Slovenian

Malagasy

Job

21

1Nato odgovori Job in reče:
1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2Pazljivo poslušajte govorjenje moje, in to bodi namesto vaših tolažb.
2Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
3Potrpite, in tudi jaz bom govoril, in ko dogovorim, se posmehujte.
3Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
4Mar tožba moja velja ljudem? ali kako naj ne bi bil žalosten duh moj?
4Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
5Obrnite se k meni in strmite in položite roko na usta svoja!
5Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
6Res, kadar se tega spomnim, se prestrašim in trepet prešine meso moje.
6Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
7Zakaj žive brezbožniki, dočakajo starosti, množe si tudi bogastvo?
7Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
8Njih seme stoji trdno ž njimi vred vpričo njih in njih zarod pred njih očmi.
8Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
9Njih hiše so v miru, brez straha, in Božje šibe ni nad njimi.
9Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
10Njih junci skačejo in ne neplodno, njih krave se lahko otele in ne izvržejo.
10Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
11Deco odpošiljajo kakor ovac krdelo in njih otroci plešejo veselo.
11Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.
12Pevajo glasno z bobnicami in citrami in se vesele ob glasu piščali.
12Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.
13V sreči prežive svoje dni, in v trenutku se pogreznejo v kraj mrtvih.
13Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita.[Heb. Sheola]
14In vendar govore Bogu mogočnemu: Pojdi od nas, ker spoznanja tvojih potov ne želimo!
14Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
15Kaj je Vsemogočni, da bi mu služili, ali kaj nam hasni, če se mu z molitvijo bližamo?
15Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
16Glej, njih sreča vendar ni v njih rokah. Svetovanje brezbožnih bodi daleč od mene!
16Indro, tsy avy amin'ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy![Heb. tsy eo an-tànany]
17Kolikokrat se dogodi, da ugasne svetilo brezbožnikov in pridrevi nadnje njih poguba? da jim Bog podeli žalosti v srdu svojem?
17Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,[Na: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny]
18da so kakor rezanica pred vetrom in kakor pleve, ki jih razpiše vihar?
18Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra.
19Bog hrani, pravite, krivdo brezbožnikovo za otroke njegove. Njemu naj jo povrne, da jo on čuti!
19Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
20S svojimi očmi naj gleda svojo pogubo in pije naj od togote Vsegamogočnega!
20Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha.
21Kajti kaj bo maral za hišo svojo za seboj, ko se prestreže število mesecev njegovih? –
21Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?
22More li kdo Boga mogočnega učiti spoznanja, ko vendar on sodi tiste, ki so na višavah?
22Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza? [Heb. avo]
23Tale umrje v obili moči svoji, ko je popolnoma brez skrbi in v miru;
23Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
24posode njegove so polne mleka in kosti njegove z mozgom pitane.
24Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]
25Oni umrje v bridkosti duše, in nikdar ni okusil dobrega.
25Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
26Skupaj ležita v prahu, črvad ju oba pokriva.
26Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
27Glejte, jaz poznam misli vaše in naklepe, s katerimi me nadlegujete.
27Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
28Kajti pravite: Kje je hiša mogočneža in kje šator, ki so v njem prebivali brezbožni?
28Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy? [Na: Manotraka ny kibony]
29Niste li vprašali popotnikov? in njih znamenita poročila boste pač pripoznali:
29Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran'Ireo hoe: [Heb. famantarana]
30da Bog hrani hudobneža do dne pogube, da ga odpravi v dan jeze.
30Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
31Kdo mu sme očitati v obraz pot njegovo? in kdo mu povrne, kar je storil?
31Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy? [Na: Azy]
32Prav njega spremijo s častjo do groba, in nad gomilo ga še čuvajo.
32Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;[Na: mbola misy miambina]
33Lahke mu so grude v dolini; in za njim pojdejo vsi ljudje, kakor jih je šlo brezštevilno pred njim.Kako me torej zaman tolažite? Od vaših odgovorov ostane le nezvestoba.
33Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
34Kako me torej zaman tolažite? Od vaših odgovorov ostane le nezvestoba.
34Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!