1In po Abimeleku je vstal, da reši Izraela, Tola, sin Pua, sina Dodovega, mož iz Isaharja; in prebival je v Samirju v Efraimskem gorovju.
1[Ny tantaran'i Tola sy Jaïra] Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy.
2In sodil je Izraela trindvajset let, in je umrl in bil pokopan v Samirju.
2Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.
3In po njem je vstal Jair, Gileadski; in je sodil Izraela dvaindvajset let.
3Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.
4In imel je trideset sinov, ki so jezdili na tridesetih mladih oslih in so imeli trideset mest, ki se imenujejo Jairovi trgi do današnjega dne in so v pokrajini Gileadski.
4Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.[Havota-jaïra = Tanàna madinika an'i Jaïra]
5In Jair je umrl in je bil pokopan v Kamonu.
5Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona.
6In Izraelovi sinovi so še dalje delali, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, in služili so Baalom in Astartam in bogovom Sircev in bogovom Sidoncev in bogovom Moabcev in bogovom sinov Amonovih in bogovom Filistejcev, GOSPODA pa so zapustili ter mu niso služili.
6[Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr'i Syria sy ny andriamanitr'i Sidona sy ny andriamanitr'i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
7Tedaj se je vnela jeza GOSPODOVA zoper Izraela in jih je prodal v roko Filistejcev in v roko Amonovih sinov.
7Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'ny Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona Izy.
8In stiskali so in mučili Izraelove sinove tisto leto; osemnajst let so stiskali vse sinove Izraelove, ki so bili za Jordanom, v deželi Amorejcev, ki je v Gileadu.
8Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak'Isiraely ireo tamin'izany taona izany: valo ambin'ny folo taona no nampahoriany ny Zanak'Isiraely rehetra, izay tany an-dafin'i Jordana, tany amin'ny tanin'ny Amorita any Gileada.
9Vrhutega so Amonovi sinovi prešli Jordan, da se bojujejo z Judo in z Benjaminom in z Efraimovo hišo; in Izrael je bil silno stiskan.
9Ary nita an'i Jordana ny taranak'i Amona mba hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak'i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.
10In sinovi Izraelovi so vpili h GOSPODU, govoreč: Grešili smo zoper tebe, kajti zapustili smo Boga svojega in služili Baalom.
10Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.
11A GOSPOD reče sinovom Izraelovim: Nisem li vas rešil Egipčanov in Amorejcev, sinov Amonovih in Filistejcev?
11Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho?
12Tudi Sidonjani in Amalekovci in Maonci so vas stiskali, in ko ste vpili do mene, sem vas rešil njih roke.
12Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin'ny tànany.
13In vendar ste me zapustili in služili drugim bogovom; zato vas ne bom več rešil.
13Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.
14Pojdite in kličite k bogovom, ki ste si jih izvolili: naj vas rešijo v dan stiske vaše.
14Mandehana, ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny fahantranareo.
15Sinovi Izraelovi pa reko GOSPODU: Grešili smo, stóri nam, karkoli se ti dobro zdi; samo reši nas, prosimo, tačas!
15Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.
16In odpravili so tuje bogove izmed sebe in so služili GOSPODU. In njemu se je v srce smililo, da je Izrael tolikanj trpel.
16Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely.
17In Amonovi sinovi so se sklicali in so se utaborili v Gileadu. Sinovi Izraelovi pa so se zbrali in se utaborili v Micpi.In ljudstvo, gileadski prvaki, so dejali drug drugemu: Kdo se začne vojskovati zoper Amonove otroke? Ta bodi poglavar vsem prebivalcem v Gileadu!
17[Ny tantaran'i Jefta, sy ny nandreseny ny Amonita] Dia nivory ny taranak'i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tany Mizpa.Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.
18In ljudstvo, gileadski prvaki, so dejali drug drugemu: Kdo se začne vojskovati zoper Amonove otroke? Ta bodi poglavar vsem prebivalcem v Gileadu!
18Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.