1Beseda GOSPODOVA, ki je prišla Jeremiju proroku zoper Filistejce, ko ni bil še Faraon porazil Gaze.
1[Faminaniana ny amin'ny Filistina] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an'i Gaza.
2Tako pravi GOSPOD: Glej, vode derejo sem od severa in naraščajo v preplavljajoč hudournik, da preplavijo deželo in vse, kar je v njej, mesto in nje, ki prebivajo v njem. In vpili bodo ljudje in vsi prebivalci v deželi bodo tulili.
2Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin'izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin'ny tany.
3Od glasu bonenja kopit močnih konj njegovih, od stresavanja voz njegovih, od ropotanja koles njegovih se ne ozro očetje po sinovih svojih, ker jim bodo omahovale roke,
3Noho ny fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon'ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,
4zavoljo tistega dneva, ki pride, da bi bili oplenjeni vsi Filistejci, da bi bil zatrt v Tiru in Sidonu vsak pomočnik, ki še preostaja; kajti GOSPOD opustoši Filistejce, ostanek primorja Kaftorskega.
4Noho ny hihavian'ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin'ny nosy Kaftora.
5Pleša je prišla nad Gazo, uničen je Askelon, ostanek njih doline. Doklej si boš delal vrezke?
5Voaharatra Gaza, ringana Askelona mbamin'ny sisa amin'ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao? [Na: Mangina]
6Gorje! meč GOSPODOV, doklej ne boš počival? Vrni se v nožnico, pokojen bodi in miruj!Kako bi počival? Saj mu je ukazal GOSPOD. Zoper Askelon in zoper morsko obrežje, tja ga je poslal.
6Indrisy ry sabatr'i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.[Heb. Hataonao]
7Kako bi počival? Saj mu je ukazal GOSPOD. Zoper Askelon in zoper morsko obrežje, tja ga je poslal.
7Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.[Heb. Hataonao]