1Zgodi se pa za nekaj časa, v dneh pšenične žetve, da obišče Samson ženo svojo in ji prinese kozliča. In reče: Pojdem noter k ženi svoji v stanico. A ni mu dovolil njen oče vstopiti.
1Ary nony afaka kelikely, tamin'ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak'osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin'ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
2In reče oče njen: Res sem mislil, da si ji postal sovražen, in sem jo dal tovarišu tvojemu. Ni li mlajša sestra njena lepša nego ona? Ta bodi tvoja namesto one.
2fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an'ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masina ianao, aoka izy halainao ho solony.
3Nato jim reče Samson: Sedaj pa ne bodem kriv proti Filistejcem, ako jim bom škodo delal.
3Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
4In Samson odide in ulovi tristo lisic in vzame bakle in zveže po dve in dve za repe ter dene vselej baklo med dva repa
4Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon'ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan'ny rambony ilay hatao fanilo.
5in jih prižge z ognjem, in jih pusti v žito Filistejcev in požge tako snopje in še rastoče žito in tudi olivnike.
5Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
6Tedaj reko Filistejci: Kdo je to storil? In odgovore: Samson, zet Timnatejca, ker mu je vzel ženo in jo dal njegovemu tovarišu. In Filistejci pridejo ter sežgo njo in očeta njenega z ognjem.
6Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton'ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an'ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin'ny afo.
7In Samson jim reče: Če tako delate, gotovo ne neham, dokler se ne maščujem nad vami!
7Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.
8In jim razbije pleča in ledja s hudimi udarci. Potem gre dol in prebiva v skalni razpoki v Etamu.
8Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak'ilay harambato mitresaka any Etama.
9Tedaj pridero Filistejci gori in se ušatore na Judovem in se razprostro v Lehi.
9Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin'ny Joda ka niely tany Lehy.
10Možje Judovi pa reko: Zakaj ste prišli gori zoper nas? Odgovore: Prišli smo zvezat Samsona, da mu storimo, kakor je storil nam.
10Ary hoy ny lehilahy amin'ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an'i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.
11Nato gre tri tisoč mož iz Jude doli k skalni razpoki v Etamu, in reko Samsonu: Ali ne veš, da nam vladajo Filistejci? Kaj je torej to, kar si nam storil? In jim reče: Kakor so oni storili meni, tako sem storil njim.
11Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin'ny Joda nankany amin'ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin'i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
12Reko mu: Prišli smo doli te zvezat in izdat Filistejcem v roke. Samson jim veli: Prisezite mi, da me vi ne ubijete!
12Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan'ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.
13Odgovore mu, rekoč: Nikar, hočemo te le zvezati in te njim dati v roke; res te ne umorimo. In so ga zvezali z dvema novima vrvema in ga peljali gori od skale.
13Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay harambato.
14Ko pride v Leho, zavriskajo Filistejci in mu gredo naproti. A duh GOSPODOV pride z močjo nad njega, in vrvi na rokah njegovih postanejo kakor niti, ko jih ogenj osmodi, in vezila njegova padejo z rok njegovih.
14Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin'i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin'ny afo ny mahazaka teny amin'ny sandriny ary afaka tamin'ny tànany ny fatorana.
15In najde čeljust oslovsko, še sirovo, ter iztegne roko in jo pobere in pobije ž njo tisoč mož.
15Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.
16In Samson reče: Z oslovsko čeljustjo sem naredil eno kopo, dve kopi, z oslovsko čeljustjo sem pobil tisoč mož.
16Ary hoy Samsona: Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
17In ko je to izrekel, vrže čeljust iz roke, in tisti kraj imenuje Ramat-lehi [T. j. Grič čeljusti.].
17Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy.[Ramata-hely = Havoanan'ny valanorano]
18Bil pa je silno žejen, in kliče h GOSPODU in reče: Ti si dal tako veliko rešitev po roki hlapca svojega, in sedaj da bi umrl žeje in padel neobrezancem v roke!
18Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin'ny tanan'ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan'ny tsy mifora!
19Tedaj razkolje Bog votlino, ki je v Lehi, in priteče voda iz nje; in ko se napije, se mu povrne duh in oživi. Zatorej so jo imenovali Studenec kličočega, ki je v Lehi do današnjega dne.In on je sodil Izraela za časa Filistejcev dvajset let.
19Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.[En-hakore = Loharanon'ilay niantso]Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin'ny andron'ny Filistina izy.
20In on je sodil Izraela za časa Filistejcev dvajset let.
20Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin'ny andron'ny Filistina izy.