Slovenian

Malagasy

Joshua

14

1Te pa so dediščine, ki so jih dobili sinovi Izraelovi v Kanaanski deželi, ki so jih jim porazdelili Eleazar duhovnik in Jozue, sin Nunov, in poglavarji očetovinam vseh rodov Izraelovih sinov;
1[Ny nanombohan'i Josoa ny nizarany ny tany: ny anjaran'i Kaleba] Ary izao no nolovan'ny Zanak'Isiraely teo amin'ny tany Kanana, izay nampandovain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholon'ny firenen'i Zanak'Isiraely;
2po žrebanju so jim pridelili dediščino, kakor je GOSPOD zapovedal po Mojzesu, devetim rodom in polovici rodu.
2tamin'ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny firenena sivy sy sasany.
3Dvema rodoma in polovici rodu je namreč Mojzes dal dediščino na oni strani Jordana. Levitom pa ni dal dediščine med njimi nobene.
3Fa efa nomen'i Mosesy lova tany an-dafin'i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak'i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
4Kajti Jožefovih sinov sta bila dva roda, Manase in Efraim; in levitom niso dali deleža v deželi, samo mesta za prebivanje in pašnike okoli njih njih živini in njih blagu.
4Fa firenena roa ny taranak'i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin'ny tany ny taranak'i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an'ny omby aman'ondriny sy ny fananany.
5Kakor je bil GOSPOD zapovedal Mojzesu, tako so storili Izraelovi sinovi in so razdelili deželo.
5Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.
6Tedaj pristopijo Judovi sinovi k Jozuetu v Gilgalu, in Kaleb, sin Jefunov, Kenizejec, ga ogovori: Ti veš, kar je rekel GOSPOD Mojzesu, možu Božjemu, zastran mene in tebe v Kades-barnei.
6Dia nankany amin'i Josoa tany Gilgala ny taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
7Štirideset let sem bil star, ko me je poslal Mojzes, služabnik GOSPODOV, iz Kades-barnee ogledovat deželo; in prinesel sem mu poročilo, kakor mi je bilo pri srcu.
7Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.
8Toda moji bratje, ki so šli gori z menoj, so ljudstvu v obup zapeljali srce, jaz pa sem zvesto hodil za GOSPODOM, Bogom svojim.
8Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitrao.
9In Mojzes je prisegel tisti dan, rekoč: Gotovo bode dežela, po kateri je stopala tvoja noga, tebi in tvojim otrokom dediščina vekomaj, ker si zvesto hodil za GOSPODOM, Bogom mojim.
9Dia nianiana tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin'ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitro ianao.
10In sedaj, glej, GOSPOD me je ohranil v življenju, kakor je govoril teh štirideset in pet let, odkar je govoril besedo to Mojzesu, ko je Izrael potoval po puščavi. In sedaj, glej, danes sem petinosemdeset let star:
10Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin'ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin'ny nilazan'i Jehovah izany teny izany tamin'i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
11in še danes sem tako krepak kakor tisti dan, ko me je Mojzes odposlal; kakršna je bila moja moč takrat, je tudi sedaj, da se bojujem in hodim ven in noter.
11Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin'ny andro nanirahan'i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin'izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.Jos 14:
12Sedaj torej mi daj to gorovje, ki je o njem govoril GOSPOD tisti dan; kajti slišal si takrat, da so Enakimi ondi in velika in utrjena mesta. Morda bode GOSPOD z menoj, da jih preženem, kakor je govoril GOSPOD.
12Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain'i Jehovah tamin'izany andro izany; fa efa renao tamin'izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain'i Jehovah.
13Tedaj ga blagoslovi Jozue ter da Hebron v dediščino Kalebu, sinu Jefunovemu.
13Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an'i Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.
14Zato je prišel Hebron v dedno posest Kalebu, Jefunovemu sinu, Kenizejcu, do današnjega dne, ker je zvesto hodil za GOSPODOM, Bogom Izraelovim.Hebron pa se je prej imenoval Arbovo mesto; ta je bil največji mož med Enakimi. In dežela je počivala od vojen.
14Izany no nahatongavan'i Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, mandraka androany satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy.Ary tanànan'Arba no anaran'i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin'ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.[Na: Kiriat-arba; izahao Jos. xv. 54]
15Hebron pa se je prej imenoval Arbovo mesto; ta je bil največji mož med Enakimi. In dežela je počivala od vojen.
15Ary tanànan'Arba no anaran'i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin'ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.[Na: Kiriat-arba; izahao Jos. xv. 54]