Slovenian

Malagasy

Joshua

15

1In delež rodu Judovih sinov po njih rodovinah je bil: do edomske meje, ob Zinski puščavi, južno, na skrajnem jugu.
1[Ny anjaran'ny firenen'i Joda] Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo.
2In njih južna meja se je začela pri kraju Slanega morja, ob jeziku, ki se razteza proti jugu;
2Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny helo-drano atsimo,
3in je šla proti jugu do Akrabimskega vrha in čez njega do Zina in gori ob južni strani Kades-barnee in skozi Hezron in gori do Adarja in se obrnila do Karke;
3dia nandroso hatrany atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon'i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,
4in je šla čez do Azmona in došla k Egiptovskemu potoku, da je bilo morje konec meji. To bodi vaša južna meja.
4dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
5Vzhodna meja pa je bilo Slano morje do ustja Jordana. In meja severnega dela se je začela ob jeziku morja pri ustju Jordana,
5Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin'ny lafiny avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny faran'i Jordana,
6in je šla gori proti Bethogli in dalje ob severni strani Bet-arabe, in šla gori do kamena Bohana, Rubenovega sinu,
6dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
7in šla je gori k Debirju od doline Ahor in se obrnila severno proti Gilgalu, ki je nasproti višini Adumimu na južni strani potoka; in meja je šla dalje k vodi Ensemesu in njeni konci so bili pri studencu Rogelu;
7dia niakatra ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
8in je šla po dolini Hinomovega sinu proti južni strani Jebusejca (to je Jeruzalem); in je šla gori do vrha gore, ki je pred Hinomovo dolino proti zahodu in ob kraju doline Refaimov proti severu.
8dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaita,
9Potem je šla meja od vrha gore do studenca pri Neftoahu in k mestom v Efronskem gorovju in navzdol k Baali (ki je Kirjat-jearim);
9dia nizotra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
10in meja se je obrnila od Baale proti zahodu k Seirskemu gorovju in je šla do slemena gore Jearima na severu (to je Kesalon) in se nagnila doli k Betsemesu in šla skozi Timno;
10dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
11nato je šla dalje proti severu k slemenu Ekrona in se raztezala do Sikrona in šla čez goro Baalo in došla k Jabneelu, in morje je bilo konec tej meji.
11dia nihatra tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra tany amin'ny ranomasina.
12In zahodna meja je bilo veliko morje in njegovo obrežje. To je meja Judovih sinov kroginkrog po njih rodovinah.
12Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony.
13Kalebu pa, sinu Jefunovemu, je dal delež med Judovimi sinovi po povelju GOSPODOVEM Jozuetu, mesto Arbovo, ki je Hebron. (Arba je bil oče Enakov.)
13Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany). [Na: Kiriat-arba; izahao Jos. XV. 54]
14In Kaleb je izgnal odondod tri Enakove sinove: Sesaja, Ahimana in Talmaja, Enakove otroke.
14Dia noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
15In odtod je šel gori proti prebivalcem v Debirju. Debir se pa je nekdaj imenoval Kirjat-sefer.
15Dia niakatra avy tao izy hankany amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).
16In Kaleb je dejal: Kdor udari Kirjat-sefer in ga dobi, njemu hočem dati Akso, svojo hčer za ženo.
16Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
17In Otniel, sin Kenaza, Kalebovega brata, ga je dobil; in dal mu je Akso, svojo hčer, za ženo.
17Ary Otniela, zanak'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
18In zgodi se, ko je šla k njemu, da ga je izpodbujala, naj prosi njenega očeta njive. In spustila se je z osla. In Kaleb ji reče: Kaj ti je?
18Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
19Ona pa reče: Daj mi blagoslov; kajti dal si mi južni kraj, daj mi tudi studence voda. In dal ji je studence gornje in dolnje.
19Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
20To je dediščina rodu Judovih sinov po njih rodovinah.
20Izao no lovan'ny firenena taranak'i Joda araka ny fokony:
21In mesta rodu Judovih sinov od kraja do edomske meje na jugu so bila: Kabzeel, Eder in Jagur,
