1{Načelniku godbe. Psalm Davidov.} GOSPOD, preiskal si me in me poznaš!
1[Fankalazana an'Andriamanitra, Izay mahalala ny zavatra rehetra sady manerana izao rehetra izao] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
2Ti poznaš sedenje moje in vstajanje moje, mišljenje moje umeš oddaleč.
2Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
3Hojo mojo in ležo mojo zasleduješ in znana so ti vsa pota moja.
3Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
4Ko ni še beseda na jeziku mojem, glej, GOSPOD, jo poznaš docela.
4Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô.
5Zadaj in spredaj me obdajaš in name pokladaš roko svojo.
5Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
6Taka vednost je prečudovita zame, visoka je, ne morem je doseči.
6Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
7Kam naj grem pred duhom tvojim, ali kam naj bežim pred tvojim obličjem?
7Aiza no hialako amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
8Ko bi stopil na nebesa, tam si ti, ali bi ležišče si izbral v kraju mrtvih, tudi ondi si.
8Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.[Heb. Sheola]
9Ko bi si vzel zarje peruti in odletel prebivat ob najzadnjem kraju morja,
9Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran'ny ranomasina,
10tudi tja bi me spremljala roka tvoja in zgrabila bi me desnica tvoja.
10Dia mbola entin'ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana.
11Ko bi pa rekel: Teme me bodo vsaj pokrile in svetloba okoli mene postane naj noč –
11Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,
12tudi teme ti ne morejo ničesar omračiti, noč ti je svetla kakor dan, temina ti je kakor noč.
12Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.[Na: Na dia hoy izaho aza: Hanarona ahy tokoa ny maizina, Dia ny alina aza no ho mazava manodidina ahy; Eny, etc]
13Zakaj ti si imel v lasti ledice moje, stkal si me v telesu matere moje.
13Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
14Hvalim te, da sem storjen na strašen, čudovit način; čudovita so dela tvoja, predobro to pozna duša moja.
14Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
15Ni ti bilo skrito okostje moje, ko sem bil ustvarjen na skrivnem, umetno narejen, kakor v zemlje globočinah.
15Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin'ny tany.
16Zarodek moj so videle tvoje oči, in v knjigo tvojo je bilo vpisano vse to; dnevi so mi bili določeni, ko še eden njih ni bil napočil.
16Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
17Zatorej kako so mi dražestne misli tvoje, o Bog mogočni, kako ogromna so njih števila!
17Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron'ny isany!
18Hotel bi jih našteti, a več jih je od peska; kadar se zdramim, sem z mislimi še pri tebi.
18Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
19O da bi pokončal, o Bog, brezbožnika! In vi, možje krvoločni: Poberite se izpred mene!
19Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà. [Na: Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô]
20Kajti zoper tebe govoré pregrešno, tvoje ime rabijo za laž tvoji sovražniki.
20Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
21Ali naj bi ne sovražil, o GOSPOD, sovražilcev tvojih, ali naj mi ne mrzé, ki se vzpenjajo zoper tebe?
21Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin'izay mitsangana hanohitra Anao? [Heb. ho maloiloy]
22S skrajnim sovraštvom jih sovražim, za neprijatelje so meni.
22Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
23Preiskuj me, Bog mogočni, in spoznaj srce moje, izkusi me in spoznaj misli moje,in glej, hodim li po potu, ki pelje v trpljenje, in vodi me po večnem potu.
23Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
24in glej, hodim li po potu, ki pelje v trpljenje, in vodi me po večnem potu.
24Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.