Slovenian

Malagasy

Isaiah

60

1Vstani, svéti se, hči sionska! zakaj svetloba tvoja je prišla in slava GOSPODOVA je zasijala nad teboj.
1[Ny ho voninahitr'i Jerosalema amin'ny andro ho avy] Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.
2Kajti glej, tema pokriva zemljo in mrak narode; a nad teboj zasije GOSPOD in slava njegova bode očitna nad teboj.
2Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny.
3In pridejo narodi k svetlobi tvoji in kralji k svitu, ki ti sije.
3Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.
4Povzdigni oči kroginkrog in poglej: vsi oni se zbirajo in prihajajo k tebi; sinovi tvoji gredo iz daljave in hčere tvoje prinašajo v naročju.
4Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
5Tedaj boš videla in od veselja sijala, in srce ti bo močno utripalo in se širilo; zakaj obilnost morja se obrne do tebe, bogastvo narodov dospe k tebi.
5Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena.
6Velblodov roj te pokrije, dromedarji iz Madiana in Efe; vsi pridejo iz Sabe, zlata prineso in kadila in veselo bodo oznanjali slavna dela GOSPODOVA.
6Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
7Vse črede kedarske se bodo zbirale k tebi; ovni nebajotski ti bodo stregli; prišli bodo na moj oltar v blagougodje meni; in okrasil bom hišo dike svoje. –
7Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
8Kdo so oni, ki se zletavajo kakor gost oblak in kakor golobje k linam svojim?
8Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?
9Kajti mene bodo čakali otoki in tarsiške ladje najprej, da pripeljejo sinove tvoje iz daljave, srebro in zlato svoje s seboj, za ime GOSPODA, Boga tvojega, in za Svetnika Izraelovega, ker te je odičil.
9Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
10In zidali bodo tujci zidove tvoje in njih kralji ti bodo stregli; zakaj v srdu svojem sem te udaril, a v blagovoljnosti svoji sem se te usmilil.
10Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
11In vrata tvoja bodo odprta neprestano, noč in dan se ne zapro, da pripeljejo k tebi bogastvo narodov ob spremstvu njih kraljev.
11Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren'ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
12Kajti tisti narod in tisto kraljestvo, ki ti ne bo služilo, pogine, in ti narodi se popolnoma pokončajo.
12Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.
13Slava libanonska dojde k tebi, ciprese, platane in zelenike skupno, dičit mesto svetišča mojega; in oslavim nog svojih mesto.
13Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
14In pripognjeni pridejo k tebi sinovi tlačiteljev tvojih, in priklonijo se pred stopali nog tvojih vsi zaničevalci tvoji, in imenovali te bodo Mesto GOSPODOVO, Sion Svetnika Izraelovega.
14Ny zanak'izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin'ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan'i Jehovah, Zionan'ny Iray Masin'ny Isiraely.
15V odmeno, da si bila zapuščena in sovražena, da ni šel nihče skozi te, te napravim v lepoto večno, v veselje od roda do roda.
15Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
16Sesala boš tudi mleko narodov in prsi kraljev boš sesala, in spoznaš, da sem jaz, GOSPOD, tvoj Zveličar in jaz, Mogočni Jakobov, tvoj Odrešenik.
16Ary hinono amin'ny jentilisa ianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
17Namesto brona prinesem zlata in namesto železa pripeljem srebra in namesto lesa brona in železa namesto kamenja. In postavim ti za oblastvo mir in za upravništvo pravičnost.
17Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao]
18Več ne bode slišati o silovitosti v deželi tvoji, o pustošenju in podiranju po pokrajinah tvojih; temuč imenovala boš obzidje svoje Zveličanje in vrata svoja Hvalo.
18Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
19Ne bode ti več solnce za svetlobo po dnevi in za svit nočni ti ne bo svetil mesec, marveč GOSPOD ti bode svetloba večna in Bog tvoj tebi za diko.
19Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
20Ne zajde več solnce tvoje in mesec tvoj se ne skrije, zakaj GOSPOD ti bode svetloba večna. In konec bode žalovanja tvojega dnevom.
20Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
21In ljudstvo tvoje – vsi bodo pravični, za vekomaj bodo podedovali deželo, kakor mladika, ki sem jo zasadil, rok mojih delo, meni v poveličanje.Iz najmanjšega jih bode tisoč, iz šibkega mogočen narod. Jaz GOSPOD pospešim to ob svojem času.
21Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.
22Iz najmanjšega jih bode tisoč, iz šibkega mogočen narod. Jaz GOSPOD pospešim to ob svojem času.
22Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.