1Pravičen ostaneš, o GOSPOD, ko bi se hotel prepirati s teboj; vendar si drznem govoriti o pravdi s teboj: Zakaj je uspešna pot brezbožnih? zakaj žive v blaginji, katerikoli delajo nezvesto?
1[Ny fitarainana nataon'i Jeremia noho ny nanambinana ny ratsy fanahy, sy ny navalin'i Jehovah azy] Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?
2Sadil si jih, in so se tudi ukoreninili; rasto, pa tudi dajó sad. V njih ustih si blizu, a daleč od njih ledic.
2Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin'ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin'ny fony.[Heb. voany]
3Ali ti, o GOSPOD, me poznaš, vidiš v me in izkušaš srce moje, kakšno je do tebe. Zvleci jih kakor ovce v klanje in pripravi jih za dan moritve!
3Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny ho amin'ny andro hamonoana.[Heb. hamasino]
4Doklej naj žaluje dežela in vene rastlina po vsem polju? Od hudobnosti prebivalcev njenih peša živina in ptiči, ker govore: Ne vidi našega konca.
4Mandra-pahoviana no hisaonan'ny tany sy hahalazoan'ny ahitra any amin'ny saha rehetra? Noho ny faharatsian'ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
5Ko si tekel s pešci in so te utrudili, kako torej bi se poskušal s konji? In ako se počutiš varnega v deželi miru, kaj boš počel ob veličju Jordanovem?
5Raha niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin'ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana?[Heb. ny reharehany]
6Zakaj tudi bratje tvoji in očeta tvojega družina, tudi oni ravnajo nezvesto proti tebi, tudi oni vpijejo glasno za teboj. Ne veruj jim, čeprav te ogovarjajo prijazno.
6Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin'ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy.
7Zapustil sem hišo svojo, zavrgel dediščino svojo; izdal sem njo, ki jo je ljubila duša moja, v roko sovražnikov njenih.
7Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; Ny sombin'aiko dia natolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony.
8Dediščina moja mi je postala kakor lev v gozdu: zoper mene je zagnala svoj glas, zato jo sovražim.
8Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an'ala; Mierona amiko izy, ka dia halako.
9Je li mi dediščina moja kakor pisana ropna ptica, da so roparice kroginkrog zoper njo? Pojdite, zberite vse zveri v gozdu, storite, da pridejo požirat!
9Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.
10Mnogi pastirji so pokončali moj vinograd, poteptali delež moj, naredili so zaželjeni delež moj v prepusto puščavo.
10Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra;
11Naredili so jo v pustinjo, žaluje po meni, opustošena. Vsa dežela je opustošena, ker ni nikogar, da bi premislil v srcu.
11Nataony lao izany, eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy nisy nandatsaka am-po.
12Na vse gole griče po puščavi so prišli razdejalci; kajti meč GOSPODOV pokončava od kraja do kraja zemlje: miru ne bo imelo nobeno meso.
12Ny mpandrava dia tonga any amin'ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr'i Jehovah mandringana amin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny farany koa, ka dia tsy misy fiadanana ho an'ny nofo rehetra.
13Posejali so pšenico, in želi trnje; upehali so se, a nič prida niso opravili. Tako boste osramočeni pri pridelkih svojih zavoljo goreče jeze GOSPODOVE.
13Vary no nafafiny, fa tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana izany; Dia hangaihay ny amin'ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
14Tako pravi GOSPOD o vseh hudobnih sosedih mojih, ki se dotikajo dediščine, katero sem v last dal ljudstvu svojemu Izraelu: Glej, jaz jih izpulim iz njih dežele in družino Judovo izpulim izmed njih.
14Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan'ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin'ny taniny ireo, ary ny taranak'i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.
15In zgodi se, ko jih izpulim, da se jih zopet usmilim in vsakega izmed njih pripeljem nazaj v njegovo dediščino in vsakega v deželo njegovo.
15Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any amin'ny lovany sy ny taniny avy indray izy.
16Zgodi se tudi, če se bodo pridno učili poti ljudstva mojega, da bi prisegali pri mojem imenu: Kakor resnično GOSPOD živi! kakor so moje ljudstvo učili prisegati pri Baalu: tedaj se ustanové sredi mojega ljudstva.Ako pa ne bodo poslušali, tedaj izpulim tisti narod, izpulim ga in pokončam, govori GOSPOD.
16Koa raha mba hianatra ny fanaon'ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin'ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran'ireo ny oloko hianiana amin'i Bala, dia haorina ao amin'ny oloko izy;Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.
17Ako pa ne bodo poslušali, tedaj izpulim tisti narod, izpulim ga in pokončam, govori GOSPOD.
17Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.