Slovenian

Malagasy

Jeremiah

35

1Beseda, ki je prišla Jeremiju od GOSPODA v dnevih Jojakima, sinu Josijevega, kralja na Judovem, govoreč:
1[Ny amin'ny Rekabita] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia. mpanjakan'ny Joda, nanao hoe:
2Pojdi k družini Rehabovcev in govori ž njimi in jih pripelji v hišo GOSPODOVO v kateri hram in jim daj priti vina.
2Mankanesa any amin'ny taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i Jehovah, ao amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
3Vzamem torej Jazanija, sinu Jeremija, sinu Habazinijevega, in brate njegove in vse sine njegove in vso družino Rehabovcev
3Dia nalaiko Jazania, zanak'i Jeremia, zanak'i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin'ny taranak'i Rekaba rehetra,
4in jih privedem v hišo GOSPODOVO v hram sinov Hanana, sinu Jigdalija, moža Božjega, ki je blizu hrama knezov, ta pa nad hramom Maaseja, sinu Salumovega, ki je bil čuvaj vrat.
4ka nampidiriko ho ao amin'ny tranon'i Jehovah izy, dia tao amin'ny efi-tranon'ny taranak'i Hanana zanak'i Jigdalia, lehilahin'Andriamanitra, izay ao anilan'ny efi-tranon'ny mpanapaka, ao ambonin'ny efi-tranon'i Mahaseia, zanak'i Saloma, mpiandry varavarana.
5In ko sem postavil pred sinove družine Rehabovcev kupe polne vina in čaše, jim rečem: Pijte vino!
5Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan'ny taranak'i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo.
6Oni pa reko: Ne pijemo vina, kajti Jonadab, sin Rehabov, naš oče, nam je zapovedal, rekoč: Ne pijte vina, ne vi, ne otroci vaši, nikdar;
6Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;
7in hiše ne zidajte in semena ne sejte in vinograda ne sadite in ga v lasti ne imejte, temuč v šatorih prebivajte vse svoje dni, da boste mnogo dni živeli v deželi, kjer ste tujci.
7ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory, fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin'ny tany izay ivahinianareo.
8In poslušali smo glas Jonadaba, sinu Rehabovega, očeta svojega v vsem, kar nam je zapovedal: da ne pijemo vina vse svoje dni, mi, žene naše, sinovi naši in hčere naše,
8Dia nankatoavinay izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany tamin'izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
9in ne zidajmo hiš v domovanje svoje; tudi nimamo vinograda ali polja ali setve,
9ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;
10temuč prebivamo v šatorih in poslušamo in delamo, prav kakor nam je zapovedal Jonadab, naš oče.
10fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay.
11Ko pa je šel Nebukadnezar, kralj babilonski, gori v to deželo, smo rekli: Dejte, pojdimo v Jeruzalem pred vojsko Kaldejcev in pred vojsko Sircev! Tako smo se nastanili v Jeruzalemu.
11Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.
12Tedaj pride beseda GOSPODOVA Jeremiju, rekoč:
12Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
13Tako pravi GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov: Pojdi in reci možem Judovim in prebivalcem jeruzalemskim: Ali ne sprejmete nauka, da bi poslušali besede moje? govori GOSPOD.
13Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? hoy Jehovah.
14Besede Jonadaba, sinú Rehabovega, ki je ž njimi prepovedal otrokom svojim, naj ne pijo vina, se izpolnjujejo; kajti niso pili do tega dne, ker poslušajo zapoved očeta svojega. Jaz pa sem vam govoril od ranega jutra in neprenehoma, a niste me poslušali.
14To ny tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka androany, fa mahatana ny hafa-drazany, ary Izaho efa niteny taminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino ianareo.
15In pošiljal sem k vam vse hlapce svoje, proroke, od ranega jutra in neprenehoma, govoreč: Povrnite se vendar s hudobnega pota svojega in dobra naredite dejanja svoja in ne hodite za tujimi bogovi, da bi jih častili, tako ostanete v tej deželi, ki sem jo izročil vam in očetom vašim: toda niste nagnili ušesa svojega in niste me poslušali.
15Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin'ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo. ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin'ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
16Pač izpolnjujejo otroci Jonadaba, sinu Rehabovega, zapoved očeta svojega, ki jim jo je zapovedal; to ljudstvo pa ne posluša mene.
16Eny, nankatoavin'ny zanak'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.
17Zatorej pravi tako GOSPOD, Bog nad vojskami, Bog Izraelov: Glej, jaz pripeljem nad Judo in nad vse prebivalce jeruzalemske vso tisto nesrečo, ki sem jo izgovoril zoper nje; zato ker me niso poslušali, ko sem jim govoril, in niso odgovorili, ko sem jih klical.
17Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro, hataoko mihatra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.
18In družini Rehabovcev je rekel Jeremija: Tako pravi GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov: Ker poslušate zapoved Jonadaba, očeta svojega, in se držite vseh zapovedi njegovih in delate vse, kakor vam je zapovedal,zato pravi GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov: Jonadabu, sinu Rehabovemu, ne bo zmanjkalo moža, ki bo stal pred obličjem mojim, vse čase.
18Ary ny taranak'i Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
19zato pravi GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov: Jonadabu, sinu Rehabovemu, ne bo zmanjkalo moža, ki bo stal pred obličjem mojim, vse čase.
19dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.