1Duh Gospoda Jehove je nad mano, zato ker me je GOSPOD pomazilil, da naj oznanjam blagovestje krotkim; poslal me je obvezovat potrte v srcu, oznanjat svobodo jetnikom in zaprtim, da se jim odpira ječa;
1[Ny amin'ny Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody ny voninahiny] Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy]
2da oklicujem milostno leto GOSPODOVO in dan maščevanja Boga našega, da tolažim vse žalujoče,
2Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,
3da poskrbim za žalujoče na Sionu in jim dam diko namesto pepela, olje veselja namesto žalosti, hvalni plašč namesto duha obupnega; da bi se imenovali hrasti pravičnosti, sadež GOSPODOV, njemu v poveličanje.
3Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
4In pozidajo stare razvaline in postavijo, kar je bilo v nekdanjih časih porušeno, ter obnove zapuščena mesta, pustišča mnogih rodov.
4Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela.
5In tujci bodo stali in pasli črede vaše in inozemci bodo oratarji in vinogradniki vaši.
5Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo,
6Vi pa se boste imenovali duhovniki GOSPODOVI, strežaje Boga našega vas bodo zvali. Uživali boste bogastvo narodov in ž njih slavo se ponašali.
6Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo. [Heb. Hohaninareo][Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny]
7Za svojo sramoto dobite dvojno; in namesto nečasti se bodo veselili svojega deleža; kajti dobodo v svoji deželi dvojno posest in veselje bodo imeli večno.
7Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
8Zakaj jaz, GOSPOD, ljubim pravico, sovražim zlobno plenjenje; in dam jim njih povračilo v resnici in večno zavezo sklenem ž njimi.
8Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. [Na: Halako ny halatra atao fanatitra odorana]
9In znano bode med poganskimi narodi njih seme in njih rojenci med ljudstvi: vsi, ki jih bodo videli, pripoznajo, da so seme, ki ga je blagoslovil GOSPOD.
9Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.
10Veselil se bom, veselil v GOSPODU, raduje se naj duša moja v Bogu svojem! Kajti odel me je z obleko zveličanja, s plaščem pravičnosti me ogrnil, kakor se ženin po duhovniško pokriva z vencem in kakor se nevesta diči z dragotinami svojimi.Kakor namreč zemlja rodi svoje rastline in kakor vrt poganja setev svojo, tako stori Gospod Jehova, da bo rasla pravičnost in hvala pred vsemi narodi.
10Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.
11Kakor namreč zemlja rodi svoje rastline in kakor vrt poganja setev svojo, tako stori Gospod Jehova, da bo rasla pravičnost in hvala pred vsemi narodi.
11Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.