Slovenian

Malagasy

Psalms

118

1Hvalite GOSPODA, ker je dobrotljiv, ker vekomaj traja milost njegova!
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny famindram-pony, indrindra noho ny namaliany ny vavaka nataon'ny mpanompony sy ny namonjeny azy tamin'ny fahavalony] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
2Reci torej, Izrael: Da, vekomaj traja milost njegova!
2Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
3Recite torej, družina Aronova: Da, vekomaj traja milost njegova!
3Aoka ny taranak'i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
4Rekó naj, kateri se boje GOSPODA: Da, vekomaj traja milost njegova!
4Aoka izay matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
5Iz stiske svoje sem klical GOSPODA, odgovoril mi je in me postavil na plano GOSPOD.
5Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
6GOSPOD mi je na strani, ne bom se bal: kaj bi mi storil človek?
6Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko?
7GOSPOD mi je na strani med mojimi pomočniki, zato ugledam veselje svoje na sovražilcih svojih.
7Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy.
8Bolje je iskati zavetja v GOSPODU nego upati v človeka.
8Tsara ny mialoka amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona.
9Bolje je pribegati h GOSPODU nego upati v poglavarje.
9Tsara ny matoky an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
10Vsi narodi so me obdali, zares, v imenu GOSPODOVEM sem jih uničil.
10Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa;
11Obdali so me, obdali vsenaokrog, zares v imenu GOSPODOVEM sem jih uničil.
11Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.
12Obdali so me kakor čebele, a ugasnili so kakor trnov ogenj; zares, v imenu GOSPODOVEM sem jih uničil.
12Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa.
13Močno si me bil pahnil, sovražnik, da bi padel, ali GOSPOD mi je bil na pomoč.
13Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
14Moč moja in pesem moja je GOSPOD, on mi je bil v rešenje.
14Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
15Glas petja in rešenja je v pravičnikov šatorih: Desnica GOSPODOVA dela junaške čine,
15Ao an-dain'ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery;
16desnica GOSPODOVA je povzdignjena, desnica GOSPODOVA dela junaške čine.
16Ny tanana ankavanan'i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery.
17Ne bom umrl, ampak živel, da oznanjam dela GOSPODOVA.
17Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah.
18Ostro me je pokoril GOSPOD, ali smrti me ni izdal.
18Nofaizan'i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.
19Odprite mi vrata pravičnosti, da vstopim vanje in slavim GOSPODA!
19Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah.
20Ta so vrata GOSPODOVA, pravični vhajajo skozi nje.
20Ity no vavahadin'i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
21Hvalil te bom, ker si me uslišal in si mi bil v rešenje.
21Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
22Kamen, ki so ga bili zavrgli zidarji, je postal glavni vogalnik.
22Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
23Od GOSPODA se je to zgodilo, čudovito je v naših očeh.
23Avy tamin'i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.
24To je dan, ki ga storil GOSPOD, radujmo in veselimo se v njem!
24Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.
25Prosimo, GOSPOD, reši zdaj, prosimo, GOSPOD, dobro srečo daj zdaj!
25Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
26Blagoslovljen, ki prihaja v imenu GOSPODOVEM! blagoslavljamo vas iz hiše GOSPODOVE.
26Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo.
27GOSPOD je Bog mogočni, on nam je dal luč: Privezujte praznične daritve z vrvmi prav do rogov oltarja!
27Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin'ny tandroky ny alitara aza.
28Bog mogočni si moj, zato te bom hvalil, Bog moj, poviševati te hočem!Hvalite GOSPODA, ker je dobrotljiv, ker vekomaj traja milost njegova!
28Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
29Hvalite GOSPODA, ker je dobrotljiv, ker vekomaj traja milost njegova!
29Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.