Slovenian

Malagasy

Lamentations

4

1Kako je otemnelo zlato, se izpremenilo odlično zlato! Kako je raztreseno kamenje svetišča po vseh voglih in ulicah!
1[Fietren-tena noho ny fitsarana ataon'Andriamanitra, ary fanantenam-pamonjena] Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.
2Sinovi Siona, predragi, ki bi jih bilo ceniti z zlatom najčistejšim, kako se čislajo za vrče prstene, za izdelek rok lončarjevih!
2Indrisy! ny zanaka mahafinaritr'i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan'ny mpanefy tanimanga!
3Celo šakali ponujajo prsi, dojé mladiče svoje, ali ljudstva mojega hči je neusmiljena kakor noji v puščavi!
3Na dia ny amboadia aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.[Na: jakala]
4Jezik lepí dojenčku na nebesu od žeje; otročiči prosijo kruha, a ni ga, da bi ga delil.
4Ny lelan'ny zaza minono miraikitra amin'ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.
5Oni, ki so jedli slaščice, premirajo po ulicah; oni, ki so bili vzrejeni v škrlatu, objemajo blato.
5Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin'ny jaky dia mandamaka eny amin'ny zezika.[Heb. Naziritany]
6In hujša je krivda ljudstva mojega hčere nego krivda Sodome, ki je bila podrta nagloma, roke se niso utrudile ž njo.
6Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok'i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,
7Čistejši nego sneg so bili knezi njeni, bolj beli nego mleko, bolj rdeči po životu nego korale, gladki kakor safir.
7Ny lehibeny dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.[Heb. Naziritany][Na: perila]
8Temnejša od črnine je sedaj njih podoba, ne poznajo jih na ulicah; njih koža se je zrasla ž njih kostmi, suha je kakor les.
8Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin'ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.
9Bolje je pomorjenim z mečem nego pomorjenim z lakoto, ker ti umirajo prebodeni s stradanjem, ker ni poljskega sadú.
9Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian'ny vokatry ny saha.
10Roke žen usmiljenih so kuhale otroke svoje, za hrano so jim bili ob razdejanju hčere ljudstva mojega.
10Ny tanan'ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin'ny fandringanana ny oloko zanakavavy.
11GOSPOD je dopolnil togoto svojo, srdito jezo svojo je izlil in ogenj zažgal na Sionu, ki je požrl podstave njegove.
11Tanterahin'i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
12Ne bi bili verjeli kralji zemeljski in vsi prebivalci vesoljnega sveta, da pride zatiralec in sovražnik v vrata jeruzalemska.
12Ny mpanjakan'ny tany sy ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin'ny vavahadin'i Jerosalema.
13Zgodilo se je zavoljo grehov prorokov njegovih, krivic duhovnikov njegovih, ki so prelivali sredi njega kri pravičnih.
13Noho ny fahotan'ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran'ny marina tao aminy, no nahatongavan'izao.
14Kakor slepci so tavali po ulicah, ognušeni so bili s krvjo, da se niso hoteli ljudje dotekniti njih oblačil.
14Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.
15„Umeknite se, nečisti!“ so vpili proti njim, „umeknite se, umeknite, ne doteknite se!“ Ko so bežali, so tudi tavali, in med narodi se je govorilo: Ne smejo več pri nas prebivati!
15Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin'ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
16Srdito obličje GOSPODOVO jih je razkropilo, ne bo jih gledal več. Na duhovnike se niso ozirali, starčkom niso prizanašali.
16Ny fahatezeran'i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain'ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.[Heb. tavany]
17Še nam oči hirajo v hrepenenju po prazni pomoči; z ogledovalnice svoje gledamo proti narodu, ki ne bo rešil.
17Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin'ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.
18Lové stopinje naše, da ne moremo hoditi po ulicah svojih. Bliža se konec naš, dovršujejo se dnevi naši, da, konec naš je že prišel.
18Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.
19Hitrejši so bili naši preganjalci nego orli pod nebom: po gorah so nas podili, v puščavi so nas zalezovali.
19Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin'ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.
20Dih življenja našega, maziljenec GOSPODOV, je bil ujet v njih jamah; o katerem smo rekli: V senci njegovi bomo živeli med narodi.
20Ny fofonainay, ilay voahosotr'i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin'ny alokalony no hahavelona anay any amin'ny firenena.
21Veséli in raduj se, o hči Edomova, prebivalka v deželi Uzovi! Tudi k tebi pride čaša, upijaniš se in slečeš se do nagega.Končana je kazen krivde tvoje, o hči sionska! ne bo te več vodil v pregnanstvo. Ozre se v krivico tvojo, o hči Edomova, odkrije grehe tvoje.
21Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin'ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.
22Končana je kazen krivde tvoje, o hči sionska! ne bo te več vodil v pregnanstvo. Ozre se v krivico tvojo, o hči Edomova, odkrije grehe tvoje.
22Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.