Slovenian

Malagasy

Job

23

1In Job odgovori in reče:
1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2Tudi danes še je kljubovalen odgovor moj; udarec moj je težji nego zdihovanje moje.
2Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.[Na: mangidy]
3O da bi vedel, kje Ga morem najti, da bi prišel prav do Njegovega stola!
3Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!
4Razložil bi pravdo svojo pred Njim, usta svoja bi napolnil z dokazi.
4Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
5Hotel bi znati besede, ki mi jih odgovori, in poslušati, kar mi poreče.
5Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
6Ali bi se prepiral z menoj v veliki moči svoji? Ne; On bi samo pazil name.
6Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy
7Tedaj bi se jaz poštenjak pravdal ž njim, in za večno bi se rešil sodnika svojega.
7Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.
8Glej pa, če grem proti vzhodu, tam ga ni, in proti zahodu, ga ne zasledim;
8Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
9če proti severu, ko vrši delo, ga ne zagledam, zavije se proti jugu, in ga ne vidim.
9Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
10Kajti On pozna pot, katere se držim; ko bi me preizkušal, bi se izkazal kakor zlato.
10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
11Koraka njegovega se je trdno držala noga moja, na pot njegovo sem pazil in nisem stopil ž nje;
11Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
12od zapovedi njegovih usten se nisem umaknil; bolj nego lastno postavo sem hranil ust njegovih besede.
12Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.[Na: anjara-haniko]
13Ali on si je vedno enak, in kdo ga more odvrniti od njegovih misli? Česar želi duša njegova, to stori.
13Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.
14Kajti on dopolni, kar je določeno zame; in takih reči je veliko pri njem.
14Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
15Zato se strašim pred njegovim obličjem; ko to premišljam, se ga bojim.
15Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
16Ker Bog mogočni mi je preplašil srce in Vsegamogočni me je prestrašil.Kajti nisem poginil od temine, tudi ne, ker mi je mrak zakril obraz.
16Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]
17Kajti nisem poginil od temine, tudi ne, ker mi je mrak zakril obraz.
17Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]