1Slavi, duša moja, GOSPODA! GOSPOD, Bog moj, velik si silno, lepoto in veličastvo si oblekel;
1[Fiderana an'Andriamanitra, Mpamorona sy Mpiahy izao rehetra izao] Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
2ogrinjaš se s svetlobo kakor z obleko, nebesa razpenjaš kakor šator.
2Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
3Kateri stavi v vodah tramovje hramov svojih, ki nareja oblake za voz svoj, ki hodi po vetrov perutih,
3Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra,
4ki dela vetrove za poslance svoje, za služabnike svoje ogenj plamteči.
4Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.[Na: Manao ny anjeliny ho rivotra Ary ny mpanompony ho lelafo]
5Postavil je zemljo na podstave njene, da se ne gane na večne čase.
5Nanorina ny tany tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
6Z valovjem si jo ogrnil kakor z odejo, čez gore so stale vode.
6Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
7Na karanje tvoje so pobegnile, pred groma tvojega glasom so urno bežale –
7Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon'ny kotrokoranao dia nirifatra izy
8dvignile so se gore, pogreznile se doline – na mesto, katero si jim bil ustanovil.
8Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin'izay namboarinao hitoerany.
9Mejo si jim postavil, da je ne prestopijo, da se ne povrnejo pokrit zemljo.
9Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
10Ti izpuščaš studence po dolinah, da tečejo med gorami;
10Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny,
11napajajo vse poljske živali, žejo svojo si gasé divji osli.
11Ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany;
12Poleg njih prebivajo ptice nebeške, glasijo se izmed vej.
12Eo amboniny no itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.
13On namaka gore iz hramov svojih, s sadom del tvojih se siti zemlja.
13Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
14On daje, da raste trava živini in zelišče človeku v rabo, da si pripravi hrano iz zemlje,
14Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin'ny tany.
15in vino, ki razveseljuje srce človeku, in olje, ki svetel nareja obraz, in kruh, ki podpira srce človeku.
15Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain'ny olona.
16Siti se drevje GOSPODOVO, cedre na Libanonu, ki jih je vsadil,
16Voky ny hazon'i Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona, izay namboleny;
17kjer gnezdijo ptički, tudi štorklja, ki ima hišo svojo na jelkah.
17Izay anaovan'ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny tranony.
18Gore visoke so divjim kozlom, pečine skalnim jazbecem prebivališče.
18Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an'ny hyraka.
19Naredil je mesec, da meri čase, in solnce, ki pozna zahod svoj.
19Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
20Temo narejaš, da je noč, tedaj so vse gozdne živali pokonci:
20Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an'ala;
21mladi levi rjovejo za plenom in zahtevajo od Boga mogočnega hrane svoje.
21Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra.
22Ko izhaja solnce, se poskrijejo in ležé v brlogih svojih.
22Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
23Človek pa gre na delo svoje in po opravilu svojem do večera.
23Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan'ny andro.
24Kako mnogotera so dela tvoja, o GOSPOD, v modrosti si jih naredil vsa, polna je zemlja stvorov tvojih!
24Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany. [Na: ny harenao]
25Ondi morje, veliko in prostrano, v njem je laznine brez števila, živali velikih in malih.
25Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
26Tod hodijo ladje in leviatan, ki si ga ustvaril, naj se v njem igra.
26Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.[Na: holaolaovinao]
27Vse to čaka tebe, da jim daš njih živeža o svojem času.
27Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany.
28Kadar jim daješ, pobirajo, odpreš jim roko svojo, in sitijo se z dobrotami.
28Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
29Kadar jim skriješ obličje svoje, se prestrašijo; vzameš jim sapo, in ginejo ter se povračajo v prah svoj.
29Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy,
30Pošiljaš sapo svojo in jih spet ustvarjaš, in tako obličje obnavljaš zemlji.
30Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao.
31Slava GOSPODOVA traja naj vekomaj! Veseli se naj GOSPOD v delih svojih!
31Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany.
32Ko pogleda na zemljo, se trese ona, ko se dotakne gorá, se kadé.
32Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
33Pel bom GOSPODU vse svoje žive dni, psalme prepeval Bogu svojemu, dokler bodem živ.
33Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
34O da bi mu bilo prijetno premišljevanje moje! Jaz se hočem radovati v GOSPODU.Izginejo naj grešniki z zemlje in brezbožnikov več ne bodi! Slavi, duša moja, GOSPODA! Aleluja!
34Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah.Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.
35Izginejo naj grešniki z zemlje in brezbožnikov več ne bodi! Slavi, duša moja, GOSPODA! Aleluja!
35Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.