Slovenian

Malagasy

Job

19

1A Job odgovori in reče:
1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2Doklej hočete žaliti dušo mojo in me tlačiti z besedami?
2Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?
3Desetkrat ste me že zasramovali, in vas ni sram, da me tolikanj žalite!
3Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
4Ako sem pa res kriv, krivda moja ostaja pri meni.
4Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.
5Če pa se res hočete veličati zoper mene in mi očitati sramoto mojo:
5Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
6vedite, da me je Bog okrivičil in me obdal z mrežo svojo.
6Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.
7Glej, vpijem: Sila se mi godi! a nihče me ne sliši, kličem za pomoč, pa ni sodbe zame.
7Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
8Zagradil mi je pot, da ne morem preiti, in steze moje je zavil v temino.
8Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.
9Slekel me je moje slave in venec mi je snel z glave.
9Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
10Na vseh straneh me je podrl, da ginem, in izruval je kakor drevo upanje moje.
10Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
11Storil je, da zoper mene plamti srd njegov in šteje me med nasprotnike svoje.
11Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
12Čete njegove so hkrati pridrle in napravile svojo pot zoper mene, in raztaborile so se okrog šatora mojega.
12Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
13Brate moje je oddalil od mene, in znanci moji so se mi docela odtujili.
13Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
14Odtegujejo se mi bližnji sorodniki moji in zaupniki moji so me pozabili.
14Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
15Gostači hiše moje in dekle moje me štejejo za tujca, inostranec sem postal v njih očeh.
15Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
16Kličem hlapca svojega, a ne da mi odgovora, z usti svojimi ga milo moram prositi.
16Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.
17Dih moj se gnusi ženi moji in smrad moj matere moje otrokom.
17Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.
18Celo deca me zaničuje; ko hočem vstati, govore zoper mene.
18Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
19Mrzé me vsi, ki sem se ž njimi srčno družil, in katere sem ljubil, so se obrnili zoper mene.
19Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
20Kosti mi lepé na koži in mesu, komaj zobrnice so mi ostale.
20Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
21Usmilite se me, usmilite se me, prijatelji moji, kajti roka Božja me je zadela.
21Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy.
22Zakaj me preganjate kakor Bog mogočni in se ne morete nasititi mesa mojega?
22Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?
23O da bi se zapisale besede moje, o da bi se začrtale v knjigo!
23Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!
24Da bi jih v skalo vsekali z železnim pisalom in s svincem zalili za vekomaj!
24Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy!
25A jaz vem, da živi Odrešenik moj, in On, ki je poslednji, se postavi nad prahom;
25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.[Heb. Goela][Na: ho farany]
26in ko bo za kožo mojo to telo strto, vendar bom gledal iz svojega mesa Boga,
26Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho]
27ki ga jaz sam bom gledal sebi v dobro, in ga bodo videle moje oči, in ne bodem mu tujec. Obisti moje koprne v meni.
27Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.[Heb. voako]
28Ako govorite, kako ga bomo preganjali! češ, da se je korenina hudobne stvari našla v meni,bojte se meča! kajti meč bo maščeval krivice, da bi vedeli, da je sodba.
28Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.[Heb. anatiko][Heb. ahy]Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
29bojte se meča! kajti meč bo maščeval krivice, da bi vedeli, da je sodba.
29Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.