Slovenian

Malagasy

Job

39

1Veš li za čas, kdaj rode divje koze v skalah, ali si opazoval, kdaj so košute v porodnih bolečinah?
1Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?
2Si li preštel njih mesece, katere jim je dopolniti, in veš li čas, kdaj rode?
2Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? [Heb. ny volana taperiny]
3kako se zvijajo, mlade svoje izpuščajo, bolečin se oproščajo?
3Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
4Njih mladiči se ojačujejo, rastó pod milim nebom, jih zapuste in se k njim več ne povrnejo.
4Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
5Kdo je pustil divjega osla v prostost in vezi njegove kdo je razklenil,
5Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,
6ki sem mu jaz naredil puščavo v hišo in solnato puščo za prebivališče?
6Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
7Njemu je v smeh mestni hrup, za krik gonjačev se ne meni.
7Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;
8Gleda po gorah, kod je kaj paše, in išče povsod zelenja.
8Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
9Ali bo hotel divji bivol služiti tebi, bo li prenočeval pri jaslih tvojih?
9Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?
10Ga li moreš v jarem vkleniti, da bi delal brazde, ali bo za teboj vlačil brano po dolini?
10Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
11Boš li mu zaupal, ker je velika moč njegova, in prepustiš mu li delo svoje?
11Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
12Moreš se li zanesti nanj, da spravi žetev tvojo in zbere žito na gumnu tvojem?
12Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
13Veselo fofota nojica s perutjo svojo: a je li je njeno perutje in perje kakor štorkljino?
13Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
14Kajti jajca svoja pušča na zemlji in jih ogreva v prahu,
14Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,
15a zabi, da jih utegne noga poteptati in zverina poljska streti.
15Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
16Trdo ravna s svojimi mladiči, kakor da niso njeni, nič je ne skrbi, da se je trudila zaman.
16Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
17Kajti Bog ji je prikratil modrost in razumnosti ji ni podelil.
17Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
18Kadar se vzdigne, da leti, zasmehuje konja in jezdeca.
18Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
19Si li dal konju moč njegovo in mu vrat ogrnil z vihrajočo grivo?
19Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
20Naredil si, da skače kakor kobilica? Rezgetanje njegovo je krasno in strašno.
20Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!
21Grebe tla s kopiti, veseli se moči svoje, dirja oborožencem naproti.
21Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.[Heb. fiadiana]
22Posmehuje se bojazni in se ne ustraši, in meču se ne umakne.
22Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.
23Nad njim zvenči strelni tulec, bliska se kopje in sulica.
23Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.[Heb. tranon-jana-tsipìka]
24Silovito jezno dirja naprej in ne da se udržati, ko se zglasi trobenta.
24Miriotra mafy amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara. [Heb. Mitelina ny tany][Na: Tsy mino izy fa feon'ny anjomara izany]
25Kadar zadoni tromba, kliče: huj! in oddaleč že čuje boj, grmeči glas poveljnikov in bojni krik.
25Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.
26Tvoj li razum napravlja, da se jastreb dviga, razpenja peruti proti poldnevu?
26Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
27In zleti li orel visoko na tvoje povelje in postavi v višavi gnezdo svoje?
27Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
28V skalah prebiva in gnezdi po pečinah in planinskih vrheh.
28Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana.
29Odondod preži na živež, v daljavo gledajo oči njegove;in mladiči njegovi srebajo kri, in kjer je mrtvo truplo, je tudi on.
29Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.
30in mladiči njegovi srebajo kri, in kjer je mrtvo truplo, je tudi on.
30Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.