Slovenian

Malagasy

Lamentations

5

1Spomni se, o GOSPOD, kaj nas je zadelo, ozri se in poglej sramoto našo!
1[Fitarainana amin'Andriamanitra sy fangatahana ny hodian'ny soa nananana fahiny] Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
2Dediščina naša je pripadla tujcem, hiše naše inozemcem.
2Ny lovanay dia afindra ho an'ny vahiny ary ny tranonay ho an'ny hafa firenena.
3Sirote smo, brez očeta, matere naše so kakor vdove.
3Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
4Vode svoje pijemo za denar, drva svoja dobivamo za plačilo.
4Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
5Preganjalci naši nam stopajo na vrat; utrujeni smo, ne dovolijo nam pokoja.
5Rambondrambonan'ny mpanenjika amin'ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
6Egipčanu molimo roko, tudi Asircu, da se nasitimo kruha.
6Nanolo-tanana tamin'ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
7Očetje naši so grešili, in ni jih več; nam pa je nositi njih krivice.
7Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
8Hlapci nam gospodujejo; nikogar ni, ki bi nas oprostil iz njih roke.
8Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin'ny tànany.
9Z nevarnostjo življenja svojega prinašamo kruh svoj spričo meča puščave.
9Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
10Koža naša je začrnela kakor peč zavoljo vroče lakote.
10Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin'ny mosary.
11Žene na Sionu so oskrunjali, device po mestih Judovih.
11Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.
12Poglavarje obešajo njih roke, starčkov obličje se ne časti.
12Nahantona tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
13Mladeniči nosijo mlinske kamene in dečki padajo pod lesom.
13Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
14Starci so nehali shajati se med vrati, mladeniči na petje svoje.
14Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
15Minilo je srca našega veselje, v žalost se je preobrnil naš ples.
15Ny hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
16Venec naše glave je padel. Gorje nam! ker smo grešili.
16Efa afaka ny satro-boninahitra tamin'ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
17Zato omedleva srce naše, zavoljo tega so nam otemnele oči:
17Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
18zavoljo gore Sionske, ki je opustošena; lisice prosto hodijo po njej.
18Noho ny amin'ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen'ny amboahaolo.
19Ti, GOSPOD, ostaneš vekomaj, prestol tvoj od roda do roda.
19Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.
20Zakaj nas vekomaj pozabljaš, hočeš li nas zapustiti za dolge čase?
20Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ?
21Pelji nas nazaj k sebi, o GOSPOD, da se povrnemo; ponovi dni naše kakor v prejšnjih časih!Ali bi nas popolnoma zavrgel, razsrdil se zoper nas tako silno?
21Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?
22Ali bi nas popolnoma zavrgel, razsrdil se zoper nas tako silno?
22Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?