1Ko je pa Pashur, Imerjev sin, duhovnik, ki je bil višji glavar v hiši GOSPODOVI, slišal Jeremija, prorokujočega te besede,
1Ary Pasora, zanak'i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, raha nandre an'i Jeremia naminany izany zavatra izany,
2udari Pashur Jeremija proroka in ga dene v klado, ki je bila v zgornjih vratih Benjaminovih pri hiši GOSPODOVI.
2dia namely an'i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin'ny boloky hazo izay teo am-bavahadin'i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan'ny tranon'i Jehovah.
3Bilo je pa drugi dan, ko je bil Pashur Jeremija potegnil iz klade, da mu reče Jeremija: Ne Pashur kliče GOSPOD ime tvoje, ampak Magor misabib [T. j. strah od vseh strani.].
3Ary nony ampitso, dia nesorin'i Pasora tamin'ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy nataon'i Jehovah hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-misabiba.[Pasora = fiadanana manodidina(?)][Magora-misabiba = Fampangorohoroana manodidina]
4Kajti tako pravi GOSPOD: Glej, jaz te hočem navdati s strahom, tebe in vse prijatelje tvoje; in zgrudijo se od meča sovražnikov svojih, in tvoje oči bodo videle to; in izdam vsega Judo v roko kralja babilonskega, ki jih ujete odpelje v Babilon in jih udari z mečem.
4Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an'ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon'ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan'ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin'ny sabatra.
5Dam tudi vse bogastvo tega mesta in ves pridelek njegov in karkoli ima dragega, sploh vse zaklade kraljev Judovih izdam v roko njih sovražnikov: in jih oplenijo in ujemó in jih odpeljejo v Babilon.
5Ary ny harena rehetra amin'ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan'ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.
6Tudi ti, Pashur, in vsi domačini tvoji pojdete v sužnost; in prideš v Babilon in tam umreš, in ondi boš pokopan ti in vsi prijatelji tvoji, ki si jim prorokoval lažnivo.
6Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babylona ianao, ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin'ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
7Pregovarjal si me, GOSPOD, in dal sem se pregovoriti; močnejši si od mene, zato si zmagal. V posmeh sem ves dan, vsak me zasmehuje.
7[Ny fitarainana nataon'i Jeremia] Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.
8Kajti kadarkoli izpregovorim, moram vpiti, ‚Silovitost in razdejanje‘ kričati; tako mi je beseda GOSPODOVA v sramoto in v zasmeh ves dan.
8Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin'i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan'andro.
9Ko pa rečem: Ne bom Ga omenjal, ne govori več v imenu Njegovem, tedaj je to srcu mojemu kakor goreč ogenj, zaprt v mojih kosteh, in pešam od prenašanja in strpeti ne morem več.
9Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin'ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako; Ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.
10Kajti slišal sem pregrešni govor mnogih, strašenje od vseh strani: „Ovadite, pa ga ovadimo!“ Vsi zaupni prijatelji moji strežejo na padec moj, govoreč: „Morda se da pregovoriti in ga zmagamo, in maščevali se bomo nad njim!“
10Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.
11Ali GOSPOD je z menoj, podoben junaku strašnemu, zato se bodo oni, ki me preganjajo, spoteknili in ne zmagali; sram jih bode silno, ker se jim ne posreči; večna njih sramota se ne bo mogla pozabiti.
11Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany![Na: tsy ambinina]
12Torej, GOSPOD nad vojskami, ki izkušaš pravičnega, pregleduješ obisti in srce, vidim naj maščevanje tvoje nad njimi, ker sem tebi razodel pravdo svojo.
12Fa Hianao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
13Prepevajte GOSPODU, hvalite GOSPODA, ker je otel dušo siromakovo iz roke hudobnikov!
13Mihirà ho an'i Jehovah, miderà an'i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin'ny malahelo tamin'ny tanan'ny mpanao ratsy.
14Proklet dan, ko sem se rodil; dan, ko me je povila mati moja, ne bodi blagoslovljen!
14Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahina anie ny andro izay niterahan'ineny ahy!
15Proklet tisti mož, ki je sporočil očetu mojemu, rekoč: Rodil se ti je sin, in silno ga je razveselil!
15Ho voaozona anie ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin'ikaky nanao hoe: Tera-dahy ianao! Ka nahafaly azy indrindra.
16In tisti mož bodi podoben mestom, ki jih je razdejal GOSPOD, in ni se kesal, in sliši naj zjutraj vpitje in bojno kričanje v času opoldanskem:
16Aoka Izany lehilahy izany ho toy ny tanàna izay noravan'i Jehovah ka tsy nanenenany; Ary aoka izy handre fitarainana nony maraina sy akoralava nony mitataovovonana,
17ker me ni usmrtil že v maternici; in bila bi mati moja moj grob in nje maternica vedno noseča!Zakaj sem prišel iz maternice, da bi videl preglavico in žalost in bi v sramoti ginili dnevi moji?
17Satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy, hahatonga an'Ineny ho fasako, ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany aman-kenatra ny androko!
18Zakaj sem prišel iz maternice, da bi videl preglavico in žalost in bi v sramoti ginili dnevi moji?
18Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany aman-kenatra ny androko!