Slovenian

Malagasy

Proverbs

26

1Kakor ne sneg poletju in dež žetvi, tako ne pristoji neumnežu čast.
1Toy ny oram-panala amin'ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an'ny adala.
2Kakor vrabec, ki semtertja leta, kakor lastovka, ki se izpreletava, tako je kletev nezaslužena: nikogar ne zadene.
2Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
3Konju bič, oslu uzdo, bedaku pa šibo na hrbet!
3Ny karavasy ho amin'ny soavaly ny lamboridy ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala.
4Ne odgovarjaj bedaku po neumnosti njegovi, da mu ne bodeš tudi ti enak.
4Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
5Odgovóri bedaku po neumnosti njegovi, da ne bode moder v svojih očeh.
5Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
6Kdor pošilja po bedaku poročilo, odsekava si sam noge in pripravlja si škodo.
6Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
7Ohlapno so zvezane noge hromčeve: istotako moder izrek v ustih bedakov.
7Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
8Kakor kdor vrže mošnjo žlahtnih kamenov v grobljo, tako dela, kdor čast izkazuje bedaku.
8Toy ny manisy vato eo amin'ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
9Kakor trn, ki pride pijanemu v roko, tako je moder izrek v ustih bedakov.
9Toy ny tsilo eny an-tànan'ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
10Strelec, ki rani vse, in kdor najme bedaka in postopača, sta enaka.
10Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.[Na: Toy ny mpandefa zana-tsipìka mahavoa ny olona rehetra, Dia toy izany ny manakarama ny adala sy manakarama izay sendra mandalo]
11Kakor se pes vrne k izbljuvku svojemu, tako bedak ponavlja neumnost svojo.
11Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany.
12Vidiš li moža, ki šteje sam sebe za modrega – več je upanja za bedaka nego za njega.
12Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
13Lenuh govori: Lev rjoveč je zunaj, lev hodi po ulicah!
13Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
14Vrata se vrte na tečaju svojem: tako lenuh na postelji svoji.
14Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany,
15Lenuh pač vtakne roko v skledo, a težko mu jo je pritegniti k ustom.
15Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy.
16Modrejši je lenuh v svojih očeh nego sedmero njih, ki pametno odgovarjajo.
16Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
17Za ušesa prime psa, kdor se nepoklican žene v tuj prepir.
17Izay mandalo ka mitsaraingona amin'ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin'ny sofiny.
18Kakor brezumnik, ki meče ognjene in smrtne pšice:
18Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
19tako je, kdor prekani bližnjega svojega in potem reče: Saj sem se le šalil!
19Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
20Ko poidejo drva, ogenj ugasne, in ko ni podpihovalca, molči prepir.
20Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
21Oglja je treba za žerjavico in drv za ogenj, moža prepirljivega pa, da vname prepir.
21Toy ny arina atao amin'ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
22Besede podpihovalčeve so kakor slaščice, vendar prodirajo v notranjščino telesa.
22Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
23Kakor čepinja, prevlečena s srebrno peno, so goreče ustne in srce hudobno.
23Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.[Heb. mirehitra]
24Z ustnami svojimi se hlini sovražilec, a v srcu svojem snuje zvijačo;
24Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin'ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
25ko z blagomilim glasom govori, ne upaj mu, zakaj sedmero gnusob je v srcu njegovem.
25Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
26Zakriva se sovraštvo s prevaro, a zloba njegova se razodene v zboru.
26Ny lolompo dia miafina ao amin'ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
27Kdor koplje jamo, vanjo pade, in kdor kamen vali, nanj se zvrne.Lažnivi jezik sovraži tistega, kogar je zbadal, in medena usta pripravljajo padec.
27Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.
28Lažnivi jezik sovraži tistega, kogar je zbadal, in medena usta pripravljajo padec.
28Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.