Slovenian

Malagasy

Judges

14

1In Samson je šel doli v Timnato, in ondi je videl ženo izmed hčera Filistejcev.
1[Ny nanambadian'i Samsona ny vehivavy Filistina anankiray, sy ny namaliany ny Filistina] Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina.
2In ko pride gori, naznani očetu svojemu in materi svoji ter reče: Videl sem ženo v Timnati med hčerami Filistejcev, in sedaj mi jo vzemite za ženo!
2Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.
3Nato mu reče oče njegov in mati njegova: Ni li žene med hčerami bratov tvojih ali med vsem našim ljudstvom, da greš in jemlješ ženo od Filistejcev, tistih neobrezancev? A Samson reče očetu svojemu: Njo mi vzemi, ker ta je prava mojim očem.
3Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin'ny zana-kavanao, na ato amin'ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin'ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
4Oče in mati njegova pa nista vedela, da je to od GOSPODA; kajti iskal je prilike zoper Filistejce. Ta čas so namreč Filistejci vladali Izraelu.
4Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin'ny Filistina Izy; fa tamin'izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.[Na: izy]
5Odpravi se torej Samson z očetom in materjo svojo doli v Timnato. In ko pridejo k timnatskim vinogradom, glej, mlad lev mu pride rjoveč nasproti.
5Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
6In duh GOSPODOV pride z močjo nad njega, da raztrga leva, kakor bi raztrgal kozliča, dasi ni ničesar imel v roki; pa ni povedal očetu svojemu ali materi svoji, kar je bil storil.
6Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.
7In pride doli in govori s tisto ženo, in prava je bila očem Samsonovim.
7Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an'i Samsona izy.
8In za nekaj časa pride zopet, da jo vzame, in stopi s pota, da pogleda mrhovino tistega leva, in glej, roj čebel je bil v levovem truplu in med.
8Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona.
9In vzame si ga v roke in ga spotoma je, in ko pride k očetu svojemu in materi svoji, jima da, in tudi jesta; pa jima ni povedal, da je vzel med iz levovega trupla.
9Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely.
10In oče njegov pride doli k ženi, in Samson napravi ondi gostovanje; kajti tako je bilo v navadi pri mladeničih.
10Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo.
11In ko ga Filistejci ugledajo, mu pridružijo trideset tovarišev, da bodo pri njem.
11Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.
12In Samson jim reče: Dovolite, da vam dam uganko: ako mi jo uganete in zadenete v sedmih dneh gostovanja, vam hočem dati trideset spodnjih oblek in trideset prazničnih oblačil.
12Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.
13Ako je pa ne boste mogli uganiti, morate meni dati trideset spodnjih in trideset prazničnih oblačil. In mu reko: Zastavi uganko svojo, da jo čujemo!
13Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.
14In on jim reče: Iz požeruha je prišlo jedilo, in iz močnega je prišla sladkost. In po treh dnevih niso mogli uganke rešiti.
14Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin'ny mpihinana no nivoahan'ny hanina; Ary avy tao amin'ny mahery no nivoahan'ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin'ny hateloana.
15In sedmi dan reko Samsonovi ženi: Pregovori moža svojega, da nam razloži tisto uganko, sicer sežgemo tebe in tvojega očeta hišo z ognjem. Ste li nas zato sem povabili, da nas pripravite v uboštvo, ali kaj?
15Ary nony tamin'ny andro fahafito, dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin'ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va? [Na: (fahefatra)]
16Tedaj je plakala Samsonova žena pred njim, govoreč: Ti me le sovražiš in me ne ljubiš. Uganko si dal ljudstva mojega sinovom, a meni je nisi povedal. On pa ji reče: Glej, očetu svojemu in materi svoji nisem povedal, tebi naj pa razodenem?
16Ary ny vadin'i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?
17In plakala je pred njim sedem dni, dokler je trajalo njih gostovanje. In zgodi se sedmi dan, da ji razloži, ker ga je hudo nadlegovala. Ona pa izda uganko ljudstva svojega sinovom.
17Dia nitomany teo anatrehany tamin'ny hafitoana izay nisian'ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin'ny andro fahafito dia nolazain'i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneny.
18Reko mu torej možje iz mesta sedmi dan, preden je zašlo solnce: Kaj je slajše nego med? in kaj močnejše nego lev? On pa jim reče: Ko bi ne bili orali z mojo junico, ne bi bili pogodili uganke moje.
18Ary nony tamin'ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.
19In duh GOSPODOV pride z močjo nad njega, in gre doli v Askelon in pobije trideset mož izmed njih, in vzame njih obleko in da praznična oblačila tistim, ki so razložili uganko. In jeza se mu razvname, in odide gori v očeta svojega hišo.Žena Samsonova pa je bila dana enemu izmed tovarišev njegovih, s katerim se je bil sprijateljil.
19Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian'ireo ka nomeny ho an'izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran'i Samsona, ka niakatra nankany amin'ny tranon-drainy izy.Ary ny vadiny dia lasan'ny namany, izay efa nataony sakaizany.
20Žena Samsonova pa je bila dana enemu izmed tovarišev njegovih, s katerim se je bil sprijateljil.
20Ary ny vadiny dia lasan'ny namany, izay efa nataony sakaizany.