1In GOSPOD je govoril Mojzesu in Aronu, rekoč:
1[Ny lalàna ny amin'ny habokana sy ny aretina mitovitovy aminy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2Če dobi človek na koži mesa svojega izpuščaj ali krasto ali svetlo pego, kakor da bi bilo na koži mesa njegovega znamenje gob, naj ga privedejo k Aronu, duhovniku, ali h kateremu sinov njegovih, duhovnikov.
2Raha misy mamontsina eo amin'ny hoditry ny nofon'ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin'ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin'i Arona mpisorona izy, na ho eo amin'izay iray amin'ny mpisorona, zanak'i Arona;
3Duhovnik pa ogleda boleznivo reč na koži mesa njegovega: ako se je kosmatina na boleznivem kraju pobelila in boleznivina se vidi globokejša nego koža mesa njegovega, gobava bolezen je; duhovnik ga torej pregleda in ga proglasi za nečistega.
3koa raha zahan'ny mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.
4Ako pa je bela pega na koži mesa njegovega, pa se ne vidi globokejša nego koža in tudi kosmatina na njem se ni pobelila, naj zapre duhovnik za tako boleznijo bolnega sedem dni.
4Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin'ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.
5In sedmi dan ga ogleda duhovnik, in glej, znamenje bolezni, kakor mu kažejo oči, je ostalo, a se ni razširilo po koži: tedaj ga duhovnik zapre sedem dni v drugič.
5Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy;
6In sedmi dan naj ga ogleda duhovnik zopet, in glej, boleznivo znamenje je otemnelo in se ni razširilo po koži: duhovnik ga torej proglasi za čistega; krasta je, in opere naj si oblačila, in bode čist.
6ary raha zahan'ny mpisorona indray amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
7Ako pa se razširi krasta po koži, potem ko se je pokazal duhovniku v očiščenje, naj se drugič pokaže duhovniku;
7Fa raha nanitatra teo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fanadiovana azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.
8in duhovnik ga ogleda, in glej, krasta se je res razširila po koži: tedaj ga duhovnik proglasi za nečistega; gobe so.
8Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin'ny hoditra ny manako-pery, dia hataony hoe maloto izy: habokana izany.
9Ko je znamenje gob na človeku, naj ga privedejo k duhovniku.
9Raha misy habokana amin'ny olona, dia ho entina any amin'ny mpisorona izy;
10In duhovnik ga ogleda, in glej, na koži ima bel izrinek, od katerega se je kosmatina pobelila, in hudo meso je zraslo na izrinku:
10ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny mamontsina,
11stare gobe so v koži njegovega mesa, zato naj ga duhovnik proglasi za nečistega; ne zapre naj ga, ker je nečist.
11dia habokana efa ela teo amin'ny hoditry ny nofony izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto.
12Ako pa se gobe izrinejo na koži in pokrijejo vso kožo bolnikovo od glave do nog njegovih, kamor koli pogleda duhovnik;
12Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin'ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr'ilay marary hatramin'ny lohany ka hatramin'ny tongony, na aiza na aiza zahan'ny mpisorona,
13in duhovnik ga ogleda, in glej, gobe pokrivajo vse telo njegovo: tedaj naj proglasi bolnika za čistega; če se je povsem premenilo v belo, je čist.
13ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
14Kadarkoli pa se prikaže hudo meso na njem, bode nečist.
14Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy.
15In zagleda li duhovnik hudo meso, naj ga proglasi za nečistega; hudo meso je nečisto, gobe so.
15Ary raha zahan'ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena: habokana izany.
16Če se pa hudo meso premeni in izprevrne v belo, naj pride k duhovniku;
16Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin'ny Mpisorona izy;
17in duhovnik ga ogleda, in glej, znamenje bolezni se je izprevrnilo v belo: tedaj naj proglasi duhovnik njega, ki ima to nadlogo, za čistega; čist je.
17ary raha zahan'ny mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.
18In če se naredi ulje na mesu, na njegovi koži, pa se zaceli,
18Ary raha misy fery sitrana eo amin'ny hoditry ny nofo,
19in na mestu uljesa je bel izrinek ali svetlordeča pega: naj se pokaže duhovniku;
19ary misy fotsy mamontsina eo amin'ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin'ny mpisorona izy.
20in duhovnik ga ogleda, in glej, vidi se to globočje nego koža in kosmatina se je ondi pobelila: tedaj naj ga duhovnik proglasi za nečistega; bolezen gob je, v uljesu so nastale.
20Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin'ny fery izany.
21Ali če ga duhovnik ogleda, in glej, ni bele kosmatine na njem in ni globočje od kože, a je otemnelo, naj ga zapre duhovnik sedem dni;
21Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy;
22in ako se razširi po koži, naj ga duhovnik proglasi za nečistega; bolezen je.
22ary raha nanitra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana izany.
23Ako pa ostane pega na svojem mestu in se ne razraste: brazgotina je po uljesu, in duhovnik naj ga proglasi za čistega.
23Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin'ny fery izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
24Ali pa če je spečenina na mesu, na koži njegovi, in na hudem mesu spečenine se naredi svetlordeča ali bela pega;
24Ary raha misy main'ny afo eo amin'ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena,
25in duhovnik ga ogleda, in glej, kosmatina se je pobelila na pegi in pega se vidi globočja nego koža: gobe so, v spečenini so se izpustile; duhovnik naj ga torej proglasi za nečistega; gobavost je.
25ary zahan'ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny itoeran'ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin'ny may izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
26Če ga pa duhovnik ogleda, in glej, nobene bele kosmatine ni ob pegi ter nižja ni nego koža in je otemnela: naj ga duhovnik zapre sedem dni.
26Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin'ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy,
27In sedmi dan naj ga ogleda duhovnik; ako se je pega razširila po koži, naj ga duhovnik proglasi za nečistega; gobavost je.
27ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.
28Če pa je pega ostala na svojem mestu in se ni razširila po koži, a je temna: izrinek je spečenine, in duhovnik naj ga proglasi za čistega, kajti brazgotina je po spečenini.
28Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin'ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin'ny may izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
29In ako dobi mož ali žena boleznivo znamenje na glavi ali na bradi,
29Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin'ny lohany na eo amin'ny saokany,
30naj ogleda duhovnik boleznivino: in glej, kaže se globočja od kože in je na njej žolta, tenka kosmatina, naj ga torej duhovnik proglasi za nečistega: krastovina je, gobe so na glavi ali na bradi.
30ary zahan'ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin'ny loha na eo amin'ny saoka izy.
31Če pa duhovnik pregleda krastavo znamenje, in glej, ne kaže se globočje od kože, tudi ni črne kosmatine na njem: zapre naj ga duhovnik krastavega sedem dni.
31Fa raha zahan'ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.
32In ko ogleda duhovnik bolezen sedmi dan, in glej, kraste se niso dalje razrasle in ni žolte kosmatine na njih in krastovina se ne kaže globočja nego koža,
32Ary raha zahan'ny mpisorona ny aretina amin'ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny aretina, atỳ tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,
33naj se človek obrije, pa krastovine ne obrije; in duhovnik naj zapre krastavega sedem dni drugič.
33dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.
34In sedmi dan ogleda duhovnik kraste in razvidi, da se krastovina ni razširila po koži in se ne kaže globočja od kože: tedaj naj ga duhovnik proglasi za čistega, in opere naj si oblačila, in bode čist.
34Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
35Ako se pa krastovina razširi po koži, potem ko je bil za čistega proglašen,
35Fa raha nanitatra teo amin'ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,
36in duhovnik ga pregleda, in glej, krastovina se je razrasla po koži, ne ozira naj se po žolti kosmatini: nečist je.
36dia hozahan'ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy.
37Ako pa se je, kakor mu oči kažejo, krastovina ustavila in zrasla na njej črna kosmatina, so se zacelile kraste: čist je, in duhovnik naj ga proglasi za čistega.
37Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
38In če dobi mož ali žena maroge po koži mesa svojega, belognojne maroge,
38Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin'ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy mangirana,
39in duhovnik jih pregleda, in glej, po koži njih mesa so blede, belognojne maroge: izpuščaj je, ki se je izrinil na kožo; človek je čist.
39ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin'ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin'ny hoditra izany, madio izany.
40Ako možu lasje gredo z glave, je plešec, pa je čist;
40Ary ny amin'ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.
41tudi če mu lasje opolznejo s prednje strani temena, je spredaj plešast, pa je čist.
41Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin'ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.
42Ako pa je na prednji ali na zadnji plešini belordečkasto znamenje, so gobe, ki so se izpehnile na prednji ali na zadnji plešini njegovi.
