Slovenian

Malagasy

Jeremiah

21

1Beseda, ki je prišla Jeremiju od GOSPODA, ko je k njemu poslal kralj Zedekija Pashurja, Malkijevega sina, in Zefanija, Maasejevega sina, duhovnika, da naj rečeta:
1[Ny amin'ny hahafahan'ny Kaldeana an'i Jerosalema] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an'i Pasora, zanak'i Malkia, sy Zefania, zanak'i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe:
2Poprašaj, prosim, za nas GOSPODA, ker se Nebukadnezar, kralj babilonski, vojskuje zoper nas; morebiti stori GOSPOD z nami po vseh čudovitih delih svojih, da pojde on od nas.
2Masìna ianao, manontania amin'i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan'ireo aminay.
3Rekel pa jima je Jeremija: Tako recita Zedekiju:
3Dia hoy Jeremia taminy: Lazaonareo amin'i Zedekia hoe:
4Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Glej, jaz obrnem nazaj vojno orožje, ki je v vaših rokah, ki se ž njim bojujete zoper kralja babilonskega in zoper Kaldejce, ki vas oblegajo zunaj zida, in ga skupim sredi tega mesta.
4Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan'ny manda amin'ny mpanjakan'i Babylona sy amin'ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan'ity tanàna ity ireo.
5In sam se bom bojeval z vami z iztegnjeno roko in z močno ramo, in to z jezo in srdom in s togoto veliko.
5Ary Izaho no hiady aminareo amin'ny tanana ahinjitra sy amin'ny sandry mahery ary amin'ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.
6In udarim prebivalce tega mesta, ljudi in živino; od kuge velike bodo mrli.
6Ary hamely ny mponina amin'ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin'ny aretim-be mandringana izy.
7Potem pa, govori GOSPOD, izdam Zedekija, kralja Judovega, in hlapce njegove in ljudstvo, kar ga namreč preostane v tem mestu od kuge, od meča in od glada, v roko Nebukadnezarja, kralja babilonskega, in v roko njih sovražnikov in v roko onih, ki jim strežejo po življenju; in on jih udari z ostrino meča, ne bo jim prizanašal in milosti ne bo poznal in usmiljenja.
7Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin'ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin'ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin'ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
8Temu ljudstvu pa reci: Tako pravi GOSPOD: Glejte, jaz vam predlagam pot življenja in pot smrti.
8Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana:
9Kdor ostane v tem mestu, umre od meča ali glada ali kuge; kdor pa pojde ven in uskoči h Kaldejcem, ki vas oblegajo, bo živel in življenje njegovo mu bode namesto plena.
9Izay mbola mitoetra eto amin'ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.
10Kajti obrnil sem srdito obličje svoje proti temu mestu v hudo in ne v dobro, govori GOSPOD; v roko kralja babilonskega bo izdano, in ga sežge z ognjem. –
10Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity ka hodoroany amin'ny afo.
11Kar se pa tiče hiše kralja Judovega, poslušajte besedo Gospodovo:
11Ary henoy ny tenin'i Jehovah ny amin'ny taranaky ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny.
12O hiša Davidova, tako pravi GOSPOD: Delajte vsako jutro pravico in otmite ga, ki trpi ropanje, iz roke zatiralca, da ne šine kakor ogenj srd moj in gorí neugasno zavoljo hudobe vaših dejanj.
12Ry taranak'i Davida, izao no lazain'i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian'ny ataonareo.
13Glej, jaz sem zoper tebe, o prebivalka v dolini in na skali tiste ravnine, govori GOSPOD, zoper vas, ki govorite: Kdo pride doli proti nam? ali kdo stopi v prebivališča naša?In pokoril vas bom po sadu vaših dejanj, govori GOSPOD; in zanetim ogenj v gozdu njenem, ki pokonča vse, kar stoji okoli nje.
13Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin'ny vatolampy amin'ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin'ny fonenanay?Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin'ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
14In pokoril vas bom po sadu vaših dejanj, govori GOSPOD; in zanetim ogenj v gozdu njenem, ki pokonča vse, kar stoji okoli nje.
14Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin'ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.