Slovenian

Malagasy

Job

24

1Zakaj ni vnaprej določil Vsemogočni sodnih rokov? in zakaj ne vidijo, kateri ga poznajo, njegovih sodnih dni?
1Nahoana no tsy misy fotoan'andro voatendrin'ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan'ny mahalala Azy izany androny Izany?
2Krivičniki prestavljajo mejnike, plenijo črede in jih sebi pasejo.
2Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman'ondry sady miandry azy.
3Osle sirotam odganjajo in vdovam jemljejo v zastavo vole.
3Mandroaka ny borikin'ny kamboty izy, ary maka ny ombin'ny mpitondratena ho tsatòka.
4Ubožce pehajo s cest, krotki, kar jih je v deželi, se morajo skrivati vsi.
4Manosika ny mahantra hiala amin'ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin'ny tany.
5Glej, kakor divji osli v pustinji hodijo ubožci na delo svoje, marljivo iščoč plena: puščava jim daje hrane za njih otroke.
5Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak'ireny ho amin'ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an'ny zanany.
6Na polju žanjejo žito krivičnikovo in paberkujejo v njegovem vinogradu.
6Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
7Nagi leže vso noč, ker nimajo obleke, in nimajo odeje v mrazu.
7Mandry mitanjaka amin'ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin'ny hatsiaka;
8Lijak z gora jih premoči, in ker nimajo strehe, se oklepajo skalovja. –
8Kotsan'ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin'ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
9Siroto od prsi trgajo krivičniki, in kar ima na sebi ubožec, jemljejo v zastavo. –
9Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin'ny ory.
10Goli hodijo, brez oblačila, in lačni nosijo bogatinom snope;
10Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
11v njih hramih jim morajo delati olje, tlačijo v tlačilnici in žeje se suše.
11Manao diloilo eo anatin'ny tambohon'ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.[Heb. tambohon'ireny]
12Iz mesta se sliši ječanje umirajočih, in duša ranjencev vpije. A Bog tega ne šteje za nepristojnost!
12Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin'ny voalefona; Nefa tsy ahoan'Andriamanitra akory ny ratsy atao.
13Drugi pa so sovražniki svetlobe: njenih potov ne poznajo, na njenih stezah ne ostajajo.
13Ireny no mpikomy amin'ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin'ny alehany.
14Ob jutranjem svitu vstaja razbojnik, mori ubožca in potrebnega, in po noči je kakor tat.
14Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
15In oko prešeštnikovo čaka, da nastane mrak, češ: Nobeno oko me ne zagleda, in krinko si dene na obraz.
15Ny mason'ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
16V temi vdirajo v hiše; po dnevi se zapirajo, svetlobe ne poznajo.
16Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
17Kajti najbolj črna tema jim je vsem jutro, ker vsak izmed njih je vešč grozotam črne teme.
17Fa ny aizim-pito no marainan'ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran'ny aizim-pito izy.[Heb. aloky ny fahafatesana]
18Hiter je v teku svojem po površju vodá; njih delež je proklet na zemlji; ne hodi več po poti proti vinogradom.
18Mitsinkafona paohin'ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin'ny tany; Tsy mivily ho amin'ny lalana mankeny amin'ny tanim-boaloboka izy.
19Suša in vročina odpravita snežnico: enako šeol tiste, ki so grešili.
19Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan'ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.[Heb. Sheola]
20Mati pozabi takega, črvadi bo dobro teknil, ne bodo se ga več spominjali; tako bo strta kakor drevo nepravičnost
20Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an'ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,[Heb. faharatsiana]
21tistega, ki je plenil nerodovitno, ki ni rodila, in vdovi ničesar ni storil dobrega.
21Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
22Bog pa z močjo svojo dolgo vzdržuje mogočneže; marsikateri še vstane, ko je že obupal nad življenjem.
22Kanefa halavain'Andriamanitra amin'ny heriny ny andron'ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
23Bog mu daje varnosti, in on se naslanja nanjo; toda oči Njegove so nad njih poti.
23Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
24Stopijo visoko, a malo le, pa jih ni več; zvrnejo se, smrt jih pograbi kakor vse druge, posečeni bodo kakor dozoreli klasovi.Ni li tako? Kdo dokaže, da lažem, in dene v nič govor moj?
24Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
25Ni li tako? Kdo dokaže, da lažem, in dene v nič govor moj?
25Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.