Slovenian

Malagasy

Proverbs

25

1Tudi ti so pregovori Salomonovi, ki so jih zbrali možje Ezekija, kralja Judovega.
1[Ohabolana samy hafa ny amin'ny fitondran-tena sy ny toetry ny olona marina] Izao koa no ohabolan'i Solomona, izay nangonin'ny olon'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda:[Heb. nafindran']
2Bogu v čast je prikrivati reč, čast kraljev pa izsledovati reč.
2Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
3Neba višina, zemlje globočina in srca kraljev so nedosežna.
3Ny hahavon'ny lanitra sy ny halalin'ny tany Ary ny fon'ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.
4Vzemi srebru žlindro, in prikaže se zlatarju posoda:
4Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an'ny mpanao an-idina.
5vzemi brezbožnega kralju izpred oči, in utrdi se po pravičnosti prestol njegov.
5Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan'ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin'ny fahamarinana ny seza fiandrianany.
6Ne prisvajaj si časti pred kraljem in ne stopaj na mesto velikašev;
6Aza manandra-tena eo anatrehan'ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin'ny fitoeran'ny lehibe;
7kajti bolje je, da ti reko: Pomakni se sem gori! nego da te ponižajo pred knezom, ki so ga videle oči tvoje.
7Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason'ny manan-kaja izay hitan'ny masonao.
8Ne spuščaj se naglo v prepir, da ob njega koncu ne prideš v zadrego, kaj naj storiš, ko te je osramotil bližnji tvoj.
8Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin'ny farany, Rehefa omen'ny namanao henatra ianao.
9Pravdo svojo pravdaj z bližnjim svojim sam, ali skrivnosti drugega ne odkrivaj;
9Miadia ihany ny adinao amin'ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany holazaina,
10da te ne ograja, kdor to sliši, in ostaneš na slabem glasu.
10Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
11Kakor zlata jabolka v srebrnih pletenicah je beseda ob pravem času.
11Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.[Na: poma volamena misy ravaka volafotsy]
12Kakor zlata naušnica in okras iz čistega zlata je svaritelj moder pri njem, ki posluša.
12Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin'ny sofina mihaino.
13Kakor snežno hladilo ob žetve času je zvest poslanec njemu, ki ga pošilja: kajti dušo gospodarja svojega oživlja.
13Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin'izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon'ny tompony izy.
14Oblaki in veter, pa nič dežja – je mož, ki se ponaša z darom lažnivim.
14Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin'ny fizaram-bava.
15S potrpežljivostjo se sodnik pridobi in jezik mehak kosti zdrobi.
15Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.[(Heb. lela]
16Ko najdeš medú, jej, kolikor ti je dosti, da se ga ne presitiš ter ga izbljuješ.
16Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
17Redkoma zahajaj v bližjega svojega hišo, da se te ne naveliča in te ne črti.
17Aza miditra matetika ao an-tranon'ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.
18Kladivo in meč in pšica ostra je mož, ki priča krivo zoper bližnjega svojega.
18Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.
19Kakor zdrobljen zob in izvinjena noga je zaupanje v izdajalca v stiske dan.
19Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin'ny andro fahoriana.
20Kakor kdor sleče obleko o času mraza ali ocet lije na sodo, je, kdor pesmi poje žalostnemu v srcu.
20Toy ny miala lamba amin'ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin'ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin'ny malahelo am-po.
21Če je sovražnik tvoj lačen, siti ga s kruhom, in če je žejen, napoji ga z vodo:
21Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
22kajti žerjavice mu nakopičiš na glavo, in GOSPOD ti bo povrnil.
22Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
23Severni veter rodi dež: tako obrekljiv jezik lice nejevoljno.
23Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan'ny mpifosa mampahavinitra endrika.
24Bolje je prebivati v podstrešnem kotu nego z ženo prepirljivo v skupni hiši.
24Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampontrano Toy izay miray trano amin'ny vehivavy tia ady.
25Kakor mrzla voda duši onemogli, je dobra novica iz daljne dežele.
25Rano mangatsiaka amin'ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
26Kakor skaljen studenec in izprijen vrelec je pravičnik, ki umahne pred brezbožnikom.
26Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
27Pojesti preveč medú ni dobro, ali preiskavati težavne stvari je čast.Mesto razrušeno brez zidú je mož, ki nima duha svojega v oblasti.
27Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan'ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.[Na: Fa ny fandinihana izay sarotra dia voninahitra (na: mavesatra)]Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
28Mesto razrušeno brez zidú je mož, ki nima duha svojega v oblasti.
28Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.