1Beseda, ki je prišla Jeremiju zoper vse ljudstvo Judovo v četrtem letu Jojakima, sinú Josijevega, kralja Judovega, ki je bilo prvo leto Nebukadnezarja, kralja babilonskega,
1[Ny handravan'i Babylona ny Joda sy ny firenena manodidina, ary ny loza hanelezana an'i Babylona sy ny firenena hafa rehetra] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny Joda rehetra tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona
2katero je govoril prorok Jeremiju vsemu ljudstvu Judovemu in vsem prebivalcem jeruzalemskim, rekoč:
2dia izay nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'ny Joda rehetra sy tamin'ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe:
3Od trinajstega leta Josija, sinu Amonovega, kralja Judovega, do tega dne, to je triindvajset let, je govoril GOSPOD k meni, in govoril sem vam od ranega jutra in neprenehoma, pa niste poslušali.
3Hatramin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.
4Pošiljal je tudi GOSPOD k vam vse hlapce svoje, proroke, od ranega jutra in neprenehoma, pa niste poslušali in še ušesa svojega niste nagnili, da bi poslušali.
4Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:
5In je govoril: Povrnite se vendar vsak s svojega hudobnega pota in od hudobnosti dejanj svojih, in ostanete v deželi, ki vam jo je podelil GOSPOD in očetom vašim, od veka do veka;
5Samia miala amin'ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.
6in ne hodite za tujimi bogovi, da bi jih častili in se jim klanjali, in ne dražite me z delom svojih rok, in ne storim vam hudega.
6Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin'ny asan'ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
7Ali niste me poslušali, govori GOSPOD, da bi me dražili z delom svojih rok, sebi v nesrečo.
7Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin'ny asan'ny tananareo hahitanareo loza.
8Zatorej pravi tako GOSPOD nad vojskami: Zato ker niste poslušali besed mojih,
8Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,
9glejte, pošljem in zberem vse severne rodovine, govori GOSPOD, pošljem tudi k Nebukadnezarju, kralju babilonskemu, in jih pripeljem zoper to deželo in zoper prebivalce njene in zoper vse te okolne narode; in jih s prokletjem pokončam in jih dam v strmenje in posmehovanje in razdejanje brez konca.
9dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin'ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.[Heb. hataoko herema]
10In storim, da izgine izmed njih glas veselja in radosti glas, glas ženina in glas neveste, ropot mlinov in svetilnice luč.
10Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.
11In vsa ta dežela bo razdejana in opustošena, in ti narodi bodo služili kralju babilonskemu sedemdeset let.
11Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.
12In zgodi se, ko se izpolni sedemdeset let, da bom kaznoval kralja babilonskega in oni narod, govori GOSPOD, za njih krivičnost, tudi deželo Kaldejsko, in jo premenim v puščavo večno.
12Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin'ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.
13In nad ono deželo izpolnim vse besede svoje, ki sem jih govoril zoper njo; karkoli je pisano v tej knjigi, kar je prorokoval Jeremija zoper vse narode.
13Ary hotoviko amin'izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin'ity boky ity, izay novinanin'i Jeremia hamely ny firenena rehetra.
14Kajti tudi nje bodo zasužnjili mnogi narodi in veliki kralji; tedaj jim povrnem po njih delih in po tem, kar so storile njih roke.
14Fa ireo kosa indray dia hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tànany avy izy.
15Kajti tako mi je rekel GOSPOD, Bog Izraelov: Vzemi to čašo vina srdú iz roke moje ter jo daj piti vsem narodom, h katerim te pošiljam,
15Fa izao no nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
16da naj pijo in tavajo in divjajo, zavoljo meča, ki ga jaz pošljem mednje.
16Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.
17Torej sem vzel čašo iz roke GOSPODOVE in jo dal piti vsem tistim narodom, h katerim me je poslal GOSPOD:
17Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan'i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay nanirahan'i Jehovah ahy,
18Jeruzalemu in mestom Judovim in njih kraljem in njih knezom, izdavši jih v opustošenje, strmenje, zasmehovanje in preklinjanje, kakor je današnji dan;
18dia Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin'izao anio izao;
19Faraonu, kralju egiptovskemu, in hlapcem njegovim in knezom njegovim in vsemu njegovemu ljudstvu,
19ary Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoakany rehetra,
20in vsej tisti mešanici in vsem kraljem v deželi Uzovi in vsem kraljem v deželi Filistejcev, Askelonu in Gazi in Ekronu in ostanku v Asdodu,
20ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tanin'ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;
21Edomu in Moabu in sinom Amonovim,
21ary Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona,
22in vsem kraljem tirskim in vsem kraljem sidonskim in kraljem na otokih, ki so onkraj morja,
22ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan'ny nosy any an-dafin'ny ranomasina;[Na: amoron-tsiraka]
23Dedanu in Temi in Buzu in vsem ob strani glave ostriženim,
23ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,
24in vsem kraljem arabskim in vsem kraljem mešanega ljudstva, ki prebiva v puščavi,
24ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;
25in vsem kraljem v Zimri in vsem kraljem v Elamu in vsem kraljem medskim,
25ary ny mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any Media,
26in vsem kraljem na severu, bližnjim in daljnim, zaporedoma, in vsem kraljestvom sveta, kar jih je na površju zemlje; in kralj v Šešaku [T. j. Babel.] bo pil za njimi.
26ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, izay etỳ ambonin'ny tany; ary ny mpanjakan'i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.[Sesaka = Babela]
27In porečeš jim: Tako pravi GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov: Pijte in upijanite se; tudi bljujte in padite tako, da ne vstanete več, zavoljo meča, ki ga jaz pošljem med vas.
27Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
28Ako se pa bodo branili prejeti čašo iz roke tvoje, da pijo, jim reci: Tako pravi GOSPOD nad vojskami: Vsekakor boste pili.
28Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.
29Kajti glejte, v tistem mestu, ki se kliče po mojem imenu, sem jaz začel tepsti z nesrečami, in vi bi bili čisto brez kazni? Ne bodete brez kazni, kajti meč pokličem jaz zoper vse prebivalce zemlje, govori GOSPOD nad vojskami.
29Fa, indro, ao amin'ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
30Ti torej jim prorokuj vse tiste besede in jim reci: GOSPOD bo rjovel z višave in iz prebivališča svetosti svoje bo zagnal svoj glas, močno bo rjovel zoper stajo svojo, zažene vpitje, kakršno je mastilcev, zoper vse prebivalce na zemlji.
30Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin'ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin'ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany.
31Šum pride prav do kraja zemlje; zakaj GOSPOD ima prepir z narodi, pravdal se bo z vsem mesom; brezbožnike izroči meču, govori GOSPOD.
31Mihatra amin'ny faran'ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin'ny firenena; Mifandahatra amin'ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an'ny sabatra, hoy Jehovah.
32Tako pravi GOSPOD nad vojskami: Glej, nesreča pojde od naroda do naroda, in silen vihar se vzdigne od skrajnih strani zemeljskih.
32Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin'ny faran'ny tany;
33In ubitih od GOSPODA bo tisti dan ležalo od enega konca zemlje do drugega; ne bo se žalovalo po njih, ne bodo jih pobirali, ne pokopavali; za gnoj bodo na površju zemlje.
33Ary amin'izany andro izany Ny voavonon'i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin'ny faran'ny tany anankiray ka hatramin'ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin'ny tany.
34Tulite, pastirji, in vpijte in valjajte se po pepelu, vi prvaki črede! kajti dopolnjeni so dnevi vaši, da boste poklani; in razkropim vas, ko popadate kakor drage posode.
34Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin'ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.
35In pribežališče premine pastirjem in prilika rešiti se prvakom črede.
35Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin'ny ondry tsy hanam-pahafahana.
36Čuj! vpijte pastirjev in tuljenje prvakov črede; kajti GOSPOD pustoši njih pašnik.
36Injany! misy feo fitarainan'ny mpiandry ondry sy fidradradradran'ny zokiny aminy! Satria efa nosimban'i Jehovah ny saha fiandrasana azy,
37In podero se staje, ki imajo mir, zavoljo srdite jeze GOSPODOVE.Zapustil je kakor mlad lev brlog svoj; kajti njih dežela je postala puščava pod ostrino pokončevalnega meča in od togote jeze Njegove.
37Ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan'ny mpampahory sy noho ny firehetan'ny fahatezerany.
38Zapustil je kakor mlad lev brlog svoj; kajti njih dežela je postala puščava pod ostrino pokončevalnega meča in od togote jeze Njegove.
38Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan'ny mpampahory sy noho ny firehetan'ny fahatezerany.