1{Načelniku godbe. Psalm Davidov.} Reši me, GOSPOD, hudobnih ljudi, moža silovitega me brani,
1[Fangataham-piarovana noho ny ataon'ny olona ratsy fanahy sy fetsy vava] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin'ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe,
2kateri mislijo hudo v srcu, vsak dan se shajajo, da snujejo vojsko.
2Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan'andro
3Brusijo jezik svoj, da je podoben kačjemu, strup gadji je pod njih ustnami. (Sela.)
3Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony.
4Obvaruj me, GOSPOD, rok krivičnika, moža silovitega me brani, ki mi mislijo izpodbiti noge.
4Jehovah ô, vonjeo amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.
5Skrivaj so mi nastavili prevzetniki zanko in vrvi, razgrnili so mi mrežo poleg pota, zadrge mi napravili. (Sela.)
5Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.
6Rekel sem GOSPODU: Bog mogočni moj si ti; čuj, GOSPOD, prošenj mojih glas!
6Hoy izaho tamin'i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon'ny fifonako, Jehovah ô!
7Jehova, Gospod, je moč zveličanja mojega; glavo mojo si pokril ob dnevi boja.
7Jehovah, Tompo ô, ry Herin'ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin'ny andro fiadiana Hianao.
8Ne dopusti, GOSPOD, da se brezbožniku izpolnijo želje, hude naklepe njegove ne pospešuj, povzdigovali bi se! (Sela.)
8Jehovah ô, aza manome ny irin'ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy.
9Glave njih, ki me obdajajo – ustnic njih nadloga naj jih pokrije!
9Ny lohan'izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan'ny ratsy tononin'ny molony.
10Žerjavica pridi nadnje, v ogenj naj jih vržejo, v jame, odkoder več ne vstanejo.
10Aoka hisy vain'afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin'ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.
11Mož zbadljivega jezika se ne utrdi na zemlji; mož silovitosti – hudo ga bo gonilo do pogube.
11Tsy hampitoerina amin'ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.
12Vem, da se bo GOSPOD potegnil za pravdo siromaku, za pravico potrebnim.Res, pravični bodo hvalili ime tvoje, pošteni bivali pred tvojim obličjem.
12Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin'ny mahantra Sady hanome rariny ho an'ny malahelo.Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.
13Res, pravični bodo hvalili ime tvoje, pošteni bivali pred tvojim obličjem.
13Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.