zanak'ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin'ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin'ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. nampanompo]
24nisi mi kupil z denarjem trsta dišečega in s tolščo žrtev svojih me nisi krepčal. Ali hlapčevsko delo si mi storil z grehi svojimi, utrudil si me s krivicami svojimi.
24Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin'ny saboran'ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin'ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin'ny helokao. [Heb. nampanompo]
25Jaz, jaz sam izbrisujem prestopke tvoje zaradi sebe, in grehov tvojih se ne spominjam več.
25Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
26Opomni me, pravdajva se skupaj, razloži vendar svoje, da se opravičiš!
26Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
27Tvoj prvi oče je grešil, in sredniki tvoji so se mi izneverili.Zato sem onečastil poglavarje svetišča in prokletstvu izročil Jakoba in Izraela zasramovanju.
27Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko, [Heb. rainao]Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa. [Heb. herema]
28Zato sem onečastil poglavarje svetišča in prokletstvu izročil Jakoba in Izraela zasramovanju.
28Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa. [Heb. herema]