Slovenian

Malagasy

Jeremiah

48

1O Moabu. Tako pravi GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov: Gorje Nebu! kajti opustošeno je. Osramočen, vzet je Kirjataim; osramočena je trdnjava na visočini in zbegana.
1[Faminaniana ny amin'i Moaba] Ny amin'i Moaba. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.[Na: ny fiarovana avo]
2Nobene slave ni Moabu več. V Hesbonu izmišljajo hudo zoper njega: „Pridite in iztrebimo ga, da ne bode več narod!“ Tudi ti, Madmen, boš uničen; meč pojde za teboj.
2Tsy misy ho reharehan'i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.
3Čuj! vpitje od Horonaima: Opustošenje in podrtje veliko!
3Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
4Polomljen je Moab; vpitje zaganjajo otročiči njegovi.
4Rava Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.
5Kajti po klancu ob Luhitu bodo stopali navzgor z neprestanim jokom; zakaj po potu doli v Horonaim se je slišalo vpitje v strahu o razdejanju.
5Fa miakatra mitomany lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
6Bežite, rešite si življenje ter bodite kakor golo drevo v puščavi!
6Mandosira, vonjeo ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra any an-efitra ianareo.[Na: ny anjavidy]
7Kajti zato, ker ti je bilo upanje v delih tvojih in zakladih tvojih, boš tudi ti ujet; ven pojde Kamos [Kamos je bil bog Moabcev.] v pregnanstvo, duhovniki njegovi in knezi njegovi vsi skupaj.
7Fa noho ny nitokianao tamin'ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
8In pride razdejalec zoper vsako mesto, nobeno se ne reši; in dolina bo ugonobljena in ravan pogubljena, kakor je govoril GOSPOD.
8Ary ny mpandringana ho tonga ao amin'ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain'i Jehovah.
9Dajte Moabu peruti, da leteč odide; kajti mesta njegova bodo zapuščena, da ne bo nihče prebival v njih.
9Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
10Proklet, kdor opravlja delo GOSPODOVO nemarno, in proklet, kdor meč svoj zadržuje od krvi!
10Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain'i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!
11Brezskrbno je živel Moab od mladosti svoje in mirno je sedel na svojih drožeh, in ni se prelival iz posode v posodo in v pregnanstvo ni šel nikdar: zato je ostal okus njegov v njem in duh njegov se ni izpremenil.
11Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin'ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan'ny tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony.
12Zatorej, glej, pridejo dnevi, govori GOSPOD, ko pošljem nadenj tiste, ki izlivajo posode, in ga izlijejo, in izpraznijo posode njegove in razdrobé vrče njegove.
12Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
13Tedaj se bo sramoval Moab Kamosa, kakor se je sramovala hiša Izraelova Betela, ki so vanj upali.
13Ary Moaba ho menatra noho ny amin'i Kemosy toy ny nahamenaran'ny taranak'Isiraely noho ny amin'i Betela tokiny.
14Kako govorite: Junaki smo in možje vrli v vojski?
14Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an'ady izahay?
15Opustošen je Moab, na gradove njegove so zlezli sovražniki, in izbrani mladeniči njegovi so šli doli v klanje, govori Kralj, ki mu je ime GOSPOD nad vojskami.
15Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin'ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.[Na: efa levon-ko setroka]
16Blizu je poguba Moabova, da pride, in nesreča njegova hiti silno.
16Efa antomotra ny loza hanjo an'i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
17Žalujte nad njim, kateri bivate okoli njega, in vsi, ki poznate ime njegovo, govorite: Kako je zlomljeno žezlo tako močno, palica veličastna!
17Mitomania azy, ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!
18Stopi doli s slave svoje in sedi v žejnem kraju, o hči, ki prebivaš v Dibonu! kajti razdejalec Moabov je prišel gori zoper tebe, je podrl trdnjave tvoje.
18Ry Dibona, zanakavavy mponina, midina miala amin'ny voninahitrao, ka mitoera ao amin'ny tany mangentana, fa ilay mandringana an'i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
19Poleg pota se postavi in opazuj, prebivalka aroerska, poprašuj bežečega in ženo, ki se otimlje, in reci: Kaj se je zgodilo?
19Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin'inona ianareo?
20Sramuje se Moab, ker je potrt. Tulite in vpijte, oznanjujte pri Arnonu, da je Moab opustošen.
20Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona fa rava Moaba.
21In sodba je prišla nad deželo ravnine, nad Holon in nad Jahzo in nad Mefaat,
21Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin'ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
22in nad Dibon in nad Nebo in nad Bet-diblataim
22Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima
23in nad Kirjataim in nad Bet-gamul in nad Bet-meon
23Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona
24in nad Kerjot in nad Bozro in nad vsa mesta dežele Moabove, daljna in bližnja.
24Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan'i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
25Odsekal se je rog Moabu in rama njegova se je zlomila, govori GOSPOD.
25Voakapa ny tandrok'i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
26Upijanite ga, ker se je poveličeval zoper GOSPODA, da naj se valja po tem, kar izbljuje, in bode v posmeh tudi sam.
26Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin'i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin'ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.
27Ali ti ni bil v posmeh Izrael? ali je bil zasačen med tatovi, da si zmajeval z glavo, kadar koli si govoril o njem?
27Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman'ny mpangalatra va izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
28Zapustite mesta in prebivajte v skalah, o prebivalci na Moabskem, in bodite podobni golobu, ki gnezdi ob robu prepada.
28Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin'ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan'ny hantsana ianao.
29Čuli smo prevzetnost Moabovo, da je silno ošaben, visokost njegovo in oholost in nadutost njegovo in kako se mu je srce poviševalo.
29Ffa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon'ny fony.
30Jaz poznam, govori GOSPOD, togoto njegovo in ničevo bahanje njegovo; nepošteno je delal.
30Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
31Zato tulim zavoljo Moaba in zavoljo vsega Moaba vpijem; zaradi mož v Kir-heresu zdihujejo.
31Koa hidradradradra noho ny amin'i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin'i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
32Bolj nego nad Jazerjem se jokam nad teboj, o trta v Sibmi! odrastki tvoji so šli čez morje, prav do morja Jazerskega so segali. Nad poletno sadje tvoje in nad trgatev tvojo je planil razdejalec,
32Mihoatra noho ny fitomanian'i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok'i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin'ny ranomasin'i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.[Na: fitomaniana an']
33in veselje je izginilo in radost z rodovitne njive in iz dežele Moabove. Storil sem, da je minilo vino iz kadi; tlačili ne bodo več vriskaje: vriskanje ne bode več vriskanje.
33Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin'ny saha nahavokatra sy tamin'ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin'ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
34V Hesbonu so vpili in tja do Eleala, tja do Jahaza se je razlegal njih glas, od Zoarja do Horonaima, do Eglat-šelišije; kajti tudi vode nimrimske se izpremene v pustinjo.
34Ny fitarainan'i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon'i Nimrima aza dia ho ritra koa.[Na: ilay ombivavy kely telo taona]
35In storim, da pogine v Moabu, govori GOSPOD, kdor daruje na višavi in kdor kadi bogovom svojim.
35Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin'ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an'ny andriamaniny, hoy Jehovah.
36Zato poje žalno srce moje kakor piščali zavoljo Moaba, in srce moje žalno piska zavoljo ljudi v Kir-heresu, ker se pogubi zaloga, ki jo je nahranil.
36Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.
37Kajti vsaka glava ima plešo in vsaka brada je ostrižena; po vseh rokah so zareze in na ledjih raševina.
37Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin'ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin'ny valahana.
38Po vseh strehah Moabovih in po ulicah njegovih je zgolj žalovanje; kajti strl sem Moaba kakor posodo, ki ni nobenega veselja v njej, govori GOSPOD.
38Eny, amin'ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
39Kako je potrt! kako tulijo! Kako je obrnil Moab tilnik v sramoti! Tako bode Moab v posmeh in v strmenje vsem, ki prebivajo okoli njega.
39Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an'izay rehetra manodidina azy.
40Kajti tako pravi GOSPOD: Glej, orlu podoben prileti sovražnik in peruti svoje razpne čez Moaba.
40Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an'i Moaba.
41Kerjot je vzet in trdnjave so zasedene; in srce junakov v Moabu bo tisti dan kakor srce žene, ki trpi porodne bolečine.
41Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Moaba dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.[Na: keriota]
42In pokončan bo Moab, da ne bode ljudstvo, ker se je poveličeval zoper GOSPODA.
42Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin'i Jehovah izy.
43Groza in jama in zanka ti preté, o prebivalec v Moabu! govori GOSPOD.
43Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
44Kdor ubeži grozi, pade v jamo, in kdor prileze iz jame, se ujame v zanko; kajti privedem nanj, na Moaba, leto njegovega obiskovanja, govori GOSPOD.
44Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan'ny fandrika; Fa hataoko tonga amin'i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
45V senci hesbonski stoje brezmočni tisti, ki so bežali pred silo; ali ogenj pride iz Hesbona in plamen izsredi Sihona, ki pokonča stran Moaba in teme njih, ki samo ropotajo.
45Ao amin'ny alokalok'i Hesbona no ijanonan'ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny mpitabataba.
46Gorje ti, o Moab! ljudstvo Kamosovo pogine; kajti sinovi tvoji bodo vlečeni v ujetništvo in hčere tvoje v sužnost. –Vendar pripeljem nazaj ujetnike Moabove v poslednjih dneh, govori GOSPOD. Dotlej sodba Moabova.
46Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon'i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.Nefa mbola hampodiko avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin'ny fitsarana an'i Moaba.
47Vendar pripeljem nazaj ujetnike Moabove v poslednjih dneh, govori GOSPOD. Dotlej sodba Moabova.
47Nefa mbola hampodiko avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin'ny fitsarana an'i Moaba.