1In rekel mi je GOSPOD: Ko bi stopila Mojzes in Samuel predme, bi srce moje nikakor ne bilo nagnjeno temu ljudstvu: spodi jih izpred mene, in naj odidejo.
1Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.
2In če ti poreko: Kam hočemo iti? reci jim: Tako pravi GOSPOD: Kdor na smrt, na smrt, in kdor na meč, na meč, in kdor na lakoto, na lakoto, in kdor na sužnjost, na sužnjost.
2Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny areti-mandringana, ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra, ary izay ho amin'ny mosary dia ho amin'ny mosary, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana.[Heb. fahafatesana]
3Postavim namreč nadnje štiri reči, govori GOSPOD: meč, da pobija, in pse, da trgajo, in ptice nebeške in zveri zemeljske, da požirajo in pokončavajo.
3Ary manendry zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy Jehovah: Dia ny sabatra hamono sy ny amboa hamiravira ary ny voro-manidina sy ny bibi-dia hihinana sy handany;
4In izdam jih v pestitev vsem kraljestvom zemlje; zaradi Manaseja, sina Ezekijevega, kralja Judovega, zavoljo tistega, kar je zakrivil v Jeruzalemu.
4Ary manolotra azy ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany Aho noho ny amin'i Manase, zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, dia noho izay nataony tany Jerosalema.[Na: ho fampangovitana ny fanjakana rehetra]
5Kajti kdo bi imel usmiljenje s teboj, o Jeruzalem? ali kdo bi te miloval? ali kdo bi pristopil, poprašat o sreči tvoji?
5Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily hanantsafa anao?
6Ti si me zapustil, govori GOSPOD, nazaj si krenil; zato iztezam roko svojo zoper tebe, da te pogubim, utrujen sem od milovanja.
6Hianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely anao, ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra.[Heb. manenina]
7Zato jih bom vejal z vejalnico iz vrat te dežele ven; osirotil, pogubil bom ljudstvo svoje, ker se niso povrnili s potov svojih.
7Ary kororohiko amin'ny fikororohana izy ho any amin'ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, eny, aringako izy tsy mety miala amin'ny fanaony mba hiverina izy.
8Več mi bode vdov njegovih kakor morskega peska; pripeljem jim zoper matere mladega moštva razdejalca opoldne, storim, da jih nagloma objame strah in groza.
8Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin'ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.
9Hira ona, ki jih je rodila sedmero, izdiha dušo svojo; zaide solnce njeno, ko bode še dan, rdečica jo oblije in sram jo bode; in njih ostanek izpostavim meču vpričo njih sovražnikov, govori GOSPOD.
9Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menarina sy mangaihay izy; Ary izay sisa aminy dia hatolotro ho voan'ny sabatra eo anoloan'ny fahavalony, hoy Jehovah.
10„Gorje mi, mati moja, ker si rodila mene, ki mi napoveduje pravdo in prepir vsa ta dežela; nisem jim posojal in posojali mi niso, a vsakdo me preklinja.“
10[Fitarainan'i Jeremia tamin'Andriamanitra, sy ny teny fampiononana navaliny azy] Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa ozonin'ny olona rehetra ihany aho.
11GOSPOD pravi: Resnično, okrepčam te za dobro, resnično storim, da te bo sovražnik milo prosil ob času nesreče in ob času stiske.
11Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin'ny andro ahitan-doza sy amin'izay andro mahory.[Na: ny hahasoa anao ihany no nisehoako ho fahavalonao]
12More li kdo železo zlomiti, železo severno in bron? –
12Mety tapaka va ny vy, dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina?
13Premoženje tvoje in zaklade tvoje bom dal v plenjenje brez cene, in to zavoljo vseh grehov tvojih, in po vseh mejah tvojih.
13Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin'ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao;
14In storim, da jih preneso sovražniki tvoji v deželo, ki je ne poznaš; zakaj ogenj se je vnel v jezi moji, ki bo plamtel zoper vas.
14Ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin'ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, ka handoro anareo no irehetany.[Heb. Fa misy afo arehitra amin'ny fahatezerako]
15O GOSPOD, ti veš vse; spomni se me in obišči me in maščuj me nad preganjalci mojimi! Ko si jim potrpežljiv, ne iztrebi me: spoznaj, da nosim sramoto zaradi tebe.
15Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa.
16Ko so prišle besede tvoje, sem jih sprejel, in bila mi je beseda tvoja v veselje in radost srca mojega, kajti kličem se po imenu tvojem, o GOSPOD, Bog vojnih krdel.
16Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.
17Nisem sedel v družbi šaljivcev in se radoval; zavoljo roke tvoje sem sedel samoten, ker si me napolnil z nevoljo.
17Izaho tsy nipetraka na nifaly teo amin'ny fivorian'ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan'ny tananao ahy, fa nofenoinao fahatezerana aho.
18Zakaj je bolečina moja večna in rana moja smrtna? noče se zaceliti. Mi li boš res podoben prevarljivemu studencu, nestanovitnim vodam?
18Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako, ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?
19Zato pravi tako GOSPOD: Ako se preobrneš, te pripeljem nazaj, da bi stal pred menoj; in ako ločiš drago stvar od malovredne, bodeš kakor usta moja: obrniti se morajo oni k tebi, ne pa se ti obrniti k njim.
19Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,[Heb. hampivereniko]
20In napravim te temu ljudstvu za bronast zid pretrden, in borili se bodo zoper tebe, a ne zmorejo te, zakaj jaz sem s teboj, da ti pomagam in te rešujem, govori GOSPOD.In otmem te iz roke hudobnih in rešim te iz pesti silovitnežev.
20Ary hataoko manda varahina mirova ho amin'ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah;Ary hanafaka anao amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpampahory.
21In otmem te iz roke hudobnih in rešim te iz pesti silovitnežev.
21Ary hanafaka anao amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpampahory.