1{Psalm Davidov.} O GOSPOD, kličem te, hiti k meni, čuj glas moj, ko te kličem!
1[Fitarainana ataon'izay alaim-panahy sy enjehina] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
2Molitev moja pridi kakor kadilo pred tebe, povzdigovanje mojih rok kakor daritev večerna.
2Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
3Postavi, GOSPOD, stražo ustom mojim, čuvaj vrata ustnic mojih.
3Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan'ny vavako; Ambeno ny varavaran'ny molotro.
4Ne daj, da se mi nagne srce k hudobni reči, da bi brezbožno izvrševal hudobije z možmi, ki delajo krivice; tudi naj ne okusim njih slaščic!
4Aza avela hirona ho amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
5Udari naj me pravični, ljubezen je to, in posvari naj me, je kakor mazilo glavi: ne brani se glava moja; zakaj tudi pri njih krivičnosti vztrajam v molitvi.
5Aoka ny marina hamely ahy amin'ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian'ireny.
6Ko popadajo raz skale njih sodniki, bodo poslušali besede moje, ker so prijetne.
6Havarina amin'ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
7Kakor bi kdo razsekal in razklal zemljo, so raztresene kosti naše do žrela groba.
7Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola]
8Toda k tebi, Jehova, Gospod, se ozirajo oči moje, v tebi iščem zavetja, ne zapústi duše moje.
8Fa Hianao no andrandrain'ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.
9Obvaruj me zadrge, ki so mi jo razpeli, in zank tistih, ki delajo krivico.Zapleto naj se v mreže svoje brezbožni, a jaz grem varno mimo.
9Arovy aho amin'ny fandrika amandrihany ahy Sy amin'ny tadivavaran'ny mpanao ratsy.Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
10Zapleto naj se v mreže svoje brezbožni, a jaz grem varno mimo.
10Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.