1Nato odgovori Job GOSPODU in reče:
1[Ny teny farany nataon'i Joba, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy fiadanana indray] Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
2Spoznavam, da moreš vse in da ni mogoče zabraniti nobene namere tvoje.
2Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.
3Kdo je, ki zagrinja Božje sklepe brez spoznanja? Zato sem govoril, česar nisem razumel, kar je prečudovito zame, česar nisem spoznal.
3Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
4Čuj, prosim, in bom govoril, jaz te bom vprašal, in ti me pouči!
4Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
5Le s sluhom ušesa sem slišal o tebi, a sedaj te oko moje vidi.
5Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
6Zato zaničujem sebe in kesam se v prahu in pepelu!
6Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.
7In zgodi se, ko je bil GOSPOD govoril te besede Jobu, da veli GOSPOD Elifazu Temančanu: Srd moj je razvnet zoper tebe in zoper oba prijatelja tvoja, ker niste govorili o meni pravega kakor hlapec moj Job.
7Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
8In sedaj si vzemite sedem juncev in sedem ovnov in pojdite k hlapcu mojemu Jobu in darujte žgalno daritev za sebe. Job pa, hlapec moj, naj prosi za vas, zakaj nanj se milostno ozrem, da ne bom z vami ravnal po nespameti vaši, ker niste govorili o meni pravega kakor hlapec moj Job.
8Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
9Tedaj so šli Elifaz Temančan in Bildad Šuhec in Zofar Naamatec in so storili, kakor jim je velel GOSPOD; in GOSPOD se je milostno ozrl na Joba.
9Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an'i Joba.
10In GOSPOD je obrnil ujetništvo Jobovo, ko je prosil za prijatelje svoje; in GOSPOD je dvojno pomnožil vse, kar je prej imel Job.
10Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
11Tedaj so prišli k njemu vsi bratje njegovi in vse sestre njegove in vsi prejšnji znanci njegovi in so jedli ž njim kruh v hiši njegovi ter ga milovali in tolažili zaradi vse nesreče, ki jo je bil nadenj dopustil GOSPOD, in vsak mu je dal zlatnik in zlat uhan.
11Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.[Heb. kesita;]
12In GOSPOD je blagoslovil poslednje življenje Jobovo bolj nego prejšnje: dobil je štirinajst tisoč glav drobnice in šest tisoč velblodov in tisoč jarmov volov in tisoč oslic.
12Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
13Dobil je tudi sedem sinov in tri hčere.
13Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
14In prvo je imenoval Golobico, drugo pa Dišavko in tretjo Lepotico.
14ka ny anaran'ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran'ny faravavy Kerena-hapoka.
15In takih lepih devojk, kakor so bile hčere Jobove, ni bilo najti po vsej deželi. In njih oče jim je dal dediščino sredi njih bratov.
15Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin'ny anadahiny izy.
16Job pa je živel potem sto in štirideset let in videl je otroke svoje in svojih otrok otroke, štiri pokolenja.In Job je umrl, star in dni svojih sit.
16Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza.Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.[Heb. voky andro]
17In Job je umrl, star in dni svojih sit.
17Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.[Heb. voky andro]