Slovenian

Malagasy

Jeremiah

24

1Videti mi je dal GOSPOD – in glej: dva koša smokev, postavljena pred tempelj GOSPODOV, potem ko je bil Nebukadnezar, kralj babilonski, odpeljal v ujetništvo Jekonija, sina Jojakima, kralja Judovega, in kneze Judove in rokodelce in kovače iz Jeruzalema in jih pripeljal v Babilon.
1[Ny amin'ny aviavy roa sobiky] Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan'ny tempolin'i Jehovah, taorian'ny nitondran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.
2V enem košu so bile prav dobre smokve, kakršne so zgodnje smokve, v košu drugem pa so bile smokve prav slabe, ki jih ni moči jesti, tako so bile slabe.
2Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.
3In GOSPOD mi reče: Kaj vidiš Jeremija? In rečem: Smokve; dobre smokve so prav dobre, slabe pa so prav slabe, da jih ni moči jesti, tako so slabe.
3Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy izaho: Aviavy; koa ny tsara moa dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny haratsiny.
4Tedaj pride beseda GOSPODOVA k meni, govoreč:
4Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Kakor tiste dobre smokve, tako bom spoznal ujetnike Judove, ki sem jih poslal iz tega kraja v deželo Kaldejsko, na dobro.
5Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin'ity tany ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
6Ker obrniti hočem svoje oči nanje v njih dobro, in jih nazaj pripeljem v to deželo, in jih bom zidal in ne podiral, in sadil jih bom, ne roval.
6Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.
7In dal jim bom srce, da me spoznajo, da sem GOSPOD, in bodo mi ljudstvo in jaz jim bodem Bog, ko se povrnejo k meni iz vsega srca svojega.
7Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.
8Kakor pa tiste slabe smokve, ki jih ni moči jesti, ker so tako slabe: res, tako pravi GOSPOD, tako izpostavim Zedekija, kralja Judovega, in kneze njegove in ostanek Jeruzalemov, kar jih je ostalo v tej deželi in kar jih prebiva v deželi Egiptovski.
8Ary ny amin'ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain'i Jehovah: Toy izany no hanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin'ity tany ity sy izay mitoetra any amin'ny tany Egypta,
9Izpostavim jih, pravim, pestenju, nesreči po vseh kraljestvih zemlje, da bodo v sramoto in pregovor, v zasmehovanje in preklinjane v vseh krajih, kamor jih odženem.In pošljem nadnje meč, lakoto in kugo, dokler ne poginejo iz dežele, ki sem jo bil dal njim in njih očetom.
9eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin'ny tany rehetra izay handroahako azy.[Na: ho fampangovitana]Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy sy ny razany.
10In pošljem nadnje meč, lakoto in kugo, dokler ne poginejo iz dežele, ki sem jo bil dal njim in njih očetom.
10Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy sy ny razany.