Slovenian

Malagasy

Jeremiah

11

1Beseda, ki je prišla Jeremiju od GOSPODA, govoreč:
1[Ny nivadihan'ny Isiraely tamin'ny fanekena nataon'i Jehovah taminy, sy ny nanao azy noho izany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2Poslušajte besede te zaveze in govorite možem Judovim in prebivalcem jeruzalemskim!
2Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema,
3Porečeš jim torej: Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Proklet bodi mož, ki ne bo poslušal besede zaveze,
3Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin'izao fanekena izao,
4ki sem jo ukazal očetom vašim tisti dan, ko sem jih peljal iz dežele Egiptovske, iz peči železne, veleč: Poslušajte moj glas in delajte te besede, kakor vam ukazujem, in bodete mi za ljudstvo in jaz vam bodem Bog;
4Izay nandidiako ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,
5da izpolnim prisego, ki sem jo prisegel očetom vašim, da jim dam deželo, kjer se mleko in med cedi, kakor je danes. Tedaj sem odgovoril in rekel: Amen, o GOSPOD!
5Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô![Heb. Amena]
6In GOSPOD mi veli: Oznani vse te besede po mestih Judovih in po ulicah jeruzalemskih, govoreč: Poslušajte besede te zaveze in jih izpolnjujte!
6Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema Izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin'izao fanekena izao, ka ankatoavy izy.
7Kajti rotil sem očete vaše tisti dan, ko sem jih peljal iz dežele Egiptovske, do tega dne, od ranega jutra in neprenehoma, govoreč: Poslušajte moj glas!
7Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.
8Vendar niso poslušali in niso nagnili svojih ušes, ampak hodili so vsak po trmi hudobnega srca svojega; zato sem poslal nadnje vse besede te zaveze, ki sem jo bil ukazal izpolnjevati, in niso jih izpolnjevali.
8Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin'ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin'izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.
9In GOSPOD mi reče: Zarota je tu med možmi Judovimi in jeruzalemskimi prebivalci.
9Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema.
10Vrnili so se h krivicam prvih očetov svojih, ki so se branili poslušati besede moje; in oni so šli za tujimi bogovi, da jih časté; prelomila je hiša Izraelova in hiša Judova zavezo mojo, ki sem jo bil sklenil z njih očeti.
10Fa izy niverina nankamin'ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin'ny razany.
11Zatorej pravi tako GOSPOD: Glej, jaz pošljem nadnje zlo, ki mu ne bodo mogli ubežati; in klicali bodo k meni, a ne uslišim jih.
11Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
12Tedaj pojdejo mesta Judova in prebivalci jeruzalemski in bodo klicali bogove, ki so jim kadili, ali nikakor jih ne rešijo v času njih nesreče.
12Dia handeha ny tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany.
13Kajti kolikor mest, toliko bogov imaš, o Juda, in kolikor je ulic v Jeruzalemu, toliko ste postavili oltarjev tisti sramoti, oltarjev, da na njih kadite Baalu.
13Fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
14Ti torej ne prosi za to ljudstvo in ne povzdiguj zanje vpitja in prošnje; zakaj ne uslišim jih tisti čas, ko bodo klicali k meni spričo nesreče svoje.
14Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin'ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho.
15Kaj je ljubemu mojemu storiti v moji hiši, ker tu mnogi kujejo zvijače? Bo li sveto meso odpravilo zlo tvoje od tebe? tedaj šele se raduj!
15Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy, ary ny hena masina dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary![Na: Nahoana ny malalako no manao fahavetavetana eto an-tranoko? Moa ny voady sy ny hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra?]
16Oljko zeleno, krasno, z lepim sadom je imenoval GOSPOD ime tvoje. Ob glasu velikega hrupa je zažgal ogenj na njej, in polomile so se veje njene.
16Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha no nataon'i Jehovah anaranao; Tamin'ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany.
17Kajti GOSPOD nad vojskami, ki te je bil zasadil, je govoril hudo zoper tebe zaradi hudobije hiše Izraelove in hiše Judove, ki so jo delali sebi v kvar, da bi me dražili, ko so kadili Baalu.
17Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin'ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
18In GOSPOD mi je pokazal to, da sem spoznal; takrat si mi razodel njih dejanja.
18[Ny teny nasain'i Jehovah nolazaina ny amin'ny mponina tao Anatota, izay nitady hamono an'i Jeremia] Ary nampahafantarin'i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin'izany dia nasehonao ahy ny fanaony.
19In jaz sem bil kakor krotko jagnje, ki ga peljejo v zakol; in nisem vedel, da so naklepe ukrepali proti meni: „Pokončajmo drevo s sadom njegovim vred in iztrebimo ga iz dežele živih, da se ne bo več omenjalo ime njegovo“.
19Fa izaho dia tahaka ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.
20Ali, o GOSPOD nad vojskami, ki sodiš pravično, ki preiskuješ ledice in srca, daj mi videti maščevanje svoje nad njimi, kajti tebi sem razodel pravdo svojo.
20Nefa, ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
21Zatorej pravi tako GOSPOD o možeh v Anatotu, ki ti strežejo po življenju, govoreč: Ne prorokuj v imenu GOSPODOVEM, in ne umreš od naših rok –
21Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin'ny anaran'i Jehovah, fandrao matin'ny tananay ianao,
22zato pravi tako GOSPOD nad vojskami: Glej, jaz jih bom pokoril: mladeniči umro pod mečem, njih sinov in hčere umro od glada,in ostanka jim ne bode; kajti pošljem nesrečo nad može anatotske, leto, ko bodo obiskani.
22izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary;Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho amin'ny taona hamaliana azy.
23in ostanka jim ne bode; kajti pošljem nesrečo nad može anatotske, leto, ko bodo obiskani.
23Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho amin'ny taona hamaliana azy.