Slovenian

Malagasy

Leviticus

14

1In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
1Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2To bodi postava gobavcu na dan očiščenja njegovega: Pripeljejo naj ga k duhovniku;
2Izao no lalàna ny amin'ny boka amin'ny andro fanavotana azy: ho entina any amin'ny mpisorona izy;
3duhovnik pa naj pride ven iz šatorišča in ga ogleda, in glej, boleznivo znamenje gob je zaceljeno na gobavcu:
3dia hivoaka eny ivelan'ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin'ny habokany ny boka,
4ukaži torej duhovnik, da naj vzamejo za njega, ki ima biti očiščen, dve živi, čisti ptici in cedrovega lesa in karmezina in izopa.
4dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ho an'ilay hodiovina;
5In ukaži duhovnik, naj zakoljejo eno teh ptic v prsteno posodo nad tekočo vodo.
5Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha;
6Živo ptico pa vzame in cedrovino in karmezin in izop in omoči vse v krvi nad živo vodo zaklane ptice,
6Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha.
7in poškropi naj sedemkrat njega, ki želi biti očiščen gob, in ga proglasi za čistega; potem spusti živo ptico, da zleti na plano.
7Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
8Tisti pa, ki se očiščuje, naj si opere oblačila in si obrije vso kosmatino in se izkoplje v vodi, in je čist. In potem sme priti v šatorišče, ostane pa naj zunaj šatora svojega sedem dni.
8Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana.
9In sedmi dan naj si obrije vso kosmatino, glavo ter brado in obrvi; da, vse lase naj si obrije in opere oblačila in telo si izkoplje v vodi; in je čist.
9Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.
10Osmi dan pa naj vzame dve jagnjeti, brez madeža, in ovco enoletno, brez hibe, in tri desetinke bele moke v jedilno daritev, pomešane z oljem, in log olja.
10Ary amin'ny andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
11Duhovnik pa, ki ga očiščuje, naj postavi moža, ki ima biti očiščen, z vsem tem pred GOSPODA, pri vratih shodnega šatora.
11Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
12In duhovnik vzemi eno jagnje in ga daruj v daritev za krivdo in log olja, in majaj oboje kot daritev majanja pred GOSPODOM;
12dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
13in zakolje naj jagnje na kraju, kjer se koljejo daritve za greh in žgalščine, na svetem kraju; zakaj kakor daritev za greh je duhovniku odmenjena tudi daritev za krivdo: presveta je.
13Ary hamono ny zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany.
14In vzame naj duhovnik krvi daritve za krivdo ter jo deni na desno ušesno mečico očiščevanca in na desni palec roke in na desni palec noge njegove.
14Dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,
15In vzame naj duhovnik nekoliko od loga olja in si ga vlije na levo roko,
15ary ny diloilo iray loga dia hangalan'ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;
16in omoči naj desni prst svoj v olju, ki je na levi dlani njegovi, in s prstom naj škropi olje sedemkrat pred GOSPODOM.
16dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin'ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah.
17Od ostanka olja pa, ki je na dlani njegovi, naj dene duhovnik na desno ušesno mečico očiščevanca in na desni palec roke in na desni palec noge njegove, vrh krvi daritve za krivdo.
17ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
18Ostanek olja pa, ki je na roki duhovnikovi, naj dene očiščevancu na glavo; in tako naj izvrši duhovnik poravnavo zanj pred GOSPODOM.
18ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona.
19In naj opravi duhovnik daritev za greh in stori poravnavo za očiščevanca zaradi nečistote njegove, in potem naj zakolje žgalno daritev.
19Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina hahafahany amin'ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;
20Žgalno pa in jedilno daritev naj daruje duhovnik na oltarju ter izvrši poravnavo zanj, in bode čist.
20ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin'ny alitara ka hanao fanavotana ho an'ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
21Ako je pa ubožen in toliko ne premore, naj vzame eno jagnje v dar za krivdo, v daritev majanja, da se stori poravnava zanj, in desetinko bele moke, oblite z oljem, v jedilno daritev, in log olja
21Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak'ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga
22in dve grlici ali dva golobiča, kakršna si lahko priskrbi, in eden bodi v daritev za greh in drugi v žgalno daritev.
22ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.
23In naj to prinese osmi dan po očiščenju svojem k duhovniku, k vratom shodnega šatora, pred GOSPODA.
23Dia ho eniny any amin'ny mpisorona ireo amin'ny andro fahavalon'ny fanadiovana azy, ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah.
24Duhovnik pa vzemi jagnje, ki je v daritev za krivdo, in log olja, in daruj oboje kot daritev majanja pred GOSPODOM.
24Dia horaisin'ny mpisorona ny zanak'ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
25In zakolje naj jagnje v daritev za krivdo in vzame krvi daritve za krivdo ter jo deni na desno ušesno mečico očiščevanca in na desni palec roke in na desni palec noge njegove.
25Dia hovonoina ny zanak'ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
26Od olja pa naj si vlije duhovnik na levo roko;
26ary hangalan'ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia;
27in z desnim prstom svojim naj poškropi duhovnik olja, ki je na levi roki njegovi, sedemkrat pred GOSPODOM.
27dia hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah;
28In naj dene duhovnik olja, ki ga ima na dlani, na desno ušesno mečico očiščevancu in na desni palec roke in na desni palec noge njegove, tja, kjer je kri daritve za krivdo.
