Slovenian

Malagasy

Psalms

107

1Hvalite GOSPODA, ker je dobrotljiv, ker vekomaj traja milost njegova!
1[BOKY FAHADIMY][Fiantsoana ny olona efa nahita soa tamin'Andriamanitra mba hisaotra Azy] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2Tako naj govoré rešenci GOSPODOVI, ki jih je rešil iz rok tlačitelja
2Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo, [Na: fahoriana]
3in ki jih je zbral iz dežel, od vzhoda in od zahoda, od severa in od morja.
3Sy nangoniny avy tany amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin'ny ranomasina.
4Tavali so po puščavi, po potih samotnih, mesta za prebivališče niso našli;
4Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
5lačni so bili in žejni, njih duša je hirala v njih.
5Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
6Tedaj so klicali h GOSPODU v nadlogi svoji, in rešil jih je iz njih stiske,
6Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny;
7in vodil jih je po pravem potu, da bi dospeli v mesto za prebivališče.
7Dia nitondra azy tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana.
8Slavé naj GOSPODA za milost njegovo in za čudovita dela njegova pri sinovih človeških:
8Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
9da on siti dušo potrebno in dušo gladno napolnjuje z dobrim.
9Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
10Kateri so sedeli v temoti in v smrtni senci, v bridkosti sponah in v železju,
10Izay nipetraka tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
11ker so se upirali besedam Boga mogočnega in so zavrgli sklep Najvišjega;
11Satria nandà ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
12zato je ponižal njih srce z nadlogo, padli so, in ni ga bilo, ki bi jim bil pomagal.
12Dia nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;[Heb. tafintohina]
13Tedaj so klicali h GOSPODU v nadlogi svoji, in rešil jih je iz njih stiske;
13Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
14izpeljal jih je iz temin in smrtne sence in raztrgal je njih vezi.
14Nitondra azy nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.
15Slavé naj GOSPODA za milost njegovo in za čudovita dela njegova pri sinovih človeških,
15Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
16da je strl vrata bronasta in zdrobil zapahe železne.
16Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
17Nespametni zavoljo pota pregrehe, zavoljo krivic svojih so prišli v trpljenje.
17Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
18Vsaka hrana se je studila njih duši, smrtnim vratom so se približali.
18Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy.
19Tedaj so klicali GOSPODA v nadlogi svoji, in rešil jih je iz njih stiske;
19Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny.
20poslal je besedo svojo in jih ozdravil, in jih je otel pogina.
20Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany.
21Slavé naj GOSPODA za milost njegovo in za čudovita dela njegova pri sinovih človeških
21Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
22in naj darujejo hvalne daritve ter oznanjajo z radostnim petjem dela njegova!
22Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana.
23Kateri so šli na morje v ladjah, za opravilom svojim po velikih vodah,
23Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano lehibe
24oni so videli dela GOSPODOVA in čuda njegova v globočini:
24No mahita ny asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina.
25Ukaže namreč in napravi vihar, ki visoko žene valove njegove,
25Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
26da se zdaj vzpenjajo do neba, zdaj zopet padajo v globočino, duša jim koprni v nadlogi;
26Niakatra hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.
27vrtijo se in opotekajo kakor pijani, in vsa njih spretnost je izginila.
27Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
28Tedaj so klicali h GOSPODU v nadlogi svoji, in rešil jih je iz njih stiske;
28Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy.
29premenil je vihar v tišino, in utihnili so jim valovi.
29Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
30Tedaj se razveselé, da so se pomirili valovi, in tako jih je peljal v pristanišče zaželjeno.
30Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy.
31Slavé naj GOSPODA za milost njegovo in za čudovita dela njegova pri sinovih človeških;
31Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!
32in naj ga poveličujejo v zboru ljudstva ter v seji starejšin naj ga hvalijo!
32Ary aoka hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny fipetrahan'ny loholona.
33Reke izpreminja v puščavo in studence vodá v žejna tla,
33Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
34zemljo rodovitno v solnato puščo zavoljo hudobnosti prebivalcev njenih.
34Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo.
35Puščavo izpreminja v jezero in suhotna tla v studence vodá.
35Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
36In tja naseli lačne, da zidajo mesto za prebivanje
36Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
37in da posejejo njive in zasadé vinograde in pridelajo vsakoleten sad.
37Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
38Blagoslavlja jih tako, da se množijo silno, in njih živine ne zmanjšuje.
38Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
39Zmanjšani so pač bili in ponižani vsled zatiranja, nesreče in bridkosti.
39Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
40On, ki izliva zaničevanje nad kneze in dela, da tavajo po praznoti, ki je brez potov,
40Mampidina fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
41na višavo je postavil siromaka iz bede in mu razmnožil rodovine kakor črede.
41Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
42Vidijo to pravični in se veselé, vsa malopridnost pa zapre usta svoja.Kdorkoli je moder, naj pazi na to, in uvažujejo naj milosti GOSPODOVE!
42Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.
43Kdorkoli je moder, naj pazi na to, in uvažujejo naj milosti GOSPODOVE!
43Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.