Slovenian

Malagasy

Psalms

116

1Ljubim GOSPODA, ker sliši glas moj, molitve moje.
1[Fisaorana nataon'izay saiky maty, nefa novonjen'Andriamanitra] Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy.
2Ker je uho svoje nagnil k meni, zatorej ga bom klical vse svoje dni.
2Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
3Obdale so me smrtne vezi in me zadele peklenske stiske, prišel sem v nadlogo in žalost.
3Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. [Heb. Sheola]
4Tedaj sem klical ime GOSPODOVO: Prosim, GOSPOD, reši dušo mojo!
4Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
5Milosten je GOSPOD in pravičen in Bog naš je usmiljen.
5Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
6Preproste hrani GOSPOD; bil sem ponižan, in me je rešil.
6Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
7Povrni se v pokoj svoj, duša moja, ker GOSPOD je dobro storil tebi.
7Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
8Zakaj ti si otel dušo mojo smrti, oči moje solz, nogo mojo padca.
8Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana.
9Neprestano bom hodil pred GOSPODOM v deželi živečih.
9Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.
10Veroval sem, kajti govoril sem, jaz, ki sem bil potlačen jako.
10Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.[Na: fa hiteny aho]
11Jaz sem rekel v svoji osuplosti: Vsi ljudje so lažnivci.
11Hoy izaho tamin'ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
12Kaj naj povrnem GOSPODU za vse dobrote njegove meni?
12Inona no havaliko an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13Kelih obilega zveličanja primem in klical bom ime GOSPODOVO;
13Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah.
14obljube svoje izpolnim GOSPODU, da, izpolnim jih vpričo vsega njegovega ljudstva.
14Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra.
15Draga je pred obličjem GOSPODOVIM smrt svetih njegovih.
15Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina.
16O GOSPOD, zares hlapec tvoj sem jaz, hlapec tvoj sem, dekle tvoje sin: ti si raztrgal vezi moje.
16Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
17Tebi bom daroval hvalne daritve in klical ime GOSPODOVO.
17Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko.
18Obljube svoje opravim GOSPODU, da, opravim vpričo vsega njegovega ljudstva,v vežah hiše GOSPODOVE, sredi tebe, Jeruzalem! Aleluja!
18Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra,Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
19v vežah hiše GOSPODOVE, sredi tebe, Jeruzalem! Aleluja!
19Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.