Slovenian

Malagasy

Lamentations

3

1Jaz sem tisti mož, ki okuša bridkost po šibi togote njegove.
1[Ny amin'ny fitondrana alahelo, sy ny fampiononana ataon'Andriamanitra][ALEFA]Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany.
2Mene vodi in goni po temi, ne pa po svetlobi.
2Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava.
3Samo meni nasprotujoč, obrača proti meni roko svojo ves dan.
3Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
4Storil je, da se je postaralo meso moje in koža moja, kosti moje je potrl.
4[BETA] Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
5Zidal je zoper mene in me obdal s strupeno grenkobo in nadlogo.
5Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
6Velel mi je bivati v temnih krajih, kakor tisti, ki so mrtvi za vselej.
6Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
7Ogradil me je, da ne morem uiti, dejal me je v težko železje.
7[GIMELA] Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
8Ko tudi kličem in vpijem, ne pusti k sebi prošnje moje.
8Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
9Pota moja je zagradil z rezanim kamenjem, steze mi je izprevrgel.
9Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
10Kakor prežeč medved mi je, kakor lev v zasedi.
10[DALETA] Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin'ny fierena;
11Pota moja je napravil tavajoča in me je raztrgal, me opustošil.
11Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
12Napel je lok svoj in me je postavil pšici svoji za cilj.
12Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
13V ledice moje je izpustil tula svojega strelice.
13[HE] Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin'ny voako Izy.[Heb. zanaky ny tranon-jana-tsipìka]
14V smeh sem vsemu ljudstvu svojemu, njih pesmica ves dan.
14Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
15Nasitil me je z najhujšo bridkostjo, upijanil me je s pelinom.
15Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
16In s kamenjem mi je zdrobil zobe, povalil me je v pepel.
16[VAO] Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho.
17In vržena je daleč od miru duša moja, pozabil sem, kar je sreča.
17Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
18In rekel sem: Izginila je moč moja in moje upanje v GOSPODA.
18Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah.
19Spomni se edinščine moje in tavanja mojega, pelina in grenkega strupa!
19[ZAINA] Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
20Spominja se tega vedno duša moja in je potrta v meni.
20Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
21To si hočem vtisniti v srce, zato bom upal:
21Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
22Prevelika dobrotljivost GOSPODOVA je, da nismo docela pokončani, ker nima konca usmiljenje njegovo,
22[HETA] Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
23novo je vsako jutro; preobila je zvestoba tvoja.
23Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
24Delež moj je GOSPOD, govori duša moja, zato bom upal vanj.
24Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
25Dober je GOSPOD njim, ki ga čakajo, duši, ki ga išče.
25[TETA] Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy.
26Dobro je možu, da upa in tiho čaka rešitve GOSPODOVE.
26Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana.
27Dobro je možu, da je nosil jarem v mladosti svoji.
27Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
28Samoten naj sedi in molči, ker mu ga je naložil Gospod.
28[JODA] Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
29V prah naj položi usta: morda je še upanje.
29Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
30Njemu, ki ga bije, naj pomoli lice svoje; nasiti se naj s sramoto.
30Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
31Kajti Gospod ne zameta vekomaj;
31[KAFA] Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
32marveč, ko je užalostil, se tudi usmili po obilosti dobrot svojih.
32Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony.
33Nikakor ne muči iz srca, ne žali otrok človeških.
33Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona.
34Če kdo gazi vse zvezane na zemlji,
34[LAMEDA] Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra,
35če zavija pravico možu pred obličjem Najvišjega,
35Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra,
36če prekanja človeka v pravdi njegovi: ne bo li Gospod pazil na to?
36Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.[Heb. jeren']
37Kdo je, ki je velel, in se je zgodilo, če ni tega zapovedal Gospod?
37[MEMA] Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo?
38Ali ne prihaja iz ust Najvišjega hudo in dobro?
38Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ?
39Kaj bi tožil človek, dokler živi? Vsakdo naj toži zaradi svojih grehov!
39Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy? [Na: Eny, nahoana no imonomononan'ny olona, raha mijaly noho ny fahotany?]
40Preiskujmo ter izsledujmo pota svoja in vrnimo se do GOSPODA!
40[NONA] Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah.
41Povzdignimo dušo svojo z rokami vred k Bogu mogočnemu v nebesih!
41Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
42Mi, mi smo se pregrešili in se uprli; ti nisi odpustil.
42Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
43Ogrnil si se z jezo in preganjal nas, moril si brez milosti.
43[SAMEKA] Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
44Z oblakom si se ogrnil, da ne predere molitev.
44Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
45Za nesnago in izmeček si nas postavil sredi ljudstev.
45Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay.
46Vsi sovražniki naši so usta svoja razširili zoper nas.
46[PE] Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
47Groza in jama sta blizu nas, razdejanje in poguba.
47Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
48Potoke vodá toči oko moje zavoljo pogube hčere mojega ljudstva.
48Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko noho ny faharatran'ny oloko zanakavavy.
49Oko moje se solzi in ne neha, ni nobenega prestanka,
49[AINA] Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
50dokler se GOSPOD iz nebes ne ozre in ne vidi.
50Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
51Oko moje mi žali srce zavoljo vseh hčer mesta mojega.
51Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra.
52Lovili so me hudo kakor ptičico, kateri me sovražijo brez vzroka.
52[TSADE] Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
53V jamo so pehnili življenje moje, da me uničijo, in kamenje so lučali v me.
53Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
54Vode so mi kipele čez glavo, dejal sem: Pokončan sem!
54Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity![Heb. Voajinja]
55Klical sem ime tvoje, o GOSPOD, iz jame pregloboke.
55[KOFA] Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
56Glas moj si čul; ne skrivaj ušesa svojega zdihovanju mojemu, vpitju mojemu.
56Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
57Približal si se tisti dan, ko sem klical; rekel si: Ne boj se!
57Nanakaiky Hianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
58Sodil si, Gospod, pravdo duše moje, odrešil si življenje moje.
58[RESY] Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
59Videl si, o GOSPOD, krivico, ki se mi godi; razsodi pravdo mojo!
59Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
60Videl si vse njih maščevanje in vse njih naklepe zoper mene.
60Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
61Slišal si njih zasramovanje, o GOSPOD, in vse njih namere zoper mene,
61[SINA] Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
62govorjenje tistih, ki so vstali nadme, in njih izmišljevanje zoper mene ves dan.
62Dia ny molotr'izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
63Glej jih, ko sede in ko vstajajo, da jim sem za pesmico!
63Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
64Plačaj jim povračilo, GOSPOD, po njih rok delu.
64[TAO] Hovalianao araka ny asan'ny tànany izy, Jehovah ô.
65Daj jim zaslepljenost srca, prokletje tvoje pridi nadnje!Preganjaj jih v jezi in zatri jih izpod nebes GOSPODOVIH!
65Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah.
66Preganjaj jih v jezi in zatri jih izpod nebes GOSPODOVIH!
66Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah.