Slovenian

Malagasy

Joshua

18

1In vsa občina Izraelovih sinov se je zbrala v Silu, in tu so razpeli shodni šator; in dežela je bila premagana pred njimi.
1[Ny nananganana ny tabernakely tao Silo, sy nanoratana ny tany sisa tsy mbola voazara]Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
2Bilo je pa še sedem rodov Izraelovih sinov, ki se jim še ni pridelila njih dediščina.
2Ary nisy firenena fito tamin'ny Zanak'Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
3In Jozue reče Izraelovim sinovom: Doklej bodete leni, da ne pojdete si prilastit dežele, ki vam jo je dal GOSPOD, vaših očetov Bog?
3Dia hoy Josoa tamin'ny Zanak'Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo ?
4Določite si po tri može iz vsakega rodu, in hočem jih poslati, da vstanejo in preidejo deželo ter jo popišejo, kakor je treba za njih dediščine, in potem naj zopet pridejo k meni.
4Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
5In naj razdelé deželo v sedem delov: Juda naj ostane v svoji pokrajini na jugu, in Jožefova hiša ostani v svoji pokrajini na severu.
5Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin'ny taniny ao atsimo, ary ny taranak'i Josefa hitoetra any amin'ny taniny ao avaratra.
6Vi pa napravite popis dežele v sedmih oddelkih in mi ga prinesite sem; in vržem za vas žreb tu pred GOSPODOM, Bogom našim.
6Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika aho.
7Kajti leviti nimajo deleža med vami, temuč duhovska služba GOSPODU je njih dediščina; Gad in Ruben in polovica Manasejevega rodu so prejeli svoj del onostran Jordana proti vzhodu, kakor jim je dal Mojzes, hlapec GOSPODOV.
7Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin'i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan'i Jordana, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy.
8Vstanejo torej tisti možje in se odpravijo. In Jozue jim zapove, ko hočejo iti popisovat deželo, rekoč: Pojdite ter prehodite deželo, in ko jo popišete, pridite zopet k meni, in vržem za vas tu, v Silu, žreb pred GOSPODOM.
8Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah.
9In možje gredo ter obhodijo deželo in jo popišejo v knjigi po njenih mestih, v sedmih oddelkih, in pridejo k Jozuetu v tabor v Silo.
9Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
10Tedaj vrže Jozue zanje žreb v Silu pred GOSPODOM in razdeli deželo med Izraelove sinove, vsakemu njegov del.
10Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan'i Jehovah; ary tao no nizaran'i Josoa ny tany ho an'ny Zanak'Isiraely araka ny fizarany.
11In žreb je padel za rod Benjaminovih sinov po njih rodovinah, in pokrajina njih deleža je šla med Judovimi sinovi in med Jožefovimi sinovi.
11[Ny nizarana ny tany sisa andrefan'i Jordana: Ny anjaran'ny Benjamina, ny Simeona, ny Zebolona, ny Isakara, ny Asera, ny Naftaly sy ny Dana. Ny tany nomena an'i Josoa] Dia nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa.
12In njih meja na severni strani se je začela od Jordana in je šla gori za hrbtom Jeriha na severu in šla čez gore proti zahodu, in njen konec je bil pri Betavenski puščavi.
12Ary ny fari-taniny amin'ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny ilan'i Jeriko amin'ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin'ny efitr'i Betavena,
13In meja je šla dalje odtod k Luzu, za hrbtom Luza (ki je Betel) proti jugu; in je šla doli proti Atarot-adarju čez goro, ki je na južni strani ob nižjem Bethoronu.
13hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,
14Potem se je raztezala in se obrnila proti zahodu, južno od gore, ki je pred Bethoronom na južni strani, in njen konec je bil pri Kirjat-baalu, ki je Kirjat-jearim, mesto Judovih sinov. To je zahodna stran.
14dia niolaka tamin'ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin'ny tendrombohitra izay eo anoloan'i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan'ny taranak'i Joda; izany no lafiny andrefana.
15Južna stran pa se je začela ob koncu Kirjat-jearima, in meja je šla proti zahodu in se končala tik studenca pri Neftoahu
15Ary ny lafiny atsimo dia hatramin'ny faran'i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin'ny loharanon'i Neftoa,
16in šla doli k zadnjemu koncu gore, ki je pred dolino Hinomovega sina, ki je v dolini Refaimov proti severu, in je šla doli po Hinomovi dolini ob strani Jebusejcev proti jugu in doli k studencu Rogelu;
16dia nidina hatramin'ny faran'ny tendrombohitra, izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, eo amin'ny Lohasahan'ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin'ny lohasahan'i Hinoma, hatramin'ny ilany atsimon'ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
17in se je raztezala na sever in prišla proti Ensemesu in dalje h Gelilotu, ki je nasproti griču Adumimu, in je šla doli h kamenu Bohana, Rubenovega sina;
17dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin'ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
18in je prešla k slemenu, ki je severno nasproti Arabi [Ali: nižini], in doli v Arabo;
18dia nandroso hatramin'ny ilany avaratra tandrifin'ny tani-hay ka nidina hatrany amin'ny tani-hay.
19in meja je šla dalje ob strani Bethogle proti severu in se je končala pri severnem jeziku Slanega morja, ob južnem koncu Jordana. To je južna meja.
19dia nandroso hatramin'ny ilany avaratr'i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin'ny helo-drano avaratra amin'ny Ranomasin-tsira, eo amin'ny farany atsimo amin'i Jordana; izany no lafiny atsimo. [Heb. Arabà]
20Jordan pa je bil meja na vzhodni strani. To je bila dediščina Benjaminovih sinov po svoji meji kroginkrog, po njih rodovinah.
20Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
21Mesta pa rodu Benjaminovih sinov, po njih rodovinah so bila: Jeriho, Bethogla, Emek-keziz,
21Ary ny tanànan'ny firenena taranak'i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan'i Keziza
22Betaraba, Zemaraim, Betel,
22sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela
23Avim, Para, Ofra,
23sy Avima sy Para sy Ofra
24Kefar-amoni, Ofni in Geba: dvanajst mest in njih sela;
24sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
25Gibeon, Rama, Beerot,
25sy Gibeona sy Rama sy Berota
26Micpe, Kefira, Moza,
26sy Mizpa sy Kefira sy Moza
27Rekem, Irpeel, Tarala,Zela, Elef in Jebusejec (to je Jeruzalem), Gibeat in Kirjat: štirinajst mest in njih sela. To je dediščina Benjaminovih sinov po njih rodovinah.
27sy Rekema sy Iripela sy Taralasy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony.[Na: ny havoan'i Kiriata]
28Zela, Elef in Jebusejec (to je Jeruzalem), Gibeat in Kirjat: štirinajst mest in njih sela. To je dediščina Benjaminovih sinov po njih rodovinah.
28sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony.[Na: ny havoan'i Kiriata]