42Fa raha misy aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin'ny loha sola, na amin'ny mazavaray izany
43In duhovnik ga ogleda, in glej, izrastek boleznivega znamenja je belordečkast na njegovi prednji ali zadnji pleši in se vidi kakor gobe na koži mesa,
43Ary raha zahan'ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin'ny aretina eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, tahaka ny fisehon'ny habokana eo amin'ny hoditry ny nofo,
44tedaj je mož gobavec: nečist je, in duhovnik naj ga odločno proglasi za nečistega; bolezen svojo ima na glavi.
44dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon'ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin'ny lohany ny aretina.
45Zastran gobavca pa, ki ima bolezen: oblačila naj ima natrgana in glavo razkrito in ustnice naj si pokriva ter vpije: Nečist, nečist!
45Ary ny amin'izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!
46Vse dni, dokler ima bolezen, naj ga štejejo za nečistega; nečist je, sam naj prebiva, zunaj šatorišča bodi njegov stan.
46Amin'ny andro rehetra izay haharariany amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan'ny toby no itoerany.
47In če se pojavi znamenje gob na obleki, bodisi volnata ali platnena obleka,
47Amin'ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon'ondry, na fitafiana rongony,
48naj bo na osnutku ali na votku, platnenem ali volnatem, ali na koži, ali na kakršnikoli kožuhovini:
48sy izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon'ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra,
49če je znamenje zelenkasto ali rdečkasto na obleki ali na koži, ali na osnutku ali na votku, ali na kakršnikoli pripravi iz kože, tedaj je znamenje gob, in naj se pokaže duhovniku.
49raha maitsomaitso na menamena eo amin'ny fitafiana ny aretina, na eo amin'ny hoditra, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin'ny mpisorona.
50In duhovnik naj ogleda znamenje in zapre tisto, na čemer je znamenje, sedem dni.
50Ary hozahan'ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.
51In če zazna sedmi dan, da se je znamenje razširilo po obleki, ali po osnutku ali po votku, ali po koži, pri čemerkoli se rabi koža: znamenje to so razjedljive gobe; nečisto je.
51Ary raha zahany ny aretina amin'ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny aretina, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.
52Sežge naj se torej obleka, ali osnutek ali votek, volnat ali platnen, ali katerakoli priprava iz kože, ki je na njej znamenje to; zakaj razjedljive gobe so: mora se sežgati z ognjem.
52Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na volon'ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin'ny afo.
53Ako pa to duhovnik pregleda, in glej, znamenje se ni razširilo po obleki, ali po osnutku ali po votku, ali na kakršnikoli pripravi iz kože,
53Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin'ny fitafiana, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra,
54naj zapove, da se opere tisto, na čemer je tako znamenje; potem naj zapre to sedem dni drugič.
54dia hasain'mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy;
55In duhovnik ogleda znamenje, potem ko se je opralo, in glej, znamenje ni premenilo svoje podobe, čeprav se ni razširilo: nečisto je, z ognjem naj se sežge; razjedljiva stvar je na robu ali na licu.
55ary rehefa voasasa izy, dia hozahan'ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin'ny afo; aretina mafy izany, na amin'ny atiny, na amin'ny ivelany.
56In če to duhovnik ogleda, in glej, znamenje je obledelo po pranju, naj je odtrga od obleke, ali od kože, ali od osnutka ali od votka.
56Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin'ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin'ny hoditra, na ho afaka amin'ny tenany, na izay ho fahany.
57Ako se pa bo še videlo na obleki, ali na osnutku ali na votku, ali na čemerkoli iz kože: gobe so, ki se vnovič izpuščajo; z ognjem sežgi, na čemer je znamenje to.
57Ary raha mbola misy miseho eo amin'ny fitafiana indray izy, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin'ny afo izay misy izany.
58Obleka pa, ali osnutek ali votek, ali katerakoli priprava iz kože, ki jo izpereš, in znamenje izgine: drugič se mora oprati, in potem je čista.To je postava zastran znamenja gob na obleki, volnati ali platneni, ali na osnutku ali na votku, ali na katerikoli pripravi iz kože, kako naj se proglasi za čisto ali nečisto.
58Ary ny fitafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.Izany no lalàna ny amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.
59To je postava zastran znamenja gob na obleki, volnati ali platneni, ali na osnutku ali na votku, ali na katerikoli pripravi iz kože, kako naj se proglasi za čisto ali nečisto.
59Izany no lalàna ny amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.