Slovenian

Malagasy

Psalms

119

1Alef [Alef, bet, gimel itd. se imenujejo črke hebrejske abecede.]. Blagor njim, ki hodijo brezmadežno po pravem potu, ki živé po postavi GOSPODOVI.
1[Salamo abidy. Fankalazana ny lalàn'Andriamanitra][ALEFA] Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah.
2Blagor njim, ki hranijo pričevanja njegova, ki ga iščejo iz vsega srca,
2Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra;
3ki tudi ne delajo krivice, ampak hodijo po potih njegovih.
3Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
4Ti si zapovedal ukaze svoje, da naj se izpolnjujejo pridno.
4Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
5O, da bi pota moja šla tako, da bi izpolnjeval postave tvoje!
5Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
6Tedaj ne pridem v sramoto, ko bom gledal na vse zapovedi tvoje.
6Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
7Hvalil te bom s pravim srcem, ko se bom učil razsodkov pravičnosti tvoje.
7Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina.
8Postave tvoje bom izpolnjeval, le ne zapusti me nikar!
8Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
9Bet. Kako ohrani mladenič stezo svojo brez madeža? Držeč se je po besedi tvoji.
9[BETA] Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
10Iz vsega srca svojega te iščem, ne daj, da izgrešim zapovedi tvoje.
10Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.
11V srcu svojem sem shranil govor tvoj, da ne grešim zoper tebe.
11Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
12Hvaljen si, GOSPOD, uči me postave svoje!
12Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
13Z ustnami svojimi pripovedujem vse sodbe tvojih ust.
13Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
14Veselim se pota pričevanj tvojih kakor vseh zakladov.
14Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra.
15Ukaze tvoje bom premišljeval in pazil na steze tvoje.
15Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
16V postavah tvojih se razveseljujem, besede tvoje ne zabim.
16Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
17Gimel. Dobrotno ravnaj s hlapcem svojim, da bom živel, in hraniti hočem besedo tvojo.
17[GIMELA] Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
18Odgrni oči moje, da gledam čuda v zakonu tvojem.
18Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.
19Tujec sem na tej zemlji, ne skrivaj mi zapovedi svojih.
19Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
20Duša moja gine od hrepenenja po pravicah tvojih vsak čas.
20Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
21Ti pretiš prevzetnim in preklinjaš, kateri izgrešajo zapovedi tvoje.
21Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao.
22Odvali od mene sramoto in zaničevanje, ker hranim pričevanja tvoja.
22Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
23Tudi knezi sedé in govoré zoper mene, a hlapec tvoj premišlja postave tvoje.
23Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
24Pričevanja tvoja so vendarle razveseljevanja moja, svetovalci moji.
24Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
25Dalet. V prahu tiči duša moja, oživi me po besedi svoji.
25[DALETA] Miraikitra amin'ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
26Pota svoja sem ti naznanjal, in odgovoril si mi; úči me postav svojih.
26Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
27Daj, da umem pot ukazov tvojih, in premišljeval bom čudovita dela tvoja.
27Ampahalalao ahy ny lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
28Od otožnosti se v solzah taja duša moja, vzdrži me po besedi svoji!
28Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
29Lažnivosti pot odvrni od mene in pouk zakona svojega mi podéli milostno.
29Ny lalan'ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
30Zvestobe pot sem izvolil, sodbe tvoje si postavil pred oči.
30Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
31Držim se tvojih pričevanj, GOSPOD, ne daj, da se osramotim.
31Mifikitra amin'ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
32Po poti zapovedi tvojih bom tekel, ko razširiš srce moje.
32Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.[Na: Raha]
33He. Uči me, GOSPOD, postav svojih pot, da jo ohranim do konca.
33[HE] Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany.
34Daj mi razum, da hranim zakon tvoj in ga izpolnjujem iz vsega srca.
34Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho.
35Daj, da hodim po zapovedi tvojih stezi, ker tá me veseli.
35Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
36Nagni srce moje k pričevanjem svojim in ne k dobičku.
36Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana.
37Odvrni oči moje, da ne gledajo ničemurnosti, in na potih svojih me oživi!
37Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho.
38Utrdi hlapcu svojemu obljubo svojo, ki je dana v pospeševanje strahu do tebe.
38Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.[Tovy amin'ny mpanomponao ny teninao, Izay mahatonga ny fahatahorana Anao]
39Odvrni sramoto mojo, ki se je bojim, ker dobre so sodbe tvoje.
39Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
40Glej, ukazov tvojih želim, v pravičnosti tvoji daj mi živeti.
40Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.
41Vav. Pridejo naj mi milosti tvoje, GOSPOD, zveličanje tvoje po obljubi tvoji;
41[VAO] Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
42tako bom imel kaj odgovoriti njemu, ki me sramoti, ker upanje imam v besedo tvojo.
42Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
43In ne vzemi docela iz ust mojih besede resnice, ker sodb tvojih čakam.
43Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
44In izpolnjeval bom zakon tvoj stanovitno, vedno in vekomaj.
44Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
45In neprestano bom hodil v svobodi, ker postav tvojih iščem.
45Ary handeha amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
46Govoriti hočem o pričevanjih tvojih tudi pred kralji, in ne bode me sram.
46Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
47In razveseljeval se bom v zapovedih tvojih, ki so se mi omilile.
47Ary hiravoravo amin'ny didinao aho Satria tiako ireny.
48In dvignem roke svoje do zapovedi tvojih, ki jih ljubim, in preudarjal bom postave tvoje.
48Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
49Zajin. Spomni se besede, ki si jo dal hlapcu svojemu, s katero si me utrdil v upanju.
49[ZAINA] Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy.[Na: Satria nampanantenainao aho]
50To mi je tolažilo v bridkosti moji, da me je beseda tvoja oživila.
50Izao no mampionona ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
51Prevzetniki so se mi posmehovali silno, a od postave tvoje nisem krenil.
51Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho.
52Spominjal sem se sodb tvojih od nekdaj in se tolažil.
52Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
53Togota me je zgrabila spričo brezbožnikov, ki zapuščajo zakon tvoj.
53Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
54Sladki spevi so mi postave tvoje v hiši mojega tujčevanja.
54Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako.
55Po noči se spominjam imena tvojega, GOSPOD, in zakon tvoj izpolnjujem.
55Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
56To mi je bilo dano, ker sem hranil ukaze tvoje.
56Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.
57Het. Delež moj je GOSPOD, rekel sem, da bi izpolnjeval besede tvoje.
57[HETA] Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
58Ponižno molim pred obličjem tvojim iz vsega srca svojega, milost mi izkaži po obljubi svoji.
58Mifona aminao amin'ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
59Premislil sem pota svoja in obrnil sem noge svoje k pričevanjem tvojim.
59Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin'ny teni-vavolombelonao.
60Hitim in se ne obotavljam izpolnjevati zapovedi tvoje.
60Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin'ny fitandremana ny didinao.
61Zadrge brezbožnih so me ovile, a postave tvoje ne zabim.
61Nihodidina tamiko ny famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
62Opolnoči vstajam hvalit te zavoljo sodb pravičnosti tvoje.
62Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
63Tovariš sem vsem, ki se te bojé in izpolnjujejo povelja tvoja.
63Naman'izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman'izay mitandrina ny didinao.
64Milosti tvoje, o GOSPOD, polna je zemlja, postav svojih me úči.
64Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
65Tet. Dobro si storil hlapcu svojemu, GOSPOD, po besedi svoji.
65[TETA] Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
66Dobre razsodnosti in spoznanja me úči, ker zapovedim tvojim verujem.
66Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
67Preden sem bil ponižan, sem zahajal v zmote, sedaj pa izpolnjujem govor tvoj.
67Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
68Dober si in dobro delaš, úči me postav svojih.
68Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
69Zvijačo so skovali zoper mene prevzetniki, jaz pa iz vsega srca hranim povelja tvoja.
69Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin'ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
70Debelí se kakor z mastjo njih srce, jaz pa se zakona tvojega radujem.
70Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
71V dobro mi je bilo, da sem bil ponižan, da bi se učil postav tvojih.
71Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
72Boljši mi je zakon tvojih ust nego tisoči zlata in srebra.
72Ny lalàn'ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
73Jod. Roke tvoje so me naredile in pripravile, stóri me razumnega, da se učim zapovedi tvojih.
73[JODA] Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
74Kateri se te boje, me bodo videli ter se veselili, ker imam v besedi tvoji nado svojo.
74Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
75Spoznavam, GOSPOD, da so pravične sodbe tvoje in da si me v zvestobi ponižal.
75Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
76Bodi, prosim, milost tvoja mi v tolažbo, po obljubi tvoji hlapcu tvojemu.
76Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao.
77Dojde naj mi usmiljenje tvoje, da živim, ker zakon tvoj je vse veselje moje.
77Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
78Osramoté se naj prevzetniki, ker so me z lažjo tlačili; jaz pa premišljujem povelja tvoja.
78Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.[Na: nanoloky ahy tamin'ny lainga]
79Povrnejo se naj k meni, ki se boje tebe, in tisti, ki poznajo pričevanja tvoja.
79Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
80Srce moje se popolnoma pokoravaj postavam tvojim, da ne pridem v sramoto.
80Aoka ho marina tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
81Kaf. Duša moja koprni po zveličanju tvojem, besede tvoje čakam.
81[KAFA] Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
82Oči moje koprne po obljubi tvoji, ko govorim: Kdaj me potolažiš?
82Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
83Dasi sem podoben mehu v dimu, postav tvojih nisem pozabil.
83Fa tahaka ny siny hoditra ao amin'ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
84Koliko bode dni hlapca tvojega? Kdaj boš sodil nje, ki me preganjajo?
84Hoatrinona no andron'ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin'izay manenjika ahy Hianao?
85Jame mi kopljejo prevzetniki, ki se ne ravnajo po zakonu tvojem.
85Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
86Vse zapovedi tvoje so resnica; po krivem me preganjajo, pomagaj mi!
86Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
87Skoraj so me uničili na zemlji, jaz pa se nisem izneveril ukazom tvojim.
87Saiky laniny teo amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
88Po milosti svoji me oživi, in hranil bom pričevanja tvojih ust.
88Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
89Lamed. Na vekomaj, o GOSPOD, je utrjena beseda tvoja v nebesih.
89[LAMEDA] Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
90Od roda do roda traja zvestoba tvoja: ustanovil si zemljo, in ona stoji.
90Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
91Po tvojih naredbah stoji vse še danes, kajti vse stvari služijo tebi.
91Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.[Na: Araka ny nanendrenao azy]
92Ako bi ne bil zakon tvoj vse veselje moje, zdavnaj bi že bil poginil v nadlogi svoji.
92Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho.
93Nikdar ne pozabim povelj tvojih, ker ž njimi si me oživil.
93Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
94Tvoj sem, reši me, ker ukazov tvojih iščem.
94Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
95Ko name prežé brezbožni, da me pogubé, pregledujem pričevanja tvoja.
95Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
96Videl sem, da sleherna stvar, še tako popolna, ima svoj konec, a zapoved tvoja je širna brez meje.
96Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
97Mem. Kako ljubim zakon tvoj! ves dan je o njem premišljevanje moje.
97[MEMA] Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
98Modrejšega od sovražnikov mojih me delajo zapovedi tvoje, ker vekomaj so moja last.
98Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
99Razumnejši sem postal od vseh učenikov svojih, ker pričevanja tvoja so premišljevanje moje.
99Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
100Previdnejši sem od starcev, ker hranim povelja tvoja.
100Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
101Od vsake hudobne steze zadržujem noge svoje, da bi izpolnjeval besedo tvojo.
101Efa narovako ny tongotro tsy ho amin'izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
102Od sodb tvojih se ne ganem, ker ti me poučuješ.
102Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
103Kako sladke so grlu mojemu besede tvoje, slajše od medú ustom mojim!
103Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
104Po poveljih tvojih pridobivam razumnost, zato sovražim vsako stezo lažnivosti.
104Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
105Nun. Svetilo nogi moji je beseda tvoja in stezi moji luč.
105[NONA] Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
106Prisegel sem, tudi uveljavil: izpolnjevati razsodke pravičnosti tvoje.
106Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
107Ponižan sem silno, GOSPOD, oživi me po besedi svoji!
107Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
108Prostovoljne daritve ust mojih milo sprejemaj, GOSPOD, in razsodkov svojih me úči!
108Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
109Duša mi je vedno v nevarnosti, vendar ne zabim zakona tvojega.
109An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.[Heb. An-tanako]
110Brezbožniki so mi nastavili zanko, vendar od ukazov tvojih ne zahajam.
110Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho.
111Pričevanja tvoja sem prejel v posest na veke, ker so veselje mojemu srcu.
111Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany.
112Srce svoje sem nagnil, da izpolnjuje postave tvoje vedno do konca.
112Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.
113Sameh. Ljudi dvojih misli sovražim, zakon tvoj pa ljubim.
113[SAMEKA] Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
114Zatišje si moje in ščit moj, v besedi tvoji imam nado.
114Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
115Umeknite se od mene, hudodelniki, jaz hočem hraniti zapovedi svojega Boga!
115Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin'Andriamanitro.
116Bodi mi podpora po obljubi svoji, da živim, in ne pusti, da se osramotim v nadi svoji.
116Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho.
117Podpiraj me in varen bodem in gledal bom vedno na postave tvoje.
117Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
118Vse, ki izgrešujejo postave tvoje, zametaš, kajti laž je, s čimer se slepijo.
118Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
119Kakor žlindro odpravljaš vse brezbožne na zemlji; zatorej ljubim pričevanja tvoja.
119Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.
120Od strahu pred teboj trepeče meso moje in bojim se tvojih sodb.
120Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
121Ajin. Pravo sem delal in pravičnost; ne izročaj me njim, ki me stiskajo.
121[AINA] Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory ahy.
122Porok bodi hlapcu svojemu na dobro; naj me ne zatirajo prevzetni.
122Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
123Oči moje koprné po zveličanju tvojem in po obljubi pravičnosti tvoje.
123Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao.
124Ravnaj po milosti svoji s hlapcem svojim, in postav svojih me uči.
124Ataovy amin'ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
125Hlapec sem tvoj, stori me razumnega, da spoznam pričevanja tvoja.
125Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
126Čas je, da delaš, GOSPOD, ker v nič so deli zakon tvoj.
126Efa andro tokony hampisehoan'i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.[Heb. hiasan'i Jehovah]
127Zatorej bolj ljubim zapovedi tvoje nego zlato, nego najčistejše zlato.
127Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
128Zato spoznavam vse ukaze tvoje za prave, vsako stezo lažnivosti sovražim.
128Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
129Pe. Čudovita so pričevanja tvoja, zato jih hrani duša moja.
129[PE] Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
130Komur se beseda tvoja razodene, prejme luč, in razumnost daje ona preprostim.
130Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.
131Usta svoja sem odprl v hrepenenju, ker žejen sem zapovedi tvojih.
131Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
132Ozri se v me in usmili se me, kakor je prav za tiste, ki ljubijo ime tvoje.
132Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao.
133Noge moje utrdi s poveljem svojim in ne daj, da gospoduje kaka krivica nad menoj.
133Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
134Otmi me zatiranja ljudi, da izpolnjujem ukaze tvoje.
134Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao.
135Daj, da sveti obličje tvoje nad hlapcem tvojim, in uči me postav svojih.
135Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
136Potoki vodá teko iz mojih oči zaradi njih, ki se ne pokoré zakonu tvojemu.
136Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao.
137Cade. Pravičen si, GOSPOD, in prave so sodbe tvoje.
137[TSADE] Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
138Kar si zaukazal v svojih pričevanjih, je pravičnost, in zvestoba popolnoma.
138Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
139Od gorečnosti svoje ginem, ker so pozabili besede tvoje zatiralci moji.
139Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
140Dobro preizkušena kakor z ognjem je beseda tvoja, zato jo ljubi hlapec tvoj.
140Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao.
141Majhen sem jaz in zaničevan, a povelj tvojih ne zabim.
141Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
142Pravičnost tvoja je pravičnost večna in postava tvoja je resnica.
142Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
143Zatira in stiska sta me zadeli, zapovedi tvoje pa so veselje moje.
143Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
144Pričevanja tvoja so pravična vekomaj; dodeli mi razumnost, in živel bom.
144Ny fahamarinan'ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
145Kof. Iz vsega srca kličem, usliši me, o GOSPOD! hraniti hočem tvoje postave.
145[KOFA] Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;
146Ko te kličem, reši me, in hranil bom pričevanja tvoja.
146Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
147Jutranji svit sem prehitel, da vpijem; besede tvoje sem čakal.
147Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
148Oči moje so prehitevale nočne straže, da bi premišljal govor tvoj.
148Nialoha ny fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
149Glas moj poslušaj po milosti svoji, GOSPOD, oživi me po pravdnih naredbah svojih.
149Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
150Bližajo se mi tisti, ki jim gre za sramotno delo, ki so daleč od zakona tvojega.
150Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
151A ti si blizu, GOSPOD, in vse zapovedi tvoje so resnica.
151Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
152Zdavnaj vem iz pričevanj tvojih, da si jih ustanovil na veke.
152Efa fantatro ela tamin'ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
153Reš. Ozri se na nadlogo mojo in reši me, ker zakona tvojega ne zabim.
153[RESY] Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
154Prevzemi pravdo mojo in odreši me, po obljubi svoji oživi me.
154Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
155Daleč od krivičnih je zveličanje, ker jim ni mar za postave tvoje.
155Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
156Usmiljenje tvoje je preobilo, GOSPOD, po sodbah svojih oživi me!
156Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
157Dasi je mnogo preganjalcev in stiskalcev mojih, od pričevanj tvojih ne krenem.
157Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho.
158Videl sem nezvestnike, in gnusilo se mi je, ker se ne držé govora tvojega.
158Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
159Glej, da ljubim povelja tvoja, GOSPOD, po milosti svoji oživi me!
159He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
160Vsebina besed tvojih je sama resnica, in vekomaj velja vsak razsodek tvoje pravičnosti.
160Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
161Šin. Knezi so me preganjali po nedolžnem, samo pred besedo tvojo je trepetalo moje srce.
161[SINA] Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko.
162Veselim se besede tvoje, kakor kdor je našel plen obilen.
162Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
163Laž sovražim in mrzim, zakon tvoj pa ljubim.
163Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
164Sedemkrat te hvalim na dan zaradi sodb pravičnosti tvoje.
164Impito isan'andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
165Velik mir imajo, kateri ljubijo zakon tvoj, in ni jim spotike.
165Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
166Zveličanja tvojega čakam, GOSPOD, in zapovedi tvoje izpolnjujem.
166Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
167Duša moja hrani pričevanja tvoja in ljubim jih močno.
167Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
168Povelja tvoja hranim in pričevanja tvoja, ker vsa pota moja so pred teboj.
168Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
169Tav. Vpitje moje se bližaj tvojemu obličju, GOSPOD, daj mi razumnost po besedi svoji.
169Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
170Prošnja moja pridi pred obličje tvoje, po obljubi svoji otmi me.
170Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
171Hvala bo vrela iz ustnic mojih, ko me boš učil postav svojih.
171Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
172Jezik moj bo prepeval govor tvoj, kajti vse zapovedi tvoje so pravične.
172Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
173V pomoč mi bodi roka tvoja, ker sem izvolil povelja tvoja.
173Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
174Po zveličanju tvojem hrepenim, GOSPOD, in zakon tvoj je vse veselje moje.
174Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
175Živi naj duša moja, da hvali tebe, in sodbe tvoje naj pomagajo meni.Blodim kakor ovca izgubljena, išči svojega hlapca, ker zapovedi tvojih nisem pozabil.
175Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.
176Blodim kakor ovca izgubljena, išči svojega hlapca, ker zapovedi tvojih nisem pozabil.
176Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.