1Sedaj pa poslušaj, Jakob, hlapec moj, in Izrael, ki sem ga izvolil.
1Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;
2Tako pravi GOSPOD, ki te je ustvaril in upodobil iz materinega telesa, ki ti pomaga: Ne boj se, hlapec maj Jakob, in Ješurun [T. j. poštenjak, pravičnik (ime Izraelu).], ki sem te izvolil.
2Izao no lazain'i Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona, izay nofidiko; [Jesorona dia anaran'ny Isiraely]
3Kajti vode razlijem čez žejno in potoke na suho; duha svojega razlijem na seme tvoje in blagoslov svoj na potomce tvoje.
3Fa handatsaka rano amin'izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin'izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin'ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin'ny terakao;
4In razcveto se kakor med travo, kakor vrbe poleg vodotokov.
4Dia haniry eny amin'ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan'ny rano mandeha ireny.
5Ta poreče: GOSPODOV sem! in oni proglasi ime Jakobovo za svoje; oni pa se zapiše z roko svojo GOSPODU, in častno ime mu bode Izrael.
5Ny anankiray hilaza hoe: An'i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin'ny tànany hoe: An'i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.[Na: eo amin']
6Tako pravi GOSPOD, kralj Izraelov in odrešenik njegov, GOSPOD nad vojskami: Jaz sem prvi in jaz poslednji, in razen mene ni Boga.
6[Ny amin'i Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, sy ny amin'ny sampin'ny jentilisa] Izao no lazain'i Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
7In kdo kakor jaz more oznanjati – naj torej oznani in mi po vrsti ražloži! – odkar sem ustanovil starodavno ljudstvo? Naj torej oznanijo, kar bode in kar se zgodi!
7Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
8Ne plašite se in ne bojte se! Nisem li tega oddavnaj ti dal slišati in ti naznanil? in vi ste priče moje. Ali je Bog razen mene? Gotovo ni nobene Skale, ne poznam nobene.
8Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin'ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
9Kateri izrezujejo podobe, so vsi ničemurneži, in njih ljubčki ne morejo koristiti; in kateri so malikom priče, ne vidijo ničesar in ne spoznavajo, da bi jih bilo sram.
9Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon'ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
10Kdo je kdaj upodobil boga in ulil podobo, da ne bi bil hotel nobene koristi?
10Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory?
11Glej, vsi, ki se družijo z malikom, bodo osramočeni, in podobarji so goli ljudje. Zbero naj se vsi in skup se postavijo: preplašeni, osramočeni bodo vsi skupaj.
11Indro, ho menatra ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.
12Kovač napravlja sekiro in dela z žerjavico in s kladivi upodablja malika in ga obdelava s krepko roko svojo; strada tudi, da mu peša moč, ne pije vode, da onemore.
12Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin'ny arina izy ary manamboatra azy amin'ny tantanana sy miasa azy amin'ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.[Na: manasa]
13Lesorezec potegne ravnalo, očrta s črtalom, izgladi s stružcem in nariše s šestilom, in ga naredi kakor podobo moža, kakor človeško lepoto, da prebiva v hiši.
13Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin'ny fitsipihana; Manamboatra azy amin'ny vankona izy, dia manamarika azy amin'ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik'olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin'ny olona, Mba hampitoerina ao an-trano.
14Poseka si cedro ali vzame graden ali hrast in si izbira med drevjem v gozdu; in ko je vsadil jesen in ga je dež vzredil,
14Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka Ary mifidy hazo any an'ala; Mamboly ny hazo orno izy, ka ampanirin'ny ranonorana izany;
15tedaj je človeku v sežig, ker vzame od njega, da se ogreje, in zakuri ž njim, da speče kruh; naredi tudi iz njega boga in se mu klanja; napravi iz njega podobo in pada prednjo na tla.
15Ary dia anaovan'ny olona kitay izany ka analany hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; Anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany.
16Polovico ga je požgal v ognju, pri polovici njegovi jé meso, peče pečenko in se siti; tudi greje se in pravi: Aha! ogrel sem se, čutim ogenj.
16Ny sasany dorany amin'ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy! [Heb. ihinanany]
17Iz ostanka njegovega naredi boga, podobo svojega malika, pada na tla pred njim ter se klanja in ga prosi, govoreč: Reši me, kajti bog mogočni si moj!
17Ary ny sisan'izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
18Ne spoznajo in ne razvidijo; zakaj zalepil jim je oči, da ne vidijo, in srca, da ne umejo.
18Tsy mahalala na mahafantatra ireny; Fa voatampina ny masony ka tsy mahita, Ary ny fony, ka tsy mahalala.
19In nihče ne pomisli v srcu in nima spoznanja in razsodnosti, da bi rekel: Polovico njega sem požgal v ognju in tudi pri žerjavici njegovi sem pekel kruh, pekel meso in sem jedel; in kar je ostalo od njega, naj napravim v stvar ostudno? pred lesenim hlodom naj padam na tla?
19Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin'ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin'ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan'izay vatan-kazo? [Na: vokatry ny hazo]
20S pepelom se pase, srce prevarano ga zapeljuje, da ne more rešiti duše svoje, niti ne reče: Ni li prevara v desnici moji?
20Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
21Spominjaj se tega, o Jakob, in Izrael, ker si hlapec moj. Upodobil sem te, hlapec si moj, Izrael, ne pozabim te.
21Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô,
22Izbrisal sem kakor gost oblak prestopke tvoje in kakor meglo grehe tvoje. Vrni se k meni, kajti odkupil sem te.
22Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
23Pojte, nebesa, zakaj GOSPOD je storil to! Ukajte, zemlje globočine, pojoč bobnite, gore, gozd in sleherno drevo v njem, zakaj GOSPOD je odkupil Jakoba in v Izraelu se oslavlja!
23Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin'ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin'izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin'Isiraely.
24Tako pravi GOSPOD, odkupitelj tvoj in obrazovatelj tvoj iz materinega telesa: Jaz, GOSPOD, sem, ki delam vse: nebesa sem razpel sam, zemljo sem raztegnil – kdo je bil z menoj?
24[Ny amin'i Kyrosy, izay voahosotr'i Jehovah ho mpanafaka ny Isiraely] Izao no lazain'i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
25Jaz sem, ki uničujem znamenja lažnikov in iz vedeževalcev narejam neumneže, ki zavračam modre in abotno delam njih znanje;
25Izaho mahafoana ny famantarana lazain'ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
26ki potrjujem hlapca svojega besedo in dovršujem poslancev njegovih sv?t, ki govorim o Jeruzalemu: Imel bo prebivalce! in o mestih Judovih: Zidala se bodo, in podrtine njegove postavim pokonci!
26Ary mahatò ny tenin'ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin'i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin'ny tanànan'ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo, [Heb. mpanompony][Heb. irany]
27ki velim globočini: Posúši se, in reke tvoje posušim!ki velim Ciru: Pastir moj je, in dopolni vso voljo mojo, ko ukaže za Jeruzalem: Bodi sezidan! in za tempelj: Ustanovi se!
27Ary milaza amin'ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,Ary milaza an'i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
28ki velim Ciru: Pastir moj je, in dopolni vso voljo mojo, ko ukaže za Jeruzalem: Bodi sezidan! in za tempelj: Ustanovi se!
28Ary milaza an'i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.