Slovenian

Malagasy

Jeremiah

14

1Beseda GOSPODOVA, ki je prišla Jeremiju o sušah:
1[Ny tsy hahafahan'ny olona amin'ny loza, na dia efa nifonan'i Jeremia tamin'Andriamanitra aza izy] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny mosary.
2Judeja žaluje in vrata njena hirajo, v žalni obleki ležé na tleh in tožno vpitje Jeruzalema gre kvišku.
2Misaona ny Joda, ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin'ny tany; Ary miakatra ny fitarainan'i Jerosalema.
3Tudi njih plemenitniki pošiljajo najmanjše svoje po vodo: pridejo k vodnjakom, in ne najdejo vode, povrnejo se s praznimi posodami; sram jih je in s sramoto obliti si pokrivajo glave.
3Ny lehibeny maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin'ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.
4Zavoljo žejne zemlje, ker ni bilo dežja v deželi, so kmetovalci osramočeni in si pokrivajo glave.
4Noho ny fangentan'ny tany, noho ny tsy nilatsahan'ny ranonorana taminy, dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.[Na: satria tora-kovitra]
5Da, tudi košuta na polju zapušča mladiče, ko jih je rodila, ker ni nobene trave.
5Ary na dia ny dieravavy any an-tsaha aza, raha miteraka, dia mahafoy noho ny tsi-fisian'ny ahi-maitso.
6In divji osli, stoječ na golih gričih, duškajo kakor šakali; hirajo jim oči, ker ni zelenjave.
6Ary ny borikidia mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian'ny ahitra.[Na: jakala]
7Dasi pričajo krivice naše zoper nas, o GOSPOD, delaj z nami zaradi imena svojega; kajti mnogi so odpadi naši, tebi smo grešili.
7Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.
8O upanje Izraelovo, rešitelj njegov v času stiske, zakaj si kakor tujec v tej deželi in kakor popotnik, ki se ustavi, da prenoči?
8Ry Fanantenan'ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin'ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin'ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja?
9Zakaj bi bil kakor prestrašen mož, kakor junak, ki ne more rešiti? Saj si vendar sredi nas, GOSPOD, in po imenu tvojem se zovemo, ne zapusti nas!
9Nahoana Hianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.
10Tako pravi GOSPOD o tem ljudstvu: Tako radi tekajo semintja, nog svojih ne zdržujejo, zato jih GOSPOD ne sprejema prijazno; sedaj se spomni jih krivic in kaznoval bo njih grehe.
10Izao no lazain'i Jehovah amin'ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak'i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary valiany ny fahotany.
11In GOSPOD mi je velel: Nikar ne prosi temu ljudstvu v prid!
11Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an'ity firenena ity hahasoa azy.
12Ko se bodo postili, ne uslišim njih vpitja, in ko bodo prinašali žgalne in jedilne daritve, jih milo ne sprejmem, temuč z mečem in lakoto in kugo jih pokončam.
12Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
13Tedaj rečem: Oh, Gospod Jehova! glej, tisti proroki jim govore: Ne boste izkusili meča in lakote vam ne bode, ampak stanoviten mir vam dam v tem kraju.
13Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan'ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin'ity tany ity ianareo.
14Nato mi reče GOSPOD: Lažnivo prorokujejo tisti proroki v mojem imenu; nisem jih poslal, ne zapovedal jim, še ogovoril jih nisem: sami vam prorokujejo z lažnivo prikaznijo in vedeževanjem in ničnostjo in z zvijačo svojega srca.
14Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.
15Zato pravi GOSPOD zoper tiste proroke, ki prorokujejo v mojem imenu, ko jih jaz nisem poslal, in govore: „Meča ali lakote ne bode v tej deželi“, z mečem in lakoto poginejo tisti proroki.
15Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo mpaminany izay maminany amin'ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin'ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
16Ljudstvo pa, ki mu oni prorokujejo, bo ležalo po ulicah jeruzalemskih od lakote in meča, in nikogar ne bodo imeli, da bi pokopaval nje, njih žene in njih sinove in hčere; tako razlijem nadnje njih hudobnost.
16Ary ny firenena izay aminanian'ireo koa dia hiely faty eny an-dalamben'i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra, ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zananilahy, na ny zananivavy, fa haidiko ao aminy ny faharatsiany.
17Porečeš jim torej to besedo: Iz mojih oči kapajo solze noč in dan in ne prenehajo liti; zakaj z velikim potrtjem je potrta devica, hči mojega ljudstva, s prehudim udarcem.
17Koa lazao aminy izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman'alina ka tsy hitsahatra; Fa ny oloko, zanakavavy virijina, naratra mafy dia mafy tamin'ny kapoka maharary indrindra.
18Če grem na polje, glej, tam prebodeni z meči; če pa stopim v mesto, glej, tam bolni od lakote! kajti i prorok i duhovnik hodita po deželi in nimata spoznanja.
18Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan'ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin'ny tany tsy fantany.[Na: ka tsy mahalala]
19Ali si docela zavrtel Judo? ali se je Siona naveličala duša tvoja? Zakaj nas biješ tako, da nam ni zdravila? Ko čakamo miru, ni nič dobrega, in čas zdravljenja, glej, tolik strah!
19Efa narianao tokoa va Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita asa, ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.[Na: fahafinaretana]
20Spoznavamo, GOSPOD, brezbožnost svojo, očetov svojih krivico; kajti grešili smo zoper tebe.
20Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay; Fa efa nanota taminao izahay.
21Ne zaničuj nas zaradi imena svojega, ne onečaščuj prestola slave svoje, spomni se, ne prelomi zaveze svoje z nami!Ali so med ničevimi maliki poganov kateri, da dajó dežja? ali pa nebesa morejo dati deževje? Nisi li ti tisti, o GOSPOD, Bog naš? Zato čakamo tebe, ker ti sam si naredil vse to.
21Noho ny amin'ny anaranao dia aza arianao izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza fiandrianan'ny voninahitrao; Tsarovy, ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin'ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.[Heb. zava-poanan']
22Ali so med ničevimi maliki poganov kateri, da dajó dežja? ali pa nebesa morejo dati deževje? Nisi li ti tisti, o GOSPOD, Bog naš? Zato čakamo tebe, ker ti sam si naredil vse to.
22Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin'ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.[Heb. zava-poanan']