1Tako mi je velel GOSPOD: Pojdi in si kupi prten pas in opaši ž njim ledja svoja, ali v vodo ga ne deni.
1[Ny hampietrena ny avonavon'ny Joda] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
2Torej sem po besedi GOSPODOVI kupil pas in si opasal ž njim ledja.
2Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin'i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
3Nato mi je prišla beseda GOSPODOVA v drugič, govoreč:
3Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Jehovah hoe:
4Vzemi tisti pas, ki si ga kupil, ki so ž njim opasana ledja tvoja, in vstani, odidi k Evfratu in ga skrij tam v skalnato luknjo.
4Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
5Tedaj sem odšel in ga skril pri Evfratu, kakor mi je bil zapovedal GOSPOD.
5Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron'i Eofrata izy, araka ny nandidian'i Jehovah ahy.
6Ko pa je minilo mnogo dni, mi reče GOSPOD: Vstani, oditi k Evfratu in vzemi zopet odondod tisti pas, ki sem ti bil zapovedal, da ga skrij ondi.
6Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
7Šel sem torej k Evfratu, izkopal in vzel pas s tistega kraja, kjer sem ga bil skril: ali glej! pas je bil pokvarjen, ni bil za nobeno rabo.
7Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.
8Tedaj mi je prišla beseda GOSPODOVA:
8Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
9Tako pravi GOSPOD: Prav tako hočem pokvariti prevzetnost Judovo in veliko prevzetnost jeruzalemsko.
9Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda sy ny haben'ny avonavon'i Jerosalema.
10To ljudstvo hudobno, ki se brani poslušati besede moje, ki ravna po trmi svojega srca in hodi za drugimi bogovi, da bi jih častilo in se jim klanjalo, bode podobno temu pasu, ki ni za nobeno rabo.
10Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.
11Kajti kakor se pas oklene ledij moževih, tako sem storil, da se oklepaj mene vsa hiša Izraelova in vsa hiša Judova, govori GOSPOD, da bodo meni v ljudstvo in za ime in za hvalo in za lepoto; ali niso poslušali.
11Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona no nampiraiketako ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
12Zato jim porečeš besedo to: Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Vsak meh se napolni z vinom. Ko ti pa poreko: Ali res ne vemo, da se vsak meh napolni z vinom?
12Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
13tedaj jim reci: Tako pravi GOSPOD: Glejte, jaz napolnim s pijanostjo vse prebivalce te dežele, i kralje, ki sede za Davida na prestolu njegovem, i duhovnike in proroke in vse prebivalce v Jeruzalemu.
13Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin'ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.[Heb. feno]
14In storim, da trčijo drug ob drugega, očetje in sinovi se spopadejo med seboj, govori GOSPOD; ne prizanesem, ne bode mi jih žal, ne usmilim se, da bi jih ne pogubil.
14Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
15Poslušajte in z ušesi sprejmite, ne povzdigujte se! zakaj GOSPOD je govoril.
15Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
16Dajajte slavo GOSPODU, svojemu Bogu, preden naredi temo in preden se vam noge opotaknejo ob mračne gore, in ko boste pričakovali luči, vam jo naredi v senco smrti in izpremeni v gosto temo.
16Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
17Če pa ne boste poslušali tega, bo na skrivnem plakala duša moja zavoljo prevzetnosti vaše in oči moje bodo hudo jokale in iz njih tekle solze, ker se bo v sužnost peljala čreda GOSPODOVA.
17Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin'i Jehovah.
18Reci kralju in kraljici: Ponižno sédita na tla, kajti doli pojde prvaštvo vaju obeh, venec slave vajine.
18Lazao amin'ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin'ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
19Mesta na Jugu so zaprta, in nikogar ni, da bi jih odprl; Juda je ves odpeljan v sužnost, docela je odpeljan.
19Voarindrina ny tanàna any amin'ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
20Povzdignite oči in poglejte jih, ki gredo od severa! Kje je tista čreda, ki ti je bila izročena, čreda slave tvoje?
20Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?
21Kaj porečeš, ko postavi prijatelje tvoje nad teboj za glavo, ker si jih sama navadila zoper sebe? Ali te ne bodo zgrabile bolečine kakor ženo porodnico?
21Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?
22Če pa rečeš v srcu svojem: Zakaj me je to zadelo? Zavoljo množine krivice tvoje so se odgrnila krila tvoja, po sili so bili oskrunjeni podplati tvoji.
22Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben'ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr'akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
23More li črnec izpremeniti svojo polt? ali pard lise svoje? potem bi tudi vi mogli dobro delati, kos te se navadili hudega.
23Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.[Anaram-biby masiaka sady misoratsoratra]
24Zato jih raztrosim kakor pleve, ki lete ob vetru v puščavi.
24Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra.
25To je usoda tvoja, delež, ki sem ti ga odmeril, govori GOSPOD, ker si pozabila mene in stavila upanje v laž.
25Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin'ny lainga.
26Zato ti tudi jaz potegnem rob tvoj čez obraz, da se bo videla sramota tvoja.Prešeštva tvoja in rezgeti tvoji, pregrešno nečistovanje tvoje na hribih, na polju: videl sem gnusobe tvoje. Gorje ti, Jeruzalem! Ti se nočeš očistiti – koliko časa še?
26Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, mba hisehoan'ny henatrao.Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?[Izahao v. 8]
27Prešeštva tvoja in rezgeti tvoji, pregrešno nečistovanje tvoje na hribih, na polju: videl sem gnusobe tvoje. Gorje ti, Jeruzalem! Ti se nočeš očistiti – koliko časa še?
27Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?[Izahao v. 8]