28dia hotentenan'ny mpisorona amin'ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
29Ostanek olja pa, ki je na dlani duhovnikovi, naj dene očiščevancu na glavo, da stori poravnavo zanj pred GOSPODOM.
29ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
30In naj daruje eno izmed grlic ali golobičev, kakršna si lahko priskrbi,
30Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany,
31taka, kakršna priskrbi, enega za greh in drugega v žgalno daritev, z jedilno daritvijo vred, in tako naj stori duhovnik poravnavo za očiščevanca pred GOSPODOM.
31dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin'ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina eo anatrehan'i Jehovah.
32To je postava za njega, ki je gobav, čigar imetje ni zadostno pri očiščevanju njegovem.
32Izany no lalàna ny amin'ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
33In GOSPOD je govoril Mojzesu in Aronu, rekoč:
33Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
34Ko pridete v deželo Kanaansko, ki vam jo jaz dam v posest, pa pošljem nadlogo gob nad katero hišo v deželi lastnine vaše,
34Rehefa tonga any amin'ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin'ny tany fanananareo,
35tedaj naj pride tisti, čigar je hiša, in naznani duhovniku, rekoč: Kaže se mi, kakor da bi bilo znamenje gob na hiši.
35dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin'ny tranoko.
36Nato zapove duhovnik, da naj izpraznijo hišo, preden pride ogledovat znamenje, da bi ne postalo nečisto vse, kar je v hiši; in potem naj vstopi duhovnik, da ogleda hišo.
36Dia hasain'ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan'ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
37In ko pogleda znamenje, in glej, znamenje je na hišnih stenah, zelenkaste ali rdečkaste jamice, ki so se zajedle globoko v steno:
37ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny azy,
38tedaj naj gre duhovnik ven iz hiše k hišnim vratom in zapre hišo za sedem dni.
38dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
39In ko pride zopet osmi dan in pogleda, in glej, znamenje se je razlezlo po steni:
39Ary hiverina ny mpisorona amin'ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin'ny rindrin'ny trano izy,
40tedaj zapovej duhovnik, naj izdero kamene, na katerih je tisto znamenje, in jih pomečejo za mesto na nečist kraj.
40dia hasain'ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin'izay fitoerana maloto eo ivelan'ny tanàna;
41Hišo pa naj odznotraj vso ostrgajo in ostržke izsujejo za mesto na nečist kraj.
41dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian'ny olona amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
42In druge kamene naj vzamejo in jih denejo namesto onih kamenov, in z drugim ilom naj omažejo hišo.
42Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
43Ako se pa znamenje zopet pojavi in se izrine po hiši, potem ko so izdrli one kamene in potem ko so hišo ostrgali in omazali,
43Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin'ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
44in duhovnik pride in vidi, da se je znamenje razširilo po hiši: razjedljive gobe so na hiši, nečista je.
44ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin'ny trano izany, ka dia maloto izy.
45Razrušijo naj hišo, kamene in les in ves omaz njen, in vse naj spravijo ven za mesto na nečist kraj.
45Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
46In kdor bo vstopil v hišo, dokler bo zaprta, nečist bodi do večera.
46Ary izay miditra ao amin'izany trano izany amin'ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan'ny andro;
47In kdor bi spal v hiši, naj si izpere oblačila, in kdor bi jedel v hiši, naj si opere oblačila.
47ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.
48Ko pa pride duhovnik in pogleda, in glej, znamenje se ni razširilo po hiši, potem ko so jo vnovič omazali: naj proglasi hišo za čisto, kajti znamenje se je izcelilo.
48Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon'ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina.
49In vzame naj, da očisti hišo greha, dve ptici in cedrovega lesa in karmezina in izopa.
49Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
50In zakolji eno ptico v prsteno posodo nad tekočo vodo;
50Dia hovonoiny eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha ny vorona anankiray;
51in vzemi cedrovino in izop in karmezin in živo ptico, in omóči vse v krvi zaklane ptice in v tekoči vodi, in poškrópi hišo sedemkrat;
51dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina sy eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
52in tako naj hišo očisti greha s krvjo ptice in s tekočo vodo in z živo ptico in s cedrovino in z izopom in s karmezinom,
52Dia hanadio ny trano amin'ny ran'ny vorona izy sy amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha sy amin'ny vorona velona sy amin'ny hazo sedera sy amin'ny hysopa ary amin'ny jaky.
53nato spústi živo ptico, da zleti ven iz mesta na plano. Tako naj izvrši poravnavo za hišo, in čista bode.
53Fa hasainy ho entina eny ivelan'ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an'ny trano izy, ka dia hadio izany.
54To je postava za vsakršno gobavo nadlogo in za garje
54Izany no lalàna ny amin'ny habokana rehetra sy ny kongonina,
55in za gobe na obleki in na hiši
55ary amin'ny habokana amin'ny fitafiana sy amin'ny trano,
56in za izpuščaj in za kraste in za svetle pege:v poučilo, kdaj je kaj nečisto in kdaj je kaj čisto. To je postava o gobah.
56ary ny amin'ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana,hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin'ny habokana.
57v poučilo, kdaj je kaj nečisto in kdaj je kaj čisto. To je postava o gobah.
57hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin'ny habokana.