Slovenian

Malagasy

Jeremiah

34

1Beseda, ki je prišla Jeremiju od GOSPODA, ko se je vojskoval Nebukadnezar, kralj babilonski, in vsa vojska njegova in vsa kraljestva zemlje, ki so bila pod njegovo oblastjo, in vsa ljudstva zoper Jeruzalem in zoper vsa mesta njegova:
1[Faminaniana ny amin'ny hanjo an'i Zedekia, sy fananarana ny olona noho izy nanandevo indray izay efa novotsorany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin'ny tany izay nanjakany mbamin'ny firenena rehetra izay namely an'i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:
2Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Pojdi in govori Zedekiju, kralju Judovemu, in mu reci: Tako pravi GOSPOD: Glej, jaz izročam to mesto v roko kralja babilonskega, da ga požge z ognjem.
2Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka hodorany amin'ny afo izy;
3Ti pa ne ubežiš roki njegovi, ampak ujet boš gotovo in dan v roko njegovo; in oči tvoje bodo gledale kralju babilonskemu v oči, in usta njegova bodo govorila tvojim ustom, in prideš v Babilon!
3ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany; ary ny masonao hahita ny mason'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babylona ianao.
4Vendar čuj besedo GOSPODOVO, Zedekija, kralj Judov! Tako pravi GOSPOD o tebi: Ne umrješ z mečem.
4Nefa henoy ny tenin'i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan'ny Joda. Izao no lazain'i Jehovah ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao.
5V miru umrješ, in kakor so napravili očetom tvojim, prejšnjim kraljem, ki so bili pred teboj, tako napravijo ogenj tebi, in bodo tožili po tebi: Gorje, gospod! Kajti to besedo govorim jaz, veli GOSPOD.
5fa amin'ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko; fa Izaho no efa nilaza izany, hoy Jehovah.
6Tedaj je Jeremija prorok govoril Zedekiju, kralju Judovemu, vse te besede v Jeruzalemu,
6Dia nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda. tany Jerosalema izany teny rehetra izany.
7ko so se krdela kralja babilonskega bojevala zoper Jeruzalem in zoper vsa ostala mesta Judova, zoper Lahis in Azeko, kajti ti sta bili ostali od mest Judovih, mesti utrjeni.
7fony ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona mbola namely an'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin'ny tanànan'ny Joda.
8Beseda, ki je prišla Jeremiju od GOSPODA, potem ko je bil kralj Zedekija sklenil zavezo z vsem ljudstvom v Jeruzalemu, da jim okliče svobodo,
8Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin'ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy,
9da naj oprosti vsak svojega hlapca in vsak svojo deklo, Hebrejca in Hebrejko, da naj ne zahteva nihče več sužnosti od Juda, brata svojega.
9mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.
10In poslušali so vsi knezi in vse ljudstvo, ki je stopilo v zavezo, da naj odpusti v prostost vsak svojega hlapca in vsak svojo deklo, da naj ne zahteva več sužnosti od njih. Poslušali so, pravim, in jih odpustili.
10Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.
11Zopet pa so pozneje nazaj vzeli tiste hlapce in dekle, ki so jih bili odpustili, in jih prisilili za hlapce in za dekle.
11Kanjo taorian'izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
12Prišla je torej beseda GOSPODOVA Jeremiju od GOSPODA, govoreč:
12Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
13Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Jaz sem bil sklenil zavezo z očeti vašimi tisti dan, ko sem jih izpeljal iz dežele Egiptovske, iz hiše sužnjev, in rekel sem:
13Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin'ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta hiala tamin'ny trano nahandevozana nanao hoe:
14Konec sedmih let odpustite vsak svojega brata Hebrejca, ki se ti je prodal; potem ko ti je služil šest let, odpusti ga prostega od sebe. Ali niso me poslušali očetje vaši in niso nagnili ušesa svojega.
14Isam-pito taona samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka nanongilana ny sofiny.
15Vi ste se res povrnili danes in storili, kar se vidi pravo v očeh mojih: oklicali ste svobodo vsak svojemu bližnjiku in ste sklenili zavezo vpričo mene v hiši, ki se kliče po mojem imenu.
15Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
16Ali zopet ste se odvrnili in oskrunili moje ime, ko ste vzeli nazaj vsak svojega hlapca in vsak svojo deklo, ki ste jih bili odpustili proste po njih želji, in jih silite, da naj vam bodo hlapci in dekle.
16kanjo nivadika indray ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
17Zatorej pravi tako GOSPOD: Niste me poslušali, ko ste oklicali svobodo vsak svojemu bratu in vsak svojemu bližnjiku; glejte, zato jaz oklicujem zoper vas svobodo, govori GOSPOD, meču, kugi in lakoti in vas dam v pestenje vsem kraljestvom na zemlji.
17Koa izao no lazain'i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an'ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an'ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany ianareo.[Na: ho fampangovitana]
18In tiste može, ki so prestopili zavezo mojo, ki niso držali besed zaveze, katero so bili sklenili vpričo mene, storim enake teletu, ki so ga razrezali na dvoje in so šli skozi med telečjima polovicama:
18Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin'ny fanekena, izay nataony teo anatrehako fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan'ny tapany izy,
19kneze Judove in kneze jeruzalemske, dvornike in duhovnike in vse ljudstvo te dežele, ki so šli skozi med polovicama tistega teleta,
19eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan'ny tapaky ny ombilahy kely,
20izdam v roko njih sovražnikov in v pest njim, ki jim strežejo po življenju; in njih trupla bodo v jed pticam nebeškim in živalim zemeljskim.
20dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy, ary ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
21Tudi Zedekija, kralja Judovega, in njegove kneze dam v roko njih sovražnikov in v pest njim, ki jim strežejo po življenju, v roko vojske kralja babilonskega, ki je odšla od vas.Glej, jaz ukažem, govori GOSPOD, in jih pokličem nazaj zoper to mesto, da ga oblegajo in ga vzamejo in požgo z ognjem, in mesta Judova dam v pustošenje, tako da v njih ne bode prebivalca.
21Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy ary eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.
22Glej, jaz ukažem, govori GOSPOD, in jih pokličem nazaj zoper to mesto, da ga oblegajo in ga vzamejo in požgo z ognjem, in mesta Judova dam v pustošenje, tako da v njih ne bode prebivalca.
22Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.