1In prišla mi je beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Ny nasain'Andriamanitra nataon'i Jeremia ny amin'ny loza hampijaliana ny Joda] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
2Ne jemlji si žene in ne imej sinov ali hčer v tem kraju.
2Aza manam-bady ianao, ary aoka tsy hanan-janakalahy na zanakavavy amin'ity tany ity.
3Kajti tako pravi GOSPOD o sinovih in hčerah, rojenih v tem kraju, in o njih materah, ki jih rodé, in o njih očetih, ki so jih rodili v tej deželi:
3Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay teraka amin'ity tany ity sy ny amin'ny reniny izay niteraka azy ary ny amin'ny rainy izay niteraka azy amin'ity tany ity koa:
4Za najhujšimi boleznimi bodo umrli, ne bode joka po njih in pokopani ne bodo; za gnoj bodo na površju zemlje; in od meča in glada bodo padali in njih trupla bodo za jed pticam pod nebom in zverem zemeljskim.
4Ho fatin'ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin'ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
5Kajti tako pravi GOSPOD: Ne stopaj v hišo žalosti in ne hodi jokat in ne miluj jih; kajti vzel sem nazaj svoj mir od tega ljudstva, govori GOSPOD, blagovoljnost in usmiljenje.
5Fa izao no lazain'i Jehovah: Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin'ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.
6I veliki i mali bodo pomrli v tej deželi; ne bodo jih pokopali in jokali se ne bodo za njimi, ne bodo si delali vrezkov, ne pleše zanje;
6Ho faty na ny lehibe na ny kely amin'ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, na hitetehan'ny sasany tena, na hiboriany;
7in ne bodo jim delili kruha ob žalovanju, da bi potolažili koga za umrlega, in piti jim ne bodo dajali iz čaše tolažbe za očeta ali za mater katerega izmed njih.
7Ary tsy hisy hamahan-kanina azy amin'ny fisaonany, mba hampionona azy ny amin'ny maty; Ary tsy hisy hampisotro azy amin'ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny reniny;
8Tudi v hišo pojedine ne hodi, da bi sedel med njimi, da bi jedel in da bi pil.
8Ary aza miditra ao amin'ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro.
9Zakaj tako pravi GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov: Glej, jaz storim, da pojde iz tega kraja pred vašimi očmi in v vaših dneh glas veselja in radosti glas, glas ženina in glas neveste.
9Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin'ity tany ity eo imasonareo sy amin'ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina.
10In ko naznaniš temu ljudstvu vse te besede, če ti poreko: Zakaj je izgovoril GOSPOD zoper nas vso tisto preveliko nesrečo? in kaka je krivica naša ali kakšen je greh naš, s katerim smo grešili zoper GOSPODA, Boga našega?
10Ary raha ambaranao amin'ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin'i Jehovah Andriamanitray?
11tedaj jim reci: Zato ker so me zapustili očetje vaši, govori GOSPOD, in so hodili za tujimi bogovi ter jih častili in se jim klanjali; mene pa so zapustili in niso držali postave moje.
11dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, sy ny nanarahany andriamani-kafa sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalàko.
12Vi pa ste delali huje kakor očetje vaši; kajti glej, vsak hodi po trmi hudobnega srca svojega, tako da ne poslušate mene.
12Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! ianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy;
13Zato vas vržem ven iz te dežele v deželo, ki je niste poznali ne vi, ne očetje vaši, in tam boste služili tujim bogovom noč in dan, ker vam ne dam milosti.
13Ka dia horoahiko hiala amin'ity tany ity ianareo ho any amin'ny tany tsy fantatrareo na ny razanareo; Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman'alina, satria tsy hamindra fo aminareo Aho.
14Zatorej, glej, pridejo dnevi, govori GOSPOD, ko se ne bo več reklo: Kakor resnično živi GOSPOD, ki je izpeljal Izraelce iz dežele Egiptovske,
14Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
15ampak: Kakor resnično živi GOSPOD, ki je izpeljal Izraelce iz dežele severne in iz vseh krajev, kamor jih je bil izgnal. In jih bom pripeljal nazaj v njih deželo, katero sem bil dal njih očetom.
15Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahany azy; Fa hampodiko ho amin'ny tany izay nomeko ny razany izy.
16Glej, jaz pošljem k mnogim ribičem, govori GOSPOD, da jih bodo lovili kakor ribe; in nato pošljem k mnogim lovcem, da jih bodo lovili z vsake gore in z vsakega hriba, tudi iz skalnih lukenj.
16Indro, Izaho haniraka mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.
17Kajti moje oči gledajo na vse njih poti, niso skrite obličju mojemu, tudi njih krivica ni prikrita mojim očem.
17Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, ka tsy miafina amin'ny tavako izany, ary tsy takona amin'ny masoko ny helony.
18Ali poprej poplačam dvojno njih krivico in njih greh, zato ker so oskrunili deželo mojo s trupli svojih ostudnih stvari in so z gnusobami napolnili dediščino mojo.
18Alohan'izany anefa dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko, dia ny namenoany ny lovako tamin'ireo fatin'ny sampiny sy fahavetavetany ireo.[Heb. fahavetavetany]
19O GOSPOD, moč moja in grad moj in pribežališče moje v dan stiske! K tebi pridejo narodi od koncev zemlje in poreko: Samo laž so podedovali očetje naši, ničemurnost in kar nič ne koristi.
19Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin'ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin'ny faran'ny tany dia hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan'ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.
20Kako si more človek delati bogove, ki vendar niso bogovi?Zato, glej, jim pokažem, takrat jim pokažem roko svojo in svojo moč, in spoznajo, da je ime moje Jehova.
20Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.
21Zato, glej, jim pokažem, takrat jim pokažem roko svojo in svojo moč, in spoznajo, da je ime moje Jehova.
21Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.