1Tedaj odgovori Elifaz Temančan in reče:
1[Ny teny fanintelony nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2More li mož koristiti Bogu mogočnemu? Marveč sebi koristi razumnik.
2Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
3Hasni li Vsegamogočnemu, da si pravičen, ali pa ima kaj dobička, ko brezmadežne hraniš poti svoje?
3Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
4Je li zaradi tvoje bogaboječnosti, da te svari, s teboj hodi v pravdo?
4Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?
5Ali ni velika tvoja hudobnost in krivic tvojih ni li brez konca?
5Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
6Brate svoje si rubil brez vzroka in polunagim si slekel obleko.
6Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra.[Heb. mitanjaka]
7Utrujenega nisi napojil z vodo in lačnemu si odrekel kruh.
7Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.
8A siloviti mož si je lastil deželo, in imenitnik je prebival v njej.
8Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
9Vdove si pošiljal prazne od sebe, in rame sirot so bile strte.
9Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty.
10Zato je okrog tebe zadrga za zadrgo in plaši te nagel strah.
10Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
11Ali pa ne vidiš temine in povodnji, ki te zagrinja?
11Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
12Ni li Bog visok kakor nebesa? Poglej le najvišje zvezde, kako so vzvišene!
12Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!
13A ti praviš: Kaj bi vedel Bog mogočni? more li skozi oblačno temino soditi?
13Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
14Oblačje Mu je ovoj, da ne vidi, in po okrožju nebes se izprehaja.
14Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.
15Hočeš se li držati davnega veka steze, po kateri so hodili hudobni,
15Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy.
16ki so bili odpravljeni pred svojim časom? njih trdna tla so se razlila kakor reka –
16Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,
17ki so rekali Bogu mogočnemu: Pojdi od nas! in: Kaj more pač Vsemogočni storiti za nas?
17Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay? [Heb. azy]
18In vendar je On napolnil njih hiše z blaginjo! – Toda svetovanje brezbožnih bodi daleč od mene!
18Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
19Pravični to vidijo in se vesele, in nedolžni jih zasmehuje,
19Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
20govoreč: Res, iztrebljeni so, ki so se vzpenjali zoper nas, in ogenj je požrl, kar je ostalo za njimi.
20Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.
21Sprijazni se, pravim, ž Njim in imej mir, in blagostanje ti s tem pride.
21Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.
22Sprejmi vendar pouk iz ust Njegovih in vtisni si besede Njegove v srce!
22Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23Ako se obrneš k Vsemogočnemu, te zopet ustanovi, če odpraviš nepravičnost iz šatorov svojih.
23Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
24In vrzi v prah drago kovino in med kamenčke v potoku ofirsko zlato:
24Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
25potem bode Vsemogočni zaklad tvoj in drago srebro tebi.
25Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.[Na tsara, na azo amin'ny fisasarana]
26Kajti tedaj se boš razveseljeval Vsemogočnega in k Bogu povzdigneš obličje svoje.
26Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.
27Molil boš k njemu, in te usliši, in obljube svoje boš opravljal.
27Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
28Ko ukreneš kako stvar, se ti uresniči, in luč ti bo sijala nad poti tvojimi.
28Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.
29Ko bodo vodile doli, boš velel: Navzgor! in ponižanemu daje Bog pomoč.Rešil bo tudi njega, ki ni brez krivde, da, rešen bo po čistosti tvojih rok.
29Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy]Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.
30Rešil bo tudi njega, ki ni brez krivde, da, rešen bo po čistosti tvojih rok.
30Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.