21Ny tanàna farany amin'ny firenena taranak'i Joda, eo akaikin'ny fari-tanin'i Edoma amin'ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
22Kina, Dimona in Adada,
22sy Kina sy Dimona sy Adada
23Kedes, Hazor in Itnan.
23sy Kadesy sy Hazora sy Itnana
24Zif, Telem in Bealot,
24sy Zifa sy Talema sy Bealota
25Hazor-hadata, Kerjot-hezron (ki je Hazor),
25sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
26Amam, Sema, Molada,
26sy Amama sy Sema sy Molada
27Hazar-gada, Hesmon in Betpelet,
27sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta
28Hazar-sual, Berseba in Bizjotja,
28sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia
29Baala, Ijim in Ezem,
29sy Bala sy Ie sy Azema
30Eltolad, Kesil in Horma,
30sy Eltolada sy Kesila sy Horma
31Ziklag, Madmana in Sansana,
31sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana
32Lebaot, Silhim, Ajin in Rimon: vseh mest devetindvajset in njih sela.
32sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
33V nižavi pa: Estaol, Zora in Asna,
33Ary teo amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna [Heb. Sefela]
34Zanoah, Enganim, Tapuah in Enam,
34sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
35Jarmut in Adulam, Soko in Azeka,
35sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
36Saraim, Aditaim, Gedera in Gederotaim: štirinajst mest in njih sela –
36sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
37Zenan, Hadasa, Migdalgad,
37ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada
38Dilan, Micpa, Jokteel,
38sy Dilana sy Mizpa ary Joktela
39Lahis, Bozkat, Eglon,
39sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona
40Kabon, Lahmam, Kitlis,
40sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa
41Gederot, Betdagon, Naama in Makeda: šestnajst mest in njih sela. –
41sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
42Libna, Eter, Asan,
42Libna sy Atera sy Asana
43Jiftah, Asna, Nezib,
43sy Jifta sy Asna ary Neziba
44Keila, Akzib in Maresa: devet mest in njih sela. –
44sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
45Ekron, njegove vasi in sela,
45Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;
46od Ekrona do morja, kar jih je bilo ob strani Asdoda, in njih sela. –
46hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an'i Asdoda, sy ny zana-bohitr'ireo,
47Asdod, njegove podložne vasi in sela; Gaza, njene podložne vasi in sela do Egiptovskega potoka, in veliko morje in njegovo obrežje. –
47Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta sy ny amoron'ny Ranomasina Lehibe.
48V gorovju pa: Samir, Jatir, Soko,
48Ary tany amin'ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
49Dana in Kirjat-sana (to je Debir),
49sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)
50Anab, Estemo, Anim,
50sy Anaba sy Estemo sy Anima
51Gosen, Holon in Gilo: enajst mest in njih sela. –
51sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
52Arab, Duma, Ešan,
52Araba sy Doma sy Esana
53Janim, Bet-tapuah, Afeka,
53sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka
54Humta, Kirjat-arba (to je Hebron) in Zior: devet mest in njih sela. –
54sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;
55Maon, Karmel, Zif, Juta,
55Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota
56Jezreel, Jokdeam, Zanoah,
56sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa
57Kajn, Gibea in Timna: deset mest in njih sela. –
57sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
58Halhul, Betzur, Gedor,
58sy Halola sy Beti-zora sy Gedora
59Maarat, Betanot in Eltekon: šest mest in njih sela. –
59sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;
60Kirjat-baal (to je Kirjat-jearim) in Raba: dve mesti in njiju sela.
60sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.
61V puščavi: Betaraba, Midin, Sekaka,
61Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy Sekaka
62Nibsan, in Solno mesto in Engedi: šest mest in njih sela.Ali Jebusejcev, ki so prebivali v Jeruzalemu, niso mogli izgnati Judovi sinovi. Prebivali so torej Jebusejci z Judovimi sinovi v Jeruzalemu do tega dne.
62sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.
63Ali Jebusejcev, ki so prebivali v Jeruzalemu, niso mogli izgnati Judovi sinovi. Prebivali so torej Jebusejci z Judovimi sinovi v Jeruzalemu do tega dne.
63Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.