1Ne nam, GOSPOD, ne nam, temuč svojemu imenu daj čast, zaradi milosti svoje, zaradi resnice svoje!
1[Fampitahana an'Andriamanitry ny Isiraely sy ny sampin'ny Jentilisa] Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
2Zakaj bi govorili pogani: Kje je torej njih Bog?
2Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
3A Bog naš je v nebesih, stori vse, karkoli hoče.
3Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
4Njih maliki pa so srebro in zlato, delo rok človeških.
4Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:
5Usta imajo, pa ne govore, oči imajo, pa ne vidijo,
5Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
6ušesa imajo, pa ne slišijo, nos imajo, pa ne duhajo,
6Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
7roke, pa ne tipajo, noge, pa ne hodijo, z grlom svojim še ne črhnejo.
7Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
8Njim so podobni, ki jih delajo, vsi, ki vanje upajo.
8Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
9Izrael, upaj v GOSPODA! Pomoč je tem in ščit je tem.
9Ry Isiraely ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
10Družina Aronova, upajte v GOSPODA! Pomoč je tem in ščit je tem.
10Ry taranak'i Arona ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
11Kateri se bojite GOSPODA, upajte v GOSPODA! Pomoč je tem in ščit je tem.
11Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
12GOSPOD, spomnivši se nas, bo blagoslavljal, blagoslavljal družino Izraelovo, blagoslavljal družino Aronovo.
12Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak'i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak'i Arona Izy;
13Blagoslavljal bo vse, ki se boje GOSPODA, male in velike vred.
13Hotahiny izay matahotra an'i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
14Množil vas bo GOSPOD, vas in otroke vaše.
14Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin'ny zanakareo.
15Blagoslovljeni ste od GOSPODA, ki je naredil nebo in zemljo.
15Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
16Nebesa so nebesa GOSPODOVA, a zemljo je dal sinom človeškim.
16Ny lanitra dia an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona.
17Ne kateri so umrli, hvalijo GOSPODA, ne nihče teh, ki doli gredo v kraj molčanja,ampak mi, mi bomo slavili GOSPODA odslej in veke. Aleluja!
17Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah. Na izay midina any amin'ny mangingina;Fa izahay hisaotra an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia.
18ampak mi, mi bomo slavili GOSPODA odslej in veke. Aleluja!
18Fa izahay hisaotra an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia.