Slovenian

Malagasy

Judges

9

1Abimelek pa, sin Jerub-baalov, je šel v Sihem k bratom matere svoje, in ogovori jih in vse sorodništvo hiše očeta matere svoje, rekoč:
1[Ny ratsy nataon'i Abimeleka, sy ny nanjo azy] Ary Abimeleka, zanak'i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin'ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin'izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
2Govorite, prosim, v ušesa vseh sihemskih meščanov: Kaj vam je bolje, da vam vlada sedemdeset mož, vsi sinovi Jerub-baalovi, ali da vam vlada eden? Pomnite tudi, da sem vaša kost in vaše meso.
2Mba mitenena ianareo eo anatrehan'ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan'izy fito-polo lahy zanak'i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
3In govorili so bratje matere njegove vse te besede v ušesa vseh sihemskih meščanov. In nagnilo se je njih srce k Abimeleku, zakaj rekli so: Brat naš je.
3Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan'ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon'ireo dia ta-hanaraka an'i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy.
4In dali so mu sedemdeset srebrnikov iz Baal-beritove hiše; in s temi si najme Abimelek praznoglavih in gizdavih mož, ki so hodili za njim.
4Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary nanambazan'i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
5In pride v očeta svojega hišo v Ofri in umori brate svoje, sinove Jerub-baalove, sedemdeset mož na enem kamenu. Jotam pa, najmlajši sin Jerub-baalov, je ostal, ker se je bil skril.
5Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak'i Jerobala, teo ambonin'ny vato iray; ary Jotama, faralahin'i Jerobala, no sisa velona. satria niery izy.
6In zbero se vsi sihemski meščani in vsa družina v Milu in gredo ter postavijo Abimeleka za kralja pri spominskem hrastu, ki je v Sihemu.
6Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an'i Abimeleka teo anilan'ny hazo terebinta, akaikin'ny tsangambato any Sekema.[Heb. fiarovana][Na: rovan'ny miaramila]
7Ko to sporoče Jotamu, gre in stopi na vrh gore Garizima in povzdigne glas in zakliče, rekoč jim: Poslušajte me, gospoda sihemska, da Bog tudi vas sliši.
7Ary nisy nilaza izany tamin'i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan'Andriamanitra anareo kosa.
8Drevesa so šla, da si pomazilijo kralja, in so dejala oljki: Kraljuj nad nami!
8Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin'ny oliva: Manjaka aminay ianao.
9A oljka odgovori: Ali naj opustim maščobo svojo, s katero po meni časté Boga in človeka, in naj grem, da bi se vznašala nad drevesi?
9Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan'ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
10In drevesa reko smokovemu drevesu: Pridi ti in nam kraljuj!
10Ary hoy ny hazo tamin'ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay.[aviavimbazaha]
11A smokva jim reče: Ali naj opustim sladkost svojo in svoj dobri sad in naj grem, da bi se vznašala nad drevesi?
11Dia hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho? [aviavimbazaha]
12Nato reko drevesa vinski trti: Pridi ti in kraljuj nad nami!
12Dia hoy ny hazo tamin'ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay.
13Vinska trta pa jim reče: Ali naj opustim sok svoj, ki razveseljuje Boga in človeka, in naj grem, da se vznašam nad drevesi?
13Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
14Reko torej vsa drevesa bodljiki: Pridi pa ti in nad nami kraljuj!
14Ary hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay.
15In bodljika reče drevesom: Ako si me v resnici hočete pomaziliti za kralja, pridite, imejte zavetje pod senco mojo! Ako pa ne, naj pride ogenj iz bodljike in požre cedre libanonske.
15Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin'ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin'ny tsilo ka handevona ny sederan'i Libanona.
16Ako ste torej zvesto in pošteno ravnali, da ste si za kralja postavili Abimeleka, in ako ste dobro storili Jerub-baalu in hiši njegovi, ako ste mu poplačali delo rok njegovih
16Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin'ny nampanjakanareo an'i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin'i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon'ny tànany izy
17(zakaj moj oče se je bojeval za vas in žrtvoval življenje svoje in vas je rešil iz roke Madiancev;
17(fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Midiana;
18vi pa ste se danes vzdignili zoper očeta mojega hišo in ste umorili sinove njegove, sedemdeset mož na enem kamenu, in ste postavili Abimeleka, sina dekle njegove, za kralja sihemskim meščanom, ker je vaš brat):
18nefa ianareo kosa niodina tamin'ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin'ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin'ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),
19ako ste torej zvesto in pošteno ravnali z Jerub-baalom in s hišo njegovo ta dan, veselite se Abimeleka, tudi on naj se vas veseli!
19koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin'i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin'i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
20Ako pa ne, naj pride ogenj iz Abimeleka in požre sihemske meščane in hišo Milo, in pride naj ogenj iz sihemskih meščanov in iz hiše Mila in požre Abimeleka.
20Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin'i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin'ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an'i Abimeleka.[Heb. fiarovana]
21Nato se umakne Jotam in pobegne, in uide v Beer in se ondi nastani, boječ se Abimeleka, brata svojega.
21Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an'i Abimeleka rahalahiny.
22Ko pa je vladal Abimelek Izraelu tri leta,
22Ary rehefa nanapaka telo taona tamin'ny Isiraely Abimeleka,
23pošlje Bog hudega duha med Abimeleka in sihemske meščane; in Sihemljani so izdajalsko ravnali z Abimelekom,
23Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an'i Abimeleka,
24da pride osveta za nasilstvo, storjeno sedemdesetim sinovom Jerub-baalovim, in se njih kri povrne na Abimeleka, njih brata, ki jih je umoril, in na sihemske meščane, ker so mu ojačili roke, da ubije svoje brate.
24mba hitsingerenan'ny loza natao tamin'ny namonoana ny zanak'i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an'i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.[Heb. ran']
25In sihemski meščani so mu nastavili zasednike po vrhovih gorá, in ti so oplenjevali vse, ki so potovali mimo njih po cesti. In to se je sporočilo Abimeleku.
25Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.
26Gaal pa, sin Ebedov, pride s svojimi brati in se preseli v Sihem; in meščani sihemski so se zanesli nanj.
26Dia tonga tao Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy.
27In gredo ven na njive in obirajo vinograde in tlačijo grozdje, in napravijo veselico ter gredo v svojega boga hišo in jedo in pijejo in preklinjajo Abimeleka.
27Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an'i Abimeleka.
28In Gaal, sin Ebedov, reče: Kdo je Abimelek, in kaj je Sihem, da bi mu služili? Ni li on sin Jerub-baalov? in Zebul, ni li njegov upravitelj? Služite rajši možem Hemorja, očeta Sihemovega! Ker zakaj bi mi služili onemu?
28Ary hoy Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i Hamora, rain'i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
29O da bi bilo to ljudstvo pod mojo roko, in odpravil bi Abimeleka! In sporočijo Abimeleku: Pomnoži vojsko svojo in pridi!
29Ary enga anie ka ho eo ambanin'ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin'i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
30Ko pa zasliši Zebul, mestni poglavar, besede Gaala, sina Ebedovega, se razvname srd njegov.
30Ary rehefa ren'i Zebola, komandin'ny tanàna, ny tenin'i Gala, zanak'i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
31In v zvijači pošlje selstvo k Abimeleku in mu sporoči: Glej, Gaal, sin Ebedov, je prišel z brati svojimi v Sihem, in glej, silijo mesto, da se ti upre.
31Dia naniraka olona mangingina tany amin'i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy.
32Sedaj torej, vstani po noči in ljudstvo, ki je pri tebi, in napravi zasedo na polju.
32Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.
33Zjutraj pa, ko vzide solnce, vstani zgodaj in plani na mesto; in glej, ko pride on in ljudstvo, ki je pri njem, tebi nasproti, lahko jim storiš, kar premoreš.
33Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan'ny tananao.
34In Abimelek vstane po noči in vse ljudstvo, ki je bilo pri njem, in se skrijejo v zasedi proti Sihemu v štirih četah.
34Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin'i Sekema,
35In Gaal, sin Ebedov, pride ven in se postavi ob vhodu v mestna vrata. Abimelek pa vstane iz zasede in ljudstvo, ki je bilo pri njem.
35Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
36In ko vidi Gaal ljudstvo, reče Zebulu: Glej, neko ljudstvo prihaja doli z vrhov gorá. Zebul pa mu odgovori: Vidiš senco gorá in zdi se ti, da so ljudje.
36Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
37A Gaal zatrdi zopet in reče: Glej, ljudstvo prihaja z viška dežele, in ena četa gre sem po cesti k Hrastu čarovnikovemu.
37Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin'ny lalana eo amin'ny hazo terebinta Meonenima.[Heb. mpanandro]
38Tedaj mu reče Zebul: Kje so zdaj usta tvoja, ki so dejala: Kdo je Abimelek, da bi mu služili? Ni li to tisto ljudstvo, ki si ga zaničeval? Sedaj pa pojdi vendar in bojuj se ž njim!
38Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.
39In Gaal je šel na čelu sihemskih meščanov in se je bojeval zoper Abimeleka.
39Dia nivoaka teo anoloan'ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin'i Abimeleka.
40Toda Abimelek ga zapodi v beg, in zbeži pred njim; in mnogo jih je popadalo ubitih na poti do mestnih vrat.
40Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan'ny vavahady aza.
41In Abimelek je prebival v Arumi; Zebul pa je pregnal Gaala in brate njegove, da niso smeli bivati v Sihemu.
41Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an'i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony.
42In ko se drugi dan ljudstvo odpravi na polje, se to sporoči Abimeleku.
42Ary nony ampitson'iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany,
43In vzame svoje ljudstvo in ga razdeli v tri čete in preži v zasedi na polju; in pogleda, in glej, ljudstvo gre iz mesta, in plane nadnje ter jih pobije.
43Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.
44Abimelek namreč in četa, ki je bila pri njem, jih zaskoči in se postavi ob vhodu v mestna vrata; drugi dve četi pa naskočita vse, ki so bili na polju, ter jih pobijeta.
44Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
45In Abimelek se je bojeval zoper mesto ves tisti dan in ga dobil, in je pobil ljudstvo, ki je bilo v njem; in mesto je razdejal in ga posul s soljo.
45Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
46Ko pa to slišijo vsi gospodje sihemskega gradiča, stopijo v hram hiše boga Berita.
46Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin'ny efi-trano fierena tao an-tranon'i Berita andriamaniny izy.
47In sporoči se Abimeleku, da so se zbrali vsi gospodje sihemskega gradiča.
47Ary nolazaina tamin'i Abimeleka fa tafangona tao amin'ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.
48In Abimelek gre na goro Zalmon, on in vse ljudstvo, ki je bilo ž njim; in vzame sekiro v roko in odseka vejo z drevja, jo vzdigne in položi na ramo svojo in veli ljudstvu, ki je bilo ž njim: Kar ste me videli storiti, hitro storite po moje.
48Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.
49In odseka tudi vse ljudstvo, sleherni svojo vejo, in gredo za Abimelekom in polože veje okrog hrama in zažgo ž njimi hram, tako da poginejo vsi ljudje na sihemskem gradiču, okoli tisoč mož in žen.
49Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin'ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.
50Potem gre Abimelek proti Tebezu in ga oblega in dobi.
50Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin'i Tebeza ka nahafaka azy.
51Ali sredi mesta je bil močan stolp, kamor so zbežali vsi možje in žene in vsi mestni prvaki, in so zaprli za sabo in stopili na stolpovo streho.
51Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy.
52In Abimelek pride do stolpa in se bojuje zoper njega in pristopi do samih duri v stolp, da jih zažge.
52Ary Abimeleka nankany amin'ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran'ny tilikambo izy handoro azy amin'ny afo.
53Neka žena pa vrže vrhnji kamen ročnega mlina Abimeleku na glavo in mu razbije lobanjo.
53Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.[Heb. vato ambony]
54Tedaj pokliče Abimelek hitro mladeniča, ki mu je nosil orožje, in mu veli: Potegni svoj meč in me umori, da ne poreko o meni: Žena ga je ubila. In njegov hlapec ga prebode, da je umrl.
54Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
55Ko pa vidijo možje Izraelovi, da je Abimelek mrtev, odide vsak v svoj kraj.
55Ary rehefa hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin'ny fonenany avy izy.
56Tako je Bog poplačal Abimeleku zlo, ki ga je storil očetu svojemu, umorivši sedemdeset bratov svojih;tudi vse zlo sihemskih mož je Bog povrnil na njih glavo; in prišlo je nadnje prokletje Jotama, sina Jerub-baalovega.
56Izany no namalian'Andriamanitra ny ratsy nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny rainy tamin'ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.
57tudi vse zlo sihemskih mož je Bog povrnil na njih glavo; in prišlo je nadnje prokletje Jotama, sina Jerub-baalovega.
57Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.