Slovenian

Malagasy

Proverbs

2

1Sin moj, ako sprejmeš besede moje in pri sebi shraniš zapovedi moje,
1[Ny soa hitan'izay mandray ny fahendrena] Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
2tako da nagneš uho svoje k modrosti in srce obrneš k razumnosti;
2Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
3če zakličeš previdnost in do umnosti zaženeš svoj glas,
3Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
4če je iščeš kakor srebra in jo zasleduješ kakor skrite zaklade:
4Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
5tedaj boš razumel strah GOSPODOV in dosežeš spoznanje Božje.
5Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
6Kajti GOSPOD daje modrost, iz njegovih ust prihaja spoznanje in razumnost.
6Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
7On je zavaroval uspeh poštenim, ščit je njim, ki žive brezmadežno,
7Izy mitahiry fanambinanaho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;[Na: tena fahendrena]
8da bi vztrajali na potih pravice; on čuva hojo svetnikov svojih.
8Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan'ny olony masina.
9Tedaj boš razumel pravičnost in pravo sodbo in karkoli je pošteno, sleherno dobro stezo.
9Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
10Kajti modrost pride v srce tvoje in znanje bode prijetno duši tvoji,
10Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin'ny fanahinao ny fahalalana,[Na: Fa ho tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, Ka ho]
11razsodnost bo pazila nate, umnost te bo stražila,
11Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
12da te otme slabega pota, mož, ki spačenosti govoré,
12Ka hamonjy anao amin'ny lalan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,
13ki zapuščajo pota poštenja, da bi hodili po stezah teme,
13Izay mahafoy ny lalan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana,
14ki jim je veselje delati zlo, radujejo se v spačenostih najhujših,
14Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy,
15katerih pota so kriva, trdovratni so na stezah svojih!
15Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin'ny alehany;
16da te otme žene tuje, tujke, ki se dobrika z besedami gladkimi,
16Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny,[Heb. vehivavy tsy vadinao]
17ki zapušča mladosti svoje vodnika in zabi Boga svojega zavezo.
17Izay mahafoy ny vadin'ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.[Heb. sakaizan']
18Kajti v smrt se nagiblje hiša njena in v smrtne sence njene steze:
18Fa ny tranony milentika ho amin'ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin'ny maty.
19katerikoli zahajajo k njej, ne povrnejo se in ne dosežejo življenja potov.
19Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin'ny lalan'aina,
20Zato hódi po potu dobrih in vztrajaj na stezah pravičnikov!
20Handehananao amin'ny lalan'ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan'ny marina.
21Zakaj pošteni bodo prebivali v deželi in brezmadežni ostanejo v njej.Brezbožne pa bodo iztrebili iz dežele in nezveste izpulili iz nje.
21Fa ny olona mahitsy no honina amin'ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
22Brezbožne pa bodo iztrebili iz dežele in nezveste izpulili iz nje.
22Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.