Slovenian

Malagasy

Jeremiah

23

1Gorje pastirjem, ki pogubljajo in raztresajo ovce paše moje, govori GOSPOD.
1[Faminaniana ny amin'ny mpiandry tsara, indrindra fa ny Rantsan'i Davida] Lozan'ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah
2Zatorej pravi tako GOSPOD, Bog Izraelov, zoper tiste pastirje, ki paso ljudstvo moje: Vi raztresate ovce moje in jih razganjate, pa jih ne obiskujete; glej, jaz bom kaznoval nad vami hudobnost vaših dejanj, govori GOSPOD.
2Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian'ny ataonareo, hoe Jehovah
3Jaz zberem ostanek svojih ovac iz vseh krajev, kamor sem jih razkropil, in jih pripeljem nazaj v njih stajo, in se bodo plodile in množile.
3Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin'ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
4In jim postavim pastirje, ki jih bodo pasli; in ne bodo se več bale, ne plašile, in nobene več ne bodo pogrešili, govori GOSPOD.
4Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
5Glej, dnevi pridejo, govori GOSPOD, ko zbudim Davidu Odraslek pravičen; in bo vladal kot kralj, srečo bo imel in delal pravo in pravičnost v deželi.
5Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an'i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany.[Na: Solofo]
6V dnevih njegovih bo rešen Juda, in Izrael bo na varnem prebival; in to je ime njegovo, s katerim ga bodo klicali: GOSPOD, pravičnost naša.
6Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
7Zato, glej, pridejo dnevi, govori GOSPOD, ko se ne poreče več: Kakor res živi GOSPOD, ki je peljal Izraela iz dežele Egiptovske,
7Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
8ampak: Kakor živi GOSPOD, ki je izpeljal in pripeljal seme hiše Izraelove iz severne dežele in iz vseh krajev, kamor sem jih bil odgnal! In bodo prebivali v deželi svoji.
8Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak'Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin'ny taniny izy.
9O prorokih. Potrto je srce v meni, drobé se vse kosti moje; sem kakor pijan in podoben možu, ki ga je premagalo vino, zavoljo GOSPODA in zavoljo besed svetosti njegove.
9[Faminaniana ny amin'ny mpaminany sandoka] Ny amin'ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin'i Jehovah sy noho ny teniny masina.
10Kajti prešeštnikov polna je ta dežela, kajti zavoljo prokletstva žaluje ta dežela, suhi so pašniki v puščavi; in njih tek je hudoben in njih moč krivična.
10Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon'ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.[Heb. lalan']
11Ker prorok in duhovnik sta enako skrunilca svetega; celo v hiši svoji sem našel njiju hudobnost, govori GOSPOD.
11Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.[Na: ratsy fanahy]
12Zato jim bode njih pot kakor prepolzki kraji v temi, zadenejo se na njem in padejo; zakaj pošljem nesrečo zoper nje, leto njih obiskovanja, govori GOSPOD.
12Koa dia ho toy ny lala-malama amin'ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin'ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
13Pri prorokih samarijskih vidim nespamet: prorokovali so po Baalu in zapeljevali ljudstvo moje Izraela.
13Ary tamin'ny mpaminanin'i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin'i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko,
14Ali na prorokih jeruzalemskih vidim strahovito reč: prešeštvujejo in hodijo v lažnivosti in potrjujejo roke hudodelcem, da se ne povrne nobeden od hudobnosti svoje; vsi tisti so mi kakor Sodoma in prebivalci njegovi kakor Gomora.
14Ary tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora.
15Zatorej pravi tako GOSPOD nad vojskami o tistih prorokih: Glej, jaz jih bodem sitil s pelinom in jih napajal s sokom trobeličnim; ker od prorokov jeruzalemskih je šla skrunitev svetega po vsej deželi.
15Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany rehetra.
16Tako pravi GOSPOD nad vojskami: Ne poslušajte besed tistih prorokov, ki vam prorokujejo; ničermurnosti vas učijo, svojega srca prikazen vam govore, ne iz ust GOSPODOVIH.
16Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah.
17Govoré neprenehoma njim, ki me zametajo: Rekel je GOSPOD: mir vam bode; in vsakemu, ki hodi po trmi svojega srca, govoré: Ne pride nesreča nad vas.
17Milaza mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
18Kajti kdo je stal v svetu GOSPODOVEM in je videl ali čul besedo njegovo? Kdo je pazil na besedo njegovo in jo slišal?
18Fa iza moa no efa isan'ny mpihevitra teo amin'i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?
19Glej, vihar GOSPODOV, iz srda njegovega, je prihrumel, vrtinčast vihar: zgrne se nad glavo brezbožnih.
19He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.
20Ne odvrne se jeza GOSPODOVA, dokler ne izpolni in dokler ne izvrši misli srca svojega. V poslednjih dnevih boste to jasno razumeli.
20Ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
21Nisem pošiljal tistih prorokov, sami so tekali; nisem jim govoril, sami so prorokovali.
21Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy.
22Ko bi bili pa stali v svetu mojem, bi bili oznanjali ljudstvu mojemu besede moje in jih odvrnili ž njih hudobnega pota in od hudobnosti njih dejanj. –
22Fa raha isan'ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin'ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin'ny lalany ratsy sy tamin'ny faharatsian'ny nataony.
23Ali sem jaz Bog le od blizu, govori GOSPOD, ne tudi Bog v daljavi?
23Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
24Ali se more kdo skriti v zakotju, da bi ga ne videl jaz? govori GOSPOD. Ali nisem jaz, ki polnim nebesa in zemljo? govori GOSPOD.
24Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
25Slišal sem, kaj govore tisti proroki, ki prorokujejo laži v imenu mojem in pravijo: Sanjalo se mi je, sanjalo!
25Efa reko ny nolazain'ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin'ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
26Doklej neki bode to v srcu tistih prorokov, ki prorokujejo laži, ki prorokujejo prevare srca svojega?
26Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon'ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va?
27ki nameravajo storiti, da ljudstvo moje pozabi moje ime, s sanjami svojimi, ki jih pripovedujejo drug drugemu, prav kakor so njih očetje pozabili ime moje zavoljo Baala.
27Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin'ny nofiny izay lazainy amin'ny namany avy, toy ny nanadinoan'ny razany ny anarako noho ny amin'i Bala?
28Prorok, ki ima sanje, naj pripoveduje sanje; in kdor ima besedo mojo, naj govori besedo mojo v resnici. Kaj tista slama s pšenico? govori GOSPOD.
28Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary? hoy Jehovah.
29Ni li beseda moja kakor ogenj, govori GOSPOD, in kakor kladivo, ki raztrupa skalo?
29Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
30Zatorej, glej, jaz sem zoper tiste proroke, govori GOSPOD, ki kradejo besede moje drug drugemu.
30Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin'ny namany avy.
31Glej, jaz sem zoper proroke, govori GOSPOD, ki rabijo svoj jezik in pravijo: Govor Božji je.
31Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
32Glej, jaz sem zoper nje, ki prorokujejo sanje lažnive, govori GOSPOD, ki jih pripovedujejo in zapeljujejo ljudstvo moje s svojimi lažmi in z bahanjem svojim; jaz pa jih vendar nisem poslal in jim nisem zapovedal, in ne koristijo temu ljudstvu nikakor, govori GOSPOD.
32Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
33Ko te bo torej vprašalo to ljudstvo ali kak prorok ali duhovnik, rekoč: Kaj je breme [Hebrejska beseda pomeni dvoje: „breme“ in „prorokovanje“.] GOSPODOVO? tedaj jim povej: Vi ste breme, in: Zavržem vas, govori GOSPOD.
33Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.[Na: faminaniana ny loza]
34Zastran proroka in duhovnika in ljudstva, ki poreče: Breme GOSPODOVO –: kaznoval bom tistega moža in hišo njegovo.
34Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany.
35Takole bi morali govoriti vsak svojemu prijatelju in vsak svojemu bratu: Kaj je odgovoril GOSPOD? in: Kaj je rekel GOSPOD?
35Samia manontany amin'ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin'i Jehovah? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?
36„Bremena GOSPODOVEGA“ pa ne omenjajte več; kajti breme bode vsakemu njegova lastna beseda, ker preobračate besede živega Boga, GOSPODA nad vojskami, našega Boga.
36Fa ny hoe: Ny entan'i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin'ny olona avy ihany no ho entan'ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin'Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitsika.
37Tako reci proroku: Kaj ti je odgovoril GOSPOD? in: Kaj je rekel GOSPOD?
37Izao no hanontanianareo amin'ny mpaminany; Ahoana no navalin'i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?[Heb. hanontanianao]
38Toda ker pravite „Breme GOSPODOVO“, zato pravi GOSPOD: Ker rabite tisto besedo „Breme GOSPODOVO“, dasi sem poslal k vam sporočat: Ne govorite: „Breme GOSPODOVO“:
38Fa raha hoy ianareo: Entan'i Jehovah, Dia izao no lazain'i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan'i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan'i Jehovah,
39zatorej, glejte, vas zapustim docela in zavržem vas in mesto, katero sem dal vam in očetom vašim, izpred obličja svojega;in naložim vam večno sramoto in večno nečast, ki se ne bo mogla pozabiti.
39Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin'ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.
40in naložim vam večno sramoto in večno nečast, ki se ne bo mogla pozabiti.
40